Sarin'ny sesitany: Iraniana ‘miaramilan'ny rariny’, Sholeh Pakravan

 

Sholeh Pakravan. Saripika an'i Maryam Mirza, nahazoana alàlana.

Ity tantara ity dia ampahany amin'ireo andiany itrandrahana ny zavatra niainan'ireo vehivavy iraniàna any am-pielezana amin'ny fikatsahan-dry zareo ny fahalalahana sy ny fanehoany faharetana. Ny tantara dia natao ho fanomezana voninahitra ilay fahafatesana nampahonena nahazo an'i Mahsa Jina Amini, vehivavy kiorda namoy  ny ainy teo amin'ny faha-22 taonany teny am-pelatanan'ny pôlisin'ny fitondrantena noho izy tsy nandrakotra manontolo ny volony. Io tranga io dia niteraka fanoherana midadasika tao Iràna, izay mbola mitoetra hatramin'izao, na eo aza ny firongatry ny famoretana ataon'ny governemanta.

Sholeh no anarany, midika “lelafo  / flame” amin'ny fiteny Farsi, famantarana ny hazavana mamaivay sy miparitaka. Ao anaty fon-dreny iray namoy ny zanany noho ilay fitondrana mpanao famoretana no afaka ahitàna io toetra io. Teraka tamin'ny 1964 tao Kermanshah, any andrefan'i Iràna, teo amin'ny faha-23 taonany i Sholeh Pakravan no lasa reny voalohany, niteraka ny zanany vavy voalohany Reyhaneh (Jabbari) tao Tehran.  

Sholeh, nilaza tena ho “miaramilan'ny rariny,” dia tsy vady sy renim-pianakaviana niteraka telovavy fotsiny, fa koa mpilalao sy tale mpitantana teatra hatramin'ny 2007. Na izany aza, niova ny zavatra rehetra rehefa nisy “tsunami” iray goavambe namely azy fony nosamborina ilay zanany vavy 19 taona, noho ny namonoany an'i Morteza Abdolali Sarbandi, mpiasa taloha tao amin'ny ministeran'ny fanangonam-baovao nikasa ny hanolana azy.

Tamin'ny Janoary 2023, nihaona tamin'i Sholeh aho tao amina bistro iray tao “der Wedding,” iray amin'ireo distrika ao Berlin. Tamim-pitiavana sy fahatokiana no namaritany ny fiantraikan'ny fisamborana an'i Reyhaneh, nandefa hafanana avy amin-dreny nandritra ny fifampiresahana: “Natahoranay daholo ny olona sy ny zavatra rehetra, ary herinandro raha kely indrindra, nitety izao rehetra izao aho niaraka tamin'ireo zanako roa sy ny vadiko. Tany am-piandohana, nametraka fahatokisana feno tamin'ny rafitra, ny pôlisy ary ny fitsaràna ry zareo.

Kanefa, niova ny raharaha.

“Nandritra ny fito taona sy efatra volana nigadràn'i Reyhaneh, nahita tontolo iray vaovao aho,” hoy i Sholeh. “Nihena isanandro vaky ny fahatokisako. Tonga saina aho hoe tsy marina araka izay niheverako azy fahiny ny rafi-pitsaràna, ary natrehako maso ampiasain'ny pôlisy ho toy ny fitaovana ny fampijaliana.

Alaivo sary ao an-tsaina ity: indray andro, tena tonga dia teo ivelan'ny efitrano fitsaràna mihitsy, nahita aho gadra iray nentina hiatrika tribonaly miaraka amin'ny tongony tapaka sy ferena. Toy ny niaina tanaty nofy aho hatramin'io fotoana io, ary tsy misy ifandraisan'io zavamisy io amin'ny fiainako tany aloha tany.”

Nandritra ireny taona ireny rehefa nananontanona toy ny tady vavarana teo an-tendan'ny zanany vavy ny fanamelohana ho faty, niditra tamina fanatanterahana iraka iray i Sholeh ho fanohanana ireo mpiara-mifonja voaheloka ho faty. Namangy ny fianakavian'ireo voafonja izy ary nandresy lahatra hahazoana famotsoran-keloka araka ny lalàna Qisas, fitsipika  Sharia iray mbola ao anatin'ny didy famaizana ao Iràna. Araka io lalàna io, manana safidy ireo fianakavian'ny voafonja, na hangataka famelàna ho an'ilay nahavita heloka, na hangataka sazy “ara-bola” mifanaraka amin'ilay heloka. Hitan'i Sholeh  ho fotoana iray fanararaotra io hahafantarana ny fomba hiatrehana ireo fianakavian'ny lehilahy iray niampangàna an-janany vavy ho mpamono olona. 

Kanefa, tamin'ny 2014, na teo aza ireo fanentanana nidadasika be avy ao anatiny sy ivelan'i Iràna hanoherana ny famonoana azy efa nanakaiky, nihatra tamin'i Reyhaneh ny lahatra  nahatsiravina natao ho azy ary novonoina tao amin'ny fonja Gohardasht izy.

Ao anatin'ilay sarimihetsika  “Ririnina Fito tao  Tehran,” ilay sarimihetsika nanokafana sady nahazo ny loka Perspektive Deutsches Kino tao amin'ny Fetiben'ny sarimihetsika Berlinale 2023, misy seho manohina ny fo mirakitra ny fotoana mahavaky fo niainan'i Sholeh. Tao anatin'ireo rindrin'ny fonja izy no nandray ny vaovao nahatsiravina momba ny namonoana ny zanany vavy.

