Mitety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ao Zimbaboe mba hahatakarana ny toedraharaha ara-politika ankehitriny

Ny Filoham-pirenena Zimbaboeana, Emmerson Mnangagwa, mitondra ny fanambarany nandritra ny Kaonferansam-piraisankinan'ny mikasika ny Southern African Development Community (SADC). Sary an'ny GovernmentZA, avy amin'ny Flickr (CC BY-ND 4.0 DEED).

Tamin'ny Aogositra 2023, ny filoham-pirenen'i Zimbabwe, Emmerson Mnangagwa dia voafidy indray tamin'ny fifaninanana ho filoham-pirenena nampisy adihevitra be, izay nitarika ny fihenjanana taorian'ny fifidianana sy ny fiampangana ny famoretan'ny fanjakana an'ireo voalaza ho mpifaninana. Mba hahalalana bebe kokoa ny zava-misy ara-politika ankehitriny ao Zimbabwe, dia manolotra angom-baovao nomen'ny Global Voices ity lahatsoratra ity mba hahafantarana hatrany ny vaovao ao Zimbabwe.

Manaiky ny fiteny ofisialy 16 ny lalàm-panorenan‘i Zimbaboe, na dia ny fiteny anglisy, Shona sy ny Ndebele aza no tena mahazatra. Novokarina tamin'ny fiteny anglisy ny aankamaroan'ireo famoaham-baovao sy fampielezam-baovao any Zimbaboe, ary kely kokoa ny amin'ny fiteny Shona sy Ndebele. Tamin'ny Janoary 2023, novinaniana ho maherin'ny 16 tapitrisa ny isan'ireo mponina ao Zimbaboe. Araka ny voalazan'ny World Atlas, manodidina ny 2,5 isanjaton'ny mponina monja no miresaka amin'ny teny anglisy ho tenindreny, raha toa ny 70 isanjaton'ny mponina no miteny ny teny Shona ary manodidina ny 20 isanjato kosa no miteny ny teny Ndebele.

Manana ny sasany amin'ireo gazety tranainy indrindra ao Afrika i Zimbaboe, anisan'ireny ny The Herald, mpiseho isanandro an'ny Fanjakana. Amin'ireo mediam-panjakana hafa an-gazety dia ao ny Chronicle,  ny Sunday Mail, ny Manica Post, ny Midlands Observer, Kwayedza ary ny uMthunywa. Manolotra fandrakofana betsaka amin'ny vaovaom-pirenena ny Kwayedza sy ny uMthunywa amin'ny fiteny Shona sy Ndebele. Ahitana ny Financial Gazette, ny Zimbabwe Independent, ny Standard, ary ny Zimbabwe Daily News. ny fampahalalam-baovao an'olon-tsotra amin'ny gazety.

Ho an'ny fampahalalam-baovao nomerika ranoiray dia ao ny Zimbabwe Daily News, New Zimbabwe, ary ny Studio 7 mandrakotra lohahevitra midadasika, anisan'izany ny politika, ny fialamboly, ny media, ny fanatanjahan-tena, ny fombam-piainana sy ny fandraharahana.

Ny Zimbabwe Broadcasting Corporation no hany fantsona tokana amin'ny fahitalavitra sy onjam-peom-panjakana ao amin'ny firenena. Hita ihany koa izy io ao amin'ny YouTube sy Facebook, maherin'ny 73 000 sy 36 000 no mpamandrika ananan'izy ireo tsirairay ao. Nahazo fandrakofana avy amin'ity fantsona ity ny fifidianana vao haingana teo :

The Zimbabwean, manana ny biraony any amin'ny Fanjakana Mitambatra sy Afrika Atsimo no misolo tena ireo Zimbaboeana ampielezana ary manolotra topimaso momba ny politika, zavakanto sy ny kolontsaina, ny fandraharahana, ny fanatanjahantena, ny olan'ny miralenta, ny olana ara-tsosialy sy ny fandalinana ny vaovao ao Zimbaboe. Fanampin'izay, manolotra vaovao mikasika ireo Zimbaboeana any ampielezana ny New Zimbabwe.

Eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ny vaovao Zimbaboeana dia mahazo fandraakofana ataon'ireo media marobe iraisam-pirenena miteny frantsay sy anglisy, anisan'izany ny Voice of America Zimbabwe, the Conversation, Okayafrica, Al Jazeera, France 24, Radio France Internationale, , ny ampahany amin'ny teny anglisy an'ny Africanews, BBC Africa, Sky News ary ny rantsana amin'ny fiteny frantsay an'ny Africa 24.  Fanampin'izany, ny SABC News any Afrika Atsimo dia mandrakotra isanandro ny vaovao momba an'i Zimbaboe. Nalefa tamin'ny filazam-baovao tamin'ny fahitalavitry ry zareo ny fanokanana ny Filoham-pirenena Emmerson D. Mnangagwa :

Ny endriky ny fahalalahana maneho hevitra ao Zimbaboe dia olana iray ifantohan'ireo  fikambanana iraisam-pirenena. Ny ady fahefana tsy mitsahatra no mampiavaka ny tontolo ara-politikan'i Zimbaboe, mampiasa stratejia isan-karazany ny antoko eo amin'ny fitondrana mba hitazonana ny fahefany. Araraotin‘ireo mpanao politika ny mpahay mozika mba ho amin'ny tombontsoany manokana, miatrika sivana na fanerena hanohana ny antoko eo amin'ny fitondrana ireo artista, toa an'i Winky D. Heverina ho sahala amin'ny fitaovana iray mahery vaika amin'ny fitaomana ara-politika ny mozika, indrindra amin'ny fisintonana ny tanora.

Tamin'ny taona 2023, nosokajian'ny Reporter Without Borders ho eo amin'ny laharana faha-126 amin'ny firenena 180 i Zimbaboe. Kilasian'ny tatitry ny Freedom House ho sahala amin'ny “afaka amin'ny ampahany” i Zimbaboe, amin'ny alalan'ny fanomezana azy naoty 28 amin'ny 100 noho ny lalàna mifehy ireo media sy ny lalàna mikasika ny fampiasàna ny Aterineto. Tamin'ny 2020 indrindra, ilay mpanoratra malaza sy mpikatroka Tsitsi Dangarembga , ary koa ilay mpikatroka mpiara-miasa aminy Julie Barnes, dia nosamborina raha nanao fihetsiketsehana am-pilaminana sy nitaky ny hanavaozana ny politikan'ny governemanta ary ny hamotsorana ilay mpanao gazety mpanao fanadihadiana Hopewell Chin'ono. Nampangaina ho nihantsy herisetra tamin'ny alalan'ny fanakianana mafy nataony tamin'ny governemanta Zimbaboeana i Chin'ono.

Tahaka izay notaterin'ny Global Voices Civic Media Observatory, hitan'ny fanadihadiana ny lahateny sivika iray tao amin'ny X (Twitter taloha) ireo  lahatsoratra nanindrahindra ny hevitra hoe “Mifanohitra amin'ny fitiavan-tanindrazana ary tsy maintsy saziana” ny fanakianana ny governemanta sy ny ZANU PF ary ny “Manaraka ny ideôlôjian'ny antoko ZANU PF no fomba tokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana.”

Hita taratra ao amin'io ireo fanamby matanjaka ankehitriny atrehan'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny ffifanenjaanana mafy amin'ny lahateny ho an'ny daholobe ao Zimbaboe.

Ny fidirana amin'ny Aterineto tao Zimbaboe dia somary ambany ihany,  34,8 isanjato araka ny tatitry ny DataReportal, izay midika fa manodidina ny 65,2 isanjaton'ny mponina no tavela tsy nahazo aterineto  tamin'ny fiandohan'ny taona 2023. Ny 9,1 isanjato monja amin'ny mponina rehetra no mampiasa mavitrika ny media sosialy, Facebook (mpampiasa 1,3 tapitrisa) sy Linkedin (760 000) no sehatra fampitam-baovao be mpampiasa indrindra. Ny Instagram no manaraka azy ireo (381 700), Facebook Messenger (334 800) ary Twitter (323 200).

Na eo aza ny fisian'ny media isankarazany ao Zimbaboe dia mbola mitohy hatrany ny fanamby maharitra mikasika ny fahalalahana maneho hevitra. Tsy afaka ambara loatra ny maha-zava-dehibe ny fahazoana vaovao marina sy tsy miangatra, satria tena ilaina izany mba hahazoana fahatakarana mitovitovy momba ireo fahavittrihana ara-politika sy ara-tsosialy saro-takarina ao Zimbaboe. Asongadin'izany ny maha-hamehana ny fahamailoana maharitra sy ny fisoloantena, amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny fiarahamonina misokatra, mangarahara ary manaja ny zo fototra hanana fahalalahana maneho hevitra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.