Tantara tamin'ny Avrily, 2020
Taratasim-baovaon'ny RV: Topimaso amin'ny hamaroan'ireo sary mahatsikaiky atao amin'ny tenindreny
Ny gazetin'ny Rising Voices dia manome rohy mankany amin'ireo hetsika mila araraotina momba ny fampiatiana nomerika, anatin'izany ny fidirana sy ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika, ary koa ireo fomba hafa sy hetsika hahafahan'ireo vondrompiarahamonina mandray anjara feno aty anaty aterineto.
Hiadiana amin'ny COVID-19 ao Myanmar, antso iray hampitsaharana ny ady sy ny fanapahana aterineto ao amin'ny faritra Arakan
"Mandritra ilay valanaretina erantany, ilaintsika ny mampitsahatra ny ady sy ny fanapahana aterineto mba hiadiana amin'ny COVID-19 ao Rakhine."
Mahazo tohana avy amin'ny Fiangonana Ortôdôksa Rosiana ireo vondrona manohitra ny vaksiny any Balkana
Arovan'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ny zon'ireo Ray aman-Dreny hisafidy ny tsy hanao vaksiny ny zanany.
Mazan-doha manohy mamono biby marobe atao fanatitra ho an'Andriamanitra ny ao Nepal
Mbola tsy afaka ilay fomba fanao, na teo aza ny antso avo erantany manohitra ny fanaovana sorona biby ao Nepal.
Lahatsary vaovao ahitàna taratra ny anton'ireo fanafihana any avaratr'i Môzambika
Noraketina an-tsary avy tao amin'ny vohitr'i Ntchinga, asehon'ilay lahatsary ireo mpanafika milanja ny sainan'ny fanjakana islamika ary ny mpitarika iray miresaka amin'ny mponina ao an-toerana amin'ny fiteny Kimwan sy Kiswahili, mitangorona toy ny manatrika famoriana vahoaka.
Rosiàna mihiboka (mamerina) mamorona asakanto malaza ety anaty aterineto
Hafaliana tsy omby tratra ny an'ny RuNet, nahita Rosiàna an'arivony maro namerina namokatra ireo asakanto malaza tamin'ny alàlan'ireo fitaovana tsotra fampiasa andavanandro ao an-tokantrano - tamin'ny fomba mahatsikaiky sy indraindray hafahafa.
Ao Kolombia, mitombo ireo hetsika fiaraha-mientana mandritra ny valanaretina maneran-tany COVID-19
Saika ny antsasaky ny mponina ao Kolombia dia miankina amin'ny asa tsy ara-dalàna avokoa.
Mahomby amin'ny fanakànana an'ireo media mpandàla an'i Pékin ve ny lalàna manohitra ny fitsofohana an-tsokosoko ao Taïwan ?
Nilaza ireo trano mpamoaka vaovao mpomba an'i Pékin fa mety handao ny tsena ao Taiwan ry zareo ho fanoherany ilay lalàna miady amin'ny fitsofohana an-tsokosoko nataon'i Taiwan
Na an-tsesitany aza, mbola mitoetra anatin'ny pôlitika bôliviàna ny dindon'i Evo Morales
Morales no tondroina ho atidoha ao ambadiky ny fanendrena an'i Luis Arce, ilay minisitry ny toekarena teo aloha, ho solontenan'ny MAS amin'ny fifidianana izay ho filohampirenena ho atao tsy hoe ela.
Raha olana ny vaovao tsy marina any Tonizia, tsy vahaolana ny fanamelohana( bebe kokoa) ny fitenenana
Nampandamoka ilay volavolan-dalàna nampiady hevitra mikendry ny hanameloka ny fanelezana " vaovao tsy marina " an-tserasera ireo olompirenena sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona.