Tantara misongadina tamin'ny Febroary 2014
Tantara tamin'ny Febroary, 2014
Sary “Photoshop”n'ilay Mpikorisa An-dranomandry Koreana Atsimo Yuna Kim Voalaza Fa Nangalarana Medaily Volamenan'i Sochi
Mpikorisa an-dranomandry Rosiana Adelina Sotnikova no nahazo ny medaily volamena tamin'ny fifaninanana fikorisana an-dranomandry hoan'ny vehivavy, saingy tsy ny Koreana Atsimo ihany no tsy natoky izany voka-dalaoa izany fa maro
Ankona Sy Mitsiriritra Eo Ampijerena An'i Okraina I Iran
nahatsiahy ny revolisiona nikarakarana fihetsiketsehana goavana indray mandeha tamin'ny 2009 ho fanoherana ny fitondrana ao amin'izy ireo izay tsy nahomby tao amin'izy ireo kosa ny Iraniana.
Mitendry Aho, Avy Eo Manoratra Amin'ny Tenim-paritra
Manerantany, tsy hita ao anatin'ny tontolon'ny teknolojia sy ny finday ny teny ifandraisana (lingua franca) sy ny tenim-paritra izay be mpiteny indrindra noho ny teny ofisialy
Nipoahan'ny Baomba Fanindroany Ny Tranon'ny Lehiben'ny Mpanohitra Zimbaboeana Tendai Biti
Nisy nanapoaka baomba ny tranon'ny minisitry ny Teti-bola teo aloha tao Zimbaboe, Tendai Biti ny marainan'ny 25 Febroary 2014, araka ny nambaran'ireo mpiserasera Twitter sy trano fampahalalam-baovao
Hetsi-panoherana Tany Venezoela : Maty Voaatifitra Teo Amin'ny Lohany Ilay Mpanjakavavin'ny Hatsarana
Maty noho ny ratran'ny tifitra nahazo azy tamin'ny lohany i Genesis Carmona. Izy no olona niharan'ny herisetra farany amin'ilay hetsi-panoherana ao amin'ny firenena.
Lalao Olaimpikan'ny Ririnina Any Sochi
Niresaka momba ny Lalao Olaimpikain'ny Ririnina faha 22 mialoha ny hanombohan'ny lalao tamin'ny 7 Febroary 2014 ny aterineto Rosiana. Fantatray tamin'ny alàlan'ireo mpitoraka bilaogy Rosiana izao fa ity no lalao Olaimpika lafo indrindra teo amin'ny tantara. Tsy gaga izahay raha toa ka niala ny iray amin'ireo boribory dimy famantarana ny...
Lozam-Piaramanidina Tany Nepal : Maty Daholo ireo Mpandeha 18
Betsaka ny lozam-piaramanidina ao amin'ny fitaterana an'habakabaka Nepale tao anatin'ny taona vitsivitsy, fianjerana fiaramanidina mahatsiravina roa isan-taona no hita nanomboka tamin'ny 2010 ka hatramin'ny 2012.
Eny An'Habakabaka Ny Fitiavana
Nankalaza ny Andron'ny Mpifankatia ireo mpifankatia mihoa-pefy any Azia Afovoany na dia nisy aza ny fanakanana. Nameno ny toerana fijerena sarimihetsika tany Shanghai ireo tsy manan'olon-tiana mba hisomparana ireo mifamotoana ny 14 Febroary. Nizara ny sasany amin'ireo hiram-pitiavana ankafiziny ny ekipanay avy any Karaiba. Ary izahay ato amin'ny Global Voices...
Gregorio Jiménez de la Cruz , Mpanao Gazety Iray Maty Tany Meksika
Fasana nafenina no niafaran'ilay mpanao gazety Meksikana Gregorio Jiménez de la Cruz. Mbola tsy tonga any amin'ny fitsarana ireo namono azy.
Brezila : Lahatsary Mananihany Nosivanin'ny Rede Globo
Nahita fahombiazana be "Ilay lahatsary tsy tian'ny Globo ho hitanareo", izay anehoan'i Rafucko (breziliana mpanao gazety amin'ny endriny mananihany) amin'ny fomba mahatsikaiky ny heveriny ho fandrakofan'ny fantsom-pahitalavitra Rede Globo ireo hetsi-panoherana nampihovitrovitra an'i Brezila.