Tantara misongadina tamin'ny Febroary 2010
Tantara tamin'ny Febroary, 2010
Chili : Tahotra Tsunami tany amin'ny nosin'i Paska
Fanta-daza noho ireo sary sokitra Polyneziana izay manintona mpizahantany manerantany ny Nosin'ny Paska. Fantatra amin'ny anarana napetraky ny mponina ao ho Rapa Nui moa ity anatin'ny zaratanin'i Chili ity, izay any amin'ny 3500 km andrefan'ny kaontinantan'i Amerika atsimo ary manana mponina maharitra manakaiky ny 5000. Taorian'ny horohorontanin'ny 27 febroary moa...
Chili : Horohorontany mahatratra 8,8 refy Richter
Horohorontany manana herim-pihetsehana 8,8 amin'ny refy Richter no nandona ny faritr'i Maule tamin'ny 3:34 maraina tany an-toerana any Chili io. Heno hatrany an-drenivohitra Santiago izay 325km miala ny ivony ny hetsiky ny tany. Betsaka ny fahasimbana manerana ny firenena, ary mitombo isa araka izany ihany koa ny niharam-boina. Mbola re...
Sri Lanka: lalao Cricket sy ny teny anglisy
Lanka Rising no miresaka momba ny firokim-pitenenana eo amin'ny manana ny teny anglisy ho fiteny faharoa: “An'ny Anglisy ny Cricket (taloha), saingy isika no mahay milalao azy kokoa noho ry zareo ankehitriny mahatonga azy ireo hanaraka ny vaovaon'ny cricket aty amintsika. Afa-manao izany ve isika amin'ny fitenenana teny anglisy? Yes...
Egipta: Nofoanan'ny Fitsaràna ny sazin'ilay mpitoraka blaogy Wael Abbas
Noafahan'ny fitsaràna Egiptiana ilay mpitoraka blaogy Wael Abbas rehefa nahazo sazy enim-bolana avy amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany. Tamin'ny volana Novambra no navoaka ny didim-pitsarana taorian'ny tsy fifanarahana nisy teo amin'i Abbas sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy sy i Ahmed Maher Aglan ary ny rahalahiny manamboninahitra polisy Ashraf Aglan tamin'ny volana Aprily...
Frantsa: Mpianatra manerantanymitoraka blaogy an'i Parisy ao amin'ny Cité Babel
Ny Tanàna iraisam-pirenenan'i Parisy dia mampiatrano vondrom-piaraha-monina mpianatra avy amin'izao tontolo izao monina sy mianatra any amin'ireo Anjerimanontolo Frantsay. Ny blaogy sy gazetin'izy ireo, "Cité Babel" dia mandinika ireo olana mifandraika amin'ny maha-izy azy ny tena, ny kolo-tsaina, ny tenim-pirenena ary ny fomba fijery an'i Frantsa sy izao tontolo izao.
Shina: rafi-pisoratan'ny vohikala anarana
Araka ny navoakan'ny gazety Sohu IT tamin'ny 22 febroary dia namoaka filazana ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny fampahalalam-baovao (MIIT) ka mangataka ny hanamafisana ny rafitra isoratana anarana (amin'ny famoahana vohikala) sy ho fanamarihana izany, na ilay lazaina hoe Lisitra fotsin'ny Aterineto Shinoa. Ny fepetra takiana farany indray dia ny...
Rosia: Tetikady miaramila vaovao sy ny fiarovam-baovao
Namoaka ny tetikady (doctrine) miaramila vaovao[RUS] (hitanao ato ny dika amin'ny teny anglisy) hampiharina mandritra ny folo taona indray i Rosia tamin'ity volana febroary ity. Na dia tsy misy filazana mivantana ny resaka fiarovana an-tserasera na resaka aterineto mivantana aza io dosie io, dia miresaka momba ny endrika fifampitam-baovao ao anaty...
Shina : Manetsika ny reny hitaky ny sivana
Nametraka fikambanana antsoina hoe Neny Mpitsara (Mama Jury) ny Fikambanan'ny media an-tserasera any Beijing tamin'ny 19 Janoary 2010 hanivana ny vaovao mamoha fady sy vetaveta an-tserasera. Ny tatitra nataon'ny Southern Weekend moa no nametraka fa avy tany amin'ny firenena tandrefana no niaingan'ny hevitra hikambanan'ny reny “hiaro” ny ankizy tsy hahita...
Shina: Google lasa fanalàn'ny mpiserasera
Araka ny fitantaran'nyNew York Times vao haingana ilay nolazaina ho ‘Operation Aurora’, izay namely ny Google sy ireo vondronorinasa tandrefana 33 farafahakeliny dia noheverina ho niainga avy tamina Anjerimanontolo Shinoa. Ny iray amin'ireo ‘Anjerimanontolo’ ireo raha ny tena marina dia sekoly fampianarana asa mampalahelo kely sokajy fahaefatra any avaratr'i Shina....
Shina : horonantsary fohy maneso ny sivana amin'ny aterineto
Nahatontosa horonantsary fohy vaovao iray enti-mitsikera ny sivana amin'ny aterineto any Shina ilay mpamokatra horonantsarimihetsika tsy matihanina, Hu Ge . Tahaka ireny horonan-tsary fanadihadiana izay maharitra 7 minitra mahery eo, mitondra ny lohateny hoe ‘Tontolon’ny biby: Ny biby miaina an-trano‘ ka nahasarika olona an-hetsiny sahady izany tao anatin’ny andro vitsy...