Nanomboka tamin'io, ambony ambany ny andro sy ny alina ho an'i Soleh. Nozarainy fa nandritra ireo alina taorian'ny nahafaty an-janany, tsy nahita tory izy mandra-maraina, indraindray eny am-pifohana sigara eo an-davarangana izy no mba mahita fitoniana. Vantany vao manakoako amin'ireo fanamafisampeo  amin'ilay maoske ao an-tanàna ny fiantsoana fivavahana (Adhan), miditra ao an-trano izy ary matory mandany ny tapakandro maraina

Fehezan'alahelo tsy mety vahàna

Loharanom-pampaherezana iray ho  an'i Sholeh sy namonjy azy ny fifandraisany tamin'ireo reny hafa, ireo izay nizaka ny famoizana ny havan-tiany, na maty notifirina nandritra ny fikomiana na maty novonoina tany anatin'ny rindrin'ny fonja. Isan'ireny renim-pianakaviana ireny i Shahnaz Akmali, izay ny zanany lahy mbola tanora, Moustafa Karimbeigi, no lavo noho ny tifitr'ireo Iraniàna manampahefana nandritra ny fikomiana tamin'ny 2009. Hoy i Sholeh nisaintsaina:

“Nahatsapa aho fa nandritra ny andian-taona 1980, taompolo voalohany taorian'ny revôlisiôna Islamika, an'arivony maro ireo gadra noho ny resaka pôlitika no maty novonoina tany anaty rindrin'ny fonja. Nandritra io fotoana io aho no nitrotro teny an-tànako an'i Reyhaneh vao teraka, difotry ny hafaliana. Tsy tao an-tsaiko akory hoe, ao amin'io tanàna io ihany, misy ireo reny izay, ao anaty famoizam-po mangina, manondrika ny tavan-dry zareo ao anaty ondana, mitomany am-pahanginana noho ny tahotra sao hiampy bebe kokoa ny olana hanjo ny fianakaviany. Tsy nahataitra ahy fotsiny io tsy fahafantarana io; nanakoako tao anatin'ny fiarahamonina izany. Lasa nifandrohy tamin'ireny reny ireny aho taorian'ny namonoana an'i Reyhaneh.”

Tsy hoe tsy nisy fiantraikany akory ny fifandraisany tamin'ireo reny hafa. Voalohany, voaràra tsy nahazo niasa izy, ary taty aoriana, nanomboka nahazo hafatra nampiahiahy avy amin'ireo mpiara-miasa taminy fahiny nangataka azy hampitsahatra ny zavatra ataony. Taorian'izany, tamin'ny fomba ôfisialy no niantsoana sy nakàn'ireo olon'ny sampam-pitsikilovana iraniàna azy. Nandritra io sedra io,  nilazàna izy fa “anaty lozam-piarakodia fotsiny dia mety ho faty ireo zanany vavy roa hafa,” ary izany dia fitenenana ankolaka azy hihevitra an'i Reyhaneh ho efa nafoy ka hifantoka amin'ireo zanany vavy roa hafa.

Nazava ireo hafatra fandrahonana, saingy nitoetra ho tapa-kevitra amin'ny fanolorantenany i Sholeh hizotra amin'ny làlana nosafidiany taorian'ny namonoana an-janany vavy. Na izany aza, tamin'ny 2017, taorian'ny nisamborana an'i Shahnaz Akmali, izay namana akaiky an'i Sholeh, niaritra fakàna am-bavany naharitra ora marobe tao amin'ny seranam-piaramanidina izy sy ilay zanany vavy kely indrindra, talohan'ny nanomezana azy ireo ny fahazoandàlana hiala an'i Teheran ho any Istanbul. Volana enina taty aoriana, tontosan-dry zareo soa aman-tsara ny diany avy ao Istambul nankany Berlin.

Mihoatra lavitra ireo valifaty anatin'ny tolona ao Iràna

Ankehitriny, taona dimy mahery aty aoriana, nipetraka teo anoloako izy ary nanazava ireo antony niezahany nanisy elanelana kely tamin'ireo hetsipanoherana revôlisiôneran'ny  Zan, Zendegi, Azadi.” Naneho ny ahiahiny izy momba ny teny faneva sasantsasany nampiasain'ireo mpanao hetsipanoherana, izay toa manome toky fa hamaly faty an'ireo manampahefana ao amin'ny Repoblika Islamika amin'izay fomba mahavaly tsara ireo zavatra nataon'ny Repoblika nandritra ny 40 taona teo amin'ny tantarany. Nohazavain'i  Sholeh : “Tsy mangataka akory ny hamonoana an'i Ali Khamenei, mpitarika ny Repoblika Islamika aho, na ireo tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo ankizy teny an'arabe.”

Teo am-pizarana ny hirifiriny, naneho ny fanantenany hitsaharan'ilay “milin'ny famonoana” saingy tsy nikatsaka valifaty:

Tsy ho adinoko na ho avelako heloka ireo nampijaly sy nanàla ny ain'ny zanako vavy, saingy mino tanteraka aho fa ny famonoana no mampanjaka mandrakariva ny herisetra tsy misy farany izay tsy maintsy atsahatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.