Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Desambra, 2010

Tantara tamin'ny Desambra, 2010

31 Desambra 2010

Kazakhstan: Akon'ny Fihaonamben'ny OSCE

Hatrany amin'ny fisasahan'ny taona 2000 tany i Kazakhstan no efa nikendry fatratra ny hitarika ny Fikambanam-piaraha-miasa sy Filaminana ao Eraopa, na OSCE, fikambanana iraisam-pirenena isan'ny lehibe indrindra mpandàla ny demaokrasia eo amin'io kaontinanta io. Betsaka tamin'ireo firenena mpikambana no nanatsiny ilay fikasana noho ny faharatsian'ny fanajàna zon'olombelona misy any Kazakhstan.

Afrika: Tsy mampandroso an'i Afrika ny rafi-panabeazana ara-dalàna

Miteny i Nana fa tsy mampandroso an'i Afrika ny rafi-panabeazana ara-dalàna: “Aoka hiaiky an'izany isika – ny rafi-panabeazana ara-dalàna any Ghana sy ny ankamaroany aty Afrika dia voarafitra hanabeazana ny tanora hahay hamaky teny sy hanoratra, izay ihany.”

29 Desambra 2010

Wikileaks, Thaileaks, Indoleaks, Pinoyleaks

Misy dikamitovy (clones) nalaina avy amin'ny Wikileaks any Azia Atsimo Atsinanana: Thaileaks avy ao Thailand, Indoleaks ao Indonesia ary PinoyLeaks avy any Philippines. Ireo vohikala ireo dia natsangana : novelomina indray tamin'ity volana ity ho fanohanana ny asa natomboky ny Wikileaks ary hamoahana ny antontan-taratasy tsiambaratelon'ny governemanta any amin'ny fireneny...

28 Desambra 2010

Okraina: Rà tao amin'ny Parlemanta

Ny 16 Desambra, dia nisy ady nangotraka nipoaka (ENG) tao amin'ny Parlemanta Okraniana, izay nahatonga mpanao lalàna efatra farafahakeliny naiditra hopitaly noho ny ratra goavana. Mandinika ny bilaogy sy Twitter i Tetyana Bohdanova mikasika ny fihetsehan'ny vahoaka Okrainiana sy ireo mpanao politika.

Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa

Toniziana tsy an'asa iray no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy. Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana...

27 Desambra 2010

Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

Midika hoe 'mody an-trano' ny Krismasy ho an'ny olona maro - nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay...

Sodàna: fialan-tsasatra mahafinaritra sy fitsapa-kevi-bahoaka feno filaminana

Ireto misy sombina lahatsoratra farany amin'ny bilaogy mikasika ny Fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny fahaleovan-tenan'i Sodany Tatsimo. Raha ny hevitry ny fifanarhana Naivasha tamin'ny 2005 eo amin'ny governemanta afovoany any Sodany sy ny Hetsika Liberasion'ny Vahoaka any Sodany, hanao fitsapa-kevi-bahoaka i Sodany Atsimo ny amin'ny hijanonana na tsy ho faritr'i Sodany amin'ny 9...

Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?

Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso...

25 Desambra 2010

Nepal: Mpanao gazety notafihana noho ny fanaovana tatitra iraisam-pirenena

GV Mpisolovava

Shreedeep Rayamajhi, mpanao gazety Nepale dia sady mpanao gazety no mpitoraka bilaogy matihanina, manoratra ho ana Fikambanana Fampahalalam-baovao iraisam-pirenena toy ny GroundReport sy ny  CNN's iReport.  Rayamajhi dia manoratra ihany koa ho ana gazety an-tsoratra manana ny lanjany ao an-toerana ihany, toy ny ‘the Nepal Travellers Publication’, sady miasa ho...

Oman: Sàngany amin'ny fitorahana bilaogy no mitantara ny aminy

Ny bilaogy ao Oman, tahaka ny any an-kafa aty amin'ny faritra, dia tsy malaza loatra miohatra amin'ny toeram-pifanakalozan-dresaka (forum) amin0ny aterineto, saingy nisy fitoboroboany kosa ny fitorahana bilaogy tato anatin'ny taona vitsy. Global Voices dia nitafatafa tamin'i Muawiyah Alrawahi, tanora iray mpitoraka bilaogy namporisika ny Omanis (ilazàna ny olona avy...