Tantara misongadina tamin'ny Avrily 2013
Tantara tamin'ny Avrily, 2013
Manao Tolo-dalàna Handrara Ny Fanalanjaza Ny Mpanao Lalàna Okraniana
Tany am-piandohan'ny volana Aprily, parlemantera 3 n'ny antoko mpanohitra "Svoboda" ["Fahafahana"] no nametraka volavolan-dalàna mety handraràna ny fanalan-jaza any Okraina. Tetyana Bohdanova mitatitra ireo fanehoankevitra ao amin'ny aterineto mikasika io tolo-dalàna io.
Mampanahy ny Hoavin'ny Trano Famakiam-Pokonolona Ao Porto Rikô
Miavaka ny Trano Famakiam-bokim-pokonolona San Juan, ao Porto Riko. Tsy mba manana kolontsaina momba ny trano famakiam-boky ho an'ny daholobe sy ny vondrom-piarahamonina ity nosy ity, satria natokana ho an'ireo mpikambana amin'ny toerana tahaka ny oniversite ny ankamaroan'ny trano famakiam-boky. Amin'ireo trano famakiam-boky misokatra ho an'ny daholobe, vitsy ireo azon'ny mpamaky boky...
Lasa Nifanandrina ny Football sy ny Labiera ao Panama
Football sy labiera, zava-droa tian'ny Panameana indrindra, no lasa nifandona rehefa nalain'ny orinasa mpamokatra labiera Baru-Panamá [es] ny kaonty bankin'ny Federasiona Panameana Football (FEPAFUT), itakiany onitra $7 tapitrisa dolara amerikana noho ny fanapahana fifanarahana. Nitatitra toy izao i Cocoas [es] tamin'ny 25 Avrily 2013: No malas, son terribles noticias para la Federación Panameña de Fútbol que hoy tiró...
Nampidirina Anaty Fandaharam-pampianarana An-tsekoly Any Singaporo Ny Fikarakarana Ny Biby
Vaovao tsara ho an'ireo olona tia biby. Nanamafy ny Minisitry ny fampianarana any Singaporo fa ampidirina amin'ny fandaharam-pampianarana vaovao anaty 'Taranja Toetra sy ny Maha-olom-pirenena' ho an'ny mpianatra amin'ny sekoly fototra sy ambaratonga faharoa ny fikarakarana ny biby.
Fivoriana Manohitra Ny Fankahalàna Hanosehana ny Fanavakavaham-Bolonkoditra Mihamanjaka ao Sri Lanka
Miomana ny hivory ao an-drenivohitra Colombo ny andron'ny 28 avrily ny mpikatroka manohitra ny fankahalana. Niaina fanafihana maherisetra misingatsingana sy kabary fankahalàna vondron'olona vitsy an'isa ny firenena tao ho ao. Tonga roa herinandro monja taorian'ny fiaretan-tory amin-dabozia nataon'ireo olona nijoro teo ivelan'ny biraon'ny Bodu Bala Sena (na Herin'ny Tanjaky ny...
Niakatra Ny Tahan'ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika
Violeta, tovovavy mpianatra 18 taona no hita faty [es] tao amin'ny làlan-tany ao amin'ny Faritra Chiapas, nahitana dian-dratra ny vatany. Nandritra izany ihany, tao amin'ny Faritra Guanajuato, fatim-behivavy iray antsoina hoe Olga no hita [es] nalevina ny tapan'ny vatany ary rakotra sokay. Toa nokendaina izy. Roa amin'ireo lasibatra manoloana ny fihanaky ny herisetra arahina...
Mbola Manafika Ireo Mpitarika Ao Amin'ny “Rahalahy” Afghana
20 volana eo sisa dia hiala ny tafiky ny OTAN, mpitandro ny filaminana sy miaramila misahana andraikitra lehibe ara-piarovana ao Afganistana. Na dia izany, manjaka sahady ny tahotra fa mety hitombo ny herisetra ao amin'ny firenena amin'izao fanalana ny tafika vahiny amin'ny fiafaran'ny taona 2014 izao. Araka ny hita tamin'ny...
Tsy Misy Fakàn-tsary? Tsy Misy Olana. Mamorona Lahatsary Amin'ny Fiteninao Manokana
Noho ny fitaovana vaovao ao amiin'ny habaka Tetikasa Momba ny Fiteny Andalam-pahaverezana (Endangered Languages Project (ELP), afaka mitondra ny anjara birikiny ao amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny famelomana indray ny fiteniny andalam-pahaverezana ireo mpiaro fiteny tsy manana fakàn-tsary nomerika. Ahafahan'ireo mpampiasa azy mamorona media an'olo-tsotra ho azy manokana amin'ny alalan'ny fandraketana lahatsary...
Boky Mampihomehy Iray Mitantara Maherifo, Miaraka Amin'ny Hanitra Kyrgyz
Hahazo boky mampihomehy tsy ho ela sy horonantsarinà sarimiaina lalaovin'ny mpilalao fototra "nasionaly" Barsbek ireo mpankafy ilay Kyrgyz maherifo malaza. Fa misy kosa ireo mpampiasa aterineto izay miaro ny heviny fa toa mitovy loatra amin'i Spider-man ilay maherifon'i Azia Afovoany.
“Ny Daroka Drôna No Endrika Ahafantarana An'i Etazonia Any Yemen”
Nijoro vavolombelona teo anatrehan'ny Senat Amerikana ny Yemenita iray, 22 taona, Farea Almuslimi, nandritra ny fotoam-pihainoana mikasika ady miafin'ny Amerikana ampiasàny drôna ka nanome fijoroana vavolombelona mahery vaika. Avy any amin'ny tanànan'i Wessab ity mpikatroka mafàna fo sady mpanao gazety ity, tanàna niharan'ny daroka drôna Amerikana tamin'ny 18 Aprily 2013 teo.