Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Aogositra, 2011

Tantara tamin'ny Aogositra, 2011

31 Aogositra 2011

Japana: Tantaran'ny “Gypsy” Nokleary

Takeshi Kawakami (川上武志) dia iray amin'ireo antsoina hoe mpandehandeha (gypsy) nokleary ary tahaka ireo mpiara-miasa aminy maro, izay efa 30 taona izao no nanaovany asa fivelomana tany amin'ireo toby noklearin'ny firenena mandritra ny fotoana fohy. Nampahafantatra ny kolikoly sy ny fanaovana fifanarahana miafina nisy teo amin'ny governemanta sy ny indostria...

Arabia Saodita: Tenifototra Manokana Ho An'ny Mpanjaka Ao Amin'ny Twitter!

Tenifototra iray amin'ny teny Saodiana manao hoe #tal3mrak izay raha adika ara-bakiteny dia manao hoe "Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao" na "ny andriamanjaka" raha atao amin'ny teny Tandrefana no nandrakotra ny Twitter androany (28 Aogositra 2011). Zava-tsy nampoizina ho an'ny maro ilay tenifototra, izay tsy nihevitra velively fa ny Saodiana...

Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Ny Fampahalalam-Baovaon'Olon-tsotra Eny An-tsehatra

Ity no ampahany faharoa amin'ny tatitra momba ny Fetiben'ny Bilaogy 2011 mamintina ny fomba fijerin'ireo bilaogera Meksikana ny fomba fampiasàna ny mediam-bahoaka hitaterana ny herisetra, ary ambonin'ny zavatra rehetra, ny anjara toerana tànan'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra ao anatin'io sehatra mahery setra io.

Iran: Mpitoraka Bilaogy Nafahana Taorian'ny 25 Andro Nitokonana Tsy Nihinan-kanina

Navoaka ny fonja rehefa nandoa onitra ny Alahady teo ny Dr. Mehdi Khazali, mpitoraka bilaogy, tonian-dahatsoratra sy zanakalahina mpitarika fivavahana mpitahiry ny nentin-drazana sady mpikambana tao anatin'ny Filankevitr'ireo Mpiambina ny Ayatollah Khazali, taorian'ny 25 andro fitokonana tsy hihinan-kanina. Nanandratra ny feony tamin'ny governemanta Iraniana ilay mpitoraka bilaogy nandritra ireo roa...

30 Aogositra 2011

Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Fihetsiketsehana Tany Tripoli

Akon'ny RuNet

Raha ampitahaina tamin'ny volana Aprily 2011, rehefa nandinika voalohany ny fihetsika Rosiana tamin'ilay disadisa ny Global Voices, hita mizara kokoa ny hevitra ankehitriny; nizara ho vondrona roa miavaka, mpanohana sy mpanohitra an'i Kolonely Kaddhafi, ireo mpitoraka blaogy. Manadihady i Alexey Sidorenko.

Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Midradradràdra Ny Herisetra

Ny Fetiben'ny Bilaogy 2011 nataonay voalohany dia nitondra ny lohahevitra hoe "Meksika - Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy". Ao anatin'ny ampahany voalohany amin'ny famintinana farany, arantinay ny fihevitr'ireo Meksikana mpitoraka bilaogy momba ireo tranganà herisetra nitranga taloha tao amin'ny fireneny sy ny fomba andraisan-dry zareo izany ary anehoany ny fangirifiriany rehefa...

Ejipta: Ny Miaramilan'ny Facebook-n'i Omar Soliman

Nisy fitsapan-kevitra iray nokarakarain'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika tao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo mba hahitàna hoe firy avy no mety ho mpanohana ho azon'ny mpirotsaka tsirairay eny an-kianja amin'izao fotoana izao, namoaka vokatra 'mampiahiahy'. Indreto ireo fanehoan-kevitra sasantsasany tao amin'ny aterineto taorian'ny nivoahan'ilay vaovao hoe nisy fanaramàna miaramilan'ny Facebook mba hanodinana...

29 Aogositra 2011

Kolombia: Nanaiky ny fialan'i ‘Bolillo’ Gómez tsy ho Mpanazatra ny Federasiona

Ny alahady 21 aogositra dia nanaiky ny fialany amin'ny maha-mpanazatran'ny ekipam-pirenena Kolombiana amin'ny baolina fandaka azy i Hernán Darío Gómez ratified raha nandona vehivavy iray tao Bogotá. Nanaiky ny fialany tamin'ity indray mitoraka ity ny Federasionan'ny Baolina fandaka tamin'ity indray mitoraka ity, saingy nitohy hatrany ny adihevitra an-tserasera.

Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina

Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.

Pakistana: Fanabeazana, Fanantenana Farany

Satria eo am-pivoahana amin'ny krizy sosialy sy politika ny ao Pakistana, navoitran'ny fiaramonim-pirenena ny maha-zavadehibe ny fanabeazana. Izany hevitra izany dia noho ny zava-misy sy fanantenana  angamba, angamba fotsiny satria ny fanabeazana no fanalahidy  hitondra filaminana eo anivon'ny ady an-trano anatiny mampitebiteby izay iainan'ireo Pakistaney isan'andro . Mpisionkatserasera PakistaneyAly Nasser nanoratra...