Tantara misongadina tamin'ny Marsa 2023
Tantara tamin'ny Marsa, 2023
Benin, valan-javaboahary iray lasa toeram-pialofan'ireo vondrona mpihoko
Raha hatry ny ela tsy mba voatohintohina, ankehitriny i Benin dia mizaka mafy mihitsy ny asa fampihorohoroana jihadista misoko any avaratra sy mampiasa ny valan-javaboahary ho toy ny toby famaharany
Ankizivavy “Trans” avy any Rosia namono tena tao amin'ny toby fialokalofana
Mampiharihary ny olana amin'ny fahazoana fitsaboana ara-tsaina sy ara-pahasalamana any anatin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ity tranga mahatsiravina ity. Atahorana fatratra ny amin'ireo solontenan'ny vondrom-piarahamoninaLGBTQ+ raha tonga amin'ny famonoantena ny resaka.
Podcast [fandraisam-peo]: Ampandavoana ny hantsana eo amin'ny lahy sy ny vavy ao Zeorzia iarahana amin'ny Disruption Network Lab
Amin'ity toko manokana iompanana amin'ilay tatitra hivoaka momba ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy ao Zeozia ity i Arzu Geybullayeva no miresaka amin'ireo mpikaroka Maya Talakhadze sy Ekaterine Khositashvili ary amin'ny mpanao gazety Emmy Thume.
Fiovaovàn'ny toetrandro sy fitrandrahana harena an-kibon'ny tany: ony lehibe roa miala aina ao Côte d’Ivoire sy ao Mali
Manova isanandro isanandro ny fiainana andavanandron'ireo mponina manodidina azy ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny asa fitrandrahana eny amin'ireo ony Sassandra sy Niger
Takian'ireo feo ao Pasifika ny hihetsehana maika momba ny toetrandro maneran-tany
Hetsika maromaro manasongadina tantara, fitantarana, ary fampisehoana zavakanto izay manambara ny antson'ireo firenena nosy Pasifika amin'ny hetsika eran-tany mivaingana kokoa hampihenana ny famoahana etona mangeja hafanana
Vehivavy Mozambikana no nandresy tamin'ny fifaninanana nahandro iraisam-pirenena tany Portiogaly
Tamin'ny 19 Febroary, nandresy tamin’ny iray tamin'ireo fifaninanana nahandro lehibe indrindra amin’ny firenena miteny Portiogey ilay Mozambikana Sahima Hajat.
Imam iray teo aloha namerina ny hira vako-drazan’ny ankizy tao Kahramanmaras, Torkia
Tao anatin’ny ezaka hampitony ny ankizy sy ny olon-dehibe niharan'ny horohorontany, nanapa-kevitra ny hamerina indray ny hira vako-drazana Tiorka tranainy iray tao amin'ny moskea i Ömer Faruk Amca.
Ambara ny fijoroan'ny “Mpiandraikitra ny fanangonam-baovaon'ny Vondrom-piarahamonina,” andraikitra vaovao hanasongadinana ny vaovaom-piarahamonina GV
Hiara-hiasa amin'ny vondrom-piarahamonina GV ny "Mpiandraikitra ny fanangonam-baovaon'ny vondrom-piarahamonina" vaovao mba hanasongadinana ireo hetsika sy zava-bitantsika maro mifandraika amin'ny GV.
Zeorzia, miady hevitra momba ny lalàna mifehy ny masoivoho vahiny. Lazain'ny mpitsikera fa ohatra iray mampidi-doza
Napetraky ny vondrona parlemantera tamin'ny fomba ofisialy ny volavolan-dalàna, an'ny antoko eo amin'ny fitondrana "Georgian Dream" izay niala ny laharan'ny antoko tamin'ny taona lasa ka namorona ny antoko politikany vaovao antsoina hoe People's Power.
Niantsafan'i Eddie Avila ny fanohanana azo atao amin'ny fikajiana sy fameloma-maso indray ny fiteny Indic amin'ny fampiasana ny Wikimedia
Ireo tetikasam-pikarohana natao vao haingana mitondra ny lohateny hoe "Tomban'ireo filàna hananganana tahirinkevitra sy ny famelomana indray ny fiteny indic amin'ny alàlan'ny fampiasana ireo tetikasa Wikimedia".