Tantara misongadina tamin'ny Septambra 2019
Tantara tamin'ny Septambra, 2019
Fantaro i Belinda Daniels, hampiatrano ny kaonty Twitter @NativeLangsTech amin'ny 26 Septambra – 2 Oktobra
Andao hofantarintsika ny momba an'i Belinda Daniels, hampiatrano ny kaonty Twitter @NativeLangsTechTwitter mandritra ny herinandron'ny 26 septambra ka hatramin'ny 2 ôktôbra. Hozarainy amintsika ny fijeriny ny fiteny Cree.
Kambodza: Volavolan-dalàna iray mamono ny fahalalahan'ny Aterineto
Ireo mpanao Aterineto Kambodziana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona dia manameloka ny volavolan-dalàna iray hiadiana amin'ny heloka an-tserasera ahitàna ireo fepetra izay mety hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra.
Torolalana Fanoratana volana Janoary: Andeha Hankalaza ny Fiainana sy ny Asan'i David Bowie amin'ny sioka
Mamaritra an'i Bowie ho toy ny "iray amin'ireo mpiangaly mozika be mpitia indrindra tamin'ny androny" ny BBC. Betsaka tao amin'ny Twitter no nizara izany fihetseham-po izany ary nandefa sioka tamin'ny fo hatramin'ny nanambaran'ny fianakaviany ny vaovao tao amin'ny kaonty media sosialy ofisialin'ny mpihira, anisan'izany ny Twitter:
Tsy resy lahatra tamin'ny tatitra nataon'ny BBC momba ireo Venezoeliana mpitsoa-ponenana ny governemanta ao Trinite sy Tobago
Tsy nankasitrahan'ny mponina tany an-toerana firy ny tatitra iray nataon'ny BBC momba ny mpifindra monina Venezoeliana tany Trinite sy Tobago. Maro no mahatsapa fa tsy mampiseho ny tena zava-misy marina momba ny toe-draharaha ny tatitra.
Miangavy ny Twitter ny governemanta Indiana mba hanala an'ireo tatitra “manely tsaho” mikasika an'i Kashmir
Tohin'ny fahasimban'ny fifandraisana ao Kashmir anatiny, nampiasain'ireo mpanao Aterineto avy any ivelany ny Twitter mba hanohitra ny fanafoanan'i India ny zo fizakan-tenan'ny faritra.
Tatitry ny mpisera (Netizen Report) : Henjehin'i Shina amin'ny sivana mitsitapitapy ireo mpampiasa aterineto
Ao anatin'ity tatitra isankerinandro ity, resahana i Shina, ireo Iraniàna mpampiasa Facebook mety hizaka sazy mavesatra any am-ponja, i Google miverina amin'ny fanapahankeviny momba ilay politikan'ny maripamantarana ary sehatra maro isankarazany ao anaty fiarahamonina mitambatra any Tiorkia mba hanohitra ny sivana.
Mikarakara elefanta kamboty ao Myanmar
Tandindonin-doza noho ny fihazàna azy ireo elefanta dia ao Myanmar; mihazakazaka be ny famonoana azy ireo, iray isankerinandro.
Olona folo no maty tany Mozambika nandritra ny fihetsiketsehan'ny FRELIMO
Nitranga tao an-kianjan'ny 25 Jona izany rehetra izany, tao an-tanàndehiben'i Nampula, any avaratr'i Mozambika. Araka ny fantatra dia maro ireo mpikambana ao amin'ny antoko Frelimo no nanapa-kevitra ny hivoaka ny vavahady tokana nisy tamin'io fotoana io rehefa tapitra ny fihetsiketsehana nataon'i Nyusi.
Topi-maso momba ireo fitokonana amin'ny toetr'andro manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana
Maro ireo hetsika nokarakaraina manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 septambra 2019 ho fanohanana ny Global Climate Strike (Fitokonana momba ny Toetrandro Manerantany).
Nahenan'i Kambodza ny isan'ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe mba hisarihana asa saingy mampanahy ny mpikatroka ho manimba ny demokrasia izany
"Maneho ny tsy fahavononan'ny governemanta hampiroborobo intsony ny demokrasia ny fanesorana ny Andro Fifanarahana ho amin'ny Fandriampahalemana tany Paris sy ny Andro ho an'ny Zon'olombelona amin'ny lisitry ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe ."