Tantara misongadina tamin'ny Jolay 2023
Tantara tamin'ny Jolay, 2023
Nanatevin-daharana ny birao filankevi-pitantanan'ny Global Voices i Lokman Tsui
Nanatevin-daharana ny birao i Lokman, mpikambana efa hatry ny ela tato amin'ny vondrom-piarahamonina GV rehefa niala i Nani Jansen Reventlow.
Fitazonana maharitra mpikatroka iray, niteraka hatezerana tao Angola
Anisany antony fampiatoana ny sazin'i Tanaice Neutro ny tsy fahasalamany sy ny maha-samabny nanaovany heloka - saingy tsy nampiharina velively ity fanapahankevitry ny fitsaràna ity.
Andrandraina hampiroborobo fizahantany ny hanarenana indray ireo sambo-trano anjato taonany ao amin'ny Farihin'i Dal ao Kashmir
Nankasitrahan'ny rehetra ny fanapahan-kevitry ny governemanta vao haingana hanaisotra ny fandraràna hanavao tanteraka sy famerenana amin'ny laoniny ny ati-tranon'ireo sambo-trano rehetra efa mihoatra ny zato taona nisiana ao Kashmir.
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #04
Ato anatin'ny fizaràna “Les mots ont la parole - An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireto voambolana na fomba fiteny telo ireto: Macho, avy amin'ny espaniôla; 麻甩 amin'ny cantonais ; ary Chique fiteny pôrtiogey ao Brezila.
Misongadina ho sehatra farany ao Kambodza “noana vaovao” ny Kamnotra
Nisy vohikala vaovao natsangan'ny Cambodian Center for Media Independent (CCIM na Foibe Kambodziana ho amin'ny Fampitam-baovao Mahaleotena) ao anatin'ny fanakatonana an-katerena ireo fampahalalam-baovao tsy miankina sy ny fandravana ireo habaka sivily ao Kambodza.
Mialoha ny fifidianana, manolo-tena hiaro ny zo nomerika ireo antoko politika ao Tailandy
"Mialohan'ny fifidianana ho avy ao Tailandy, nanolo-tena hankato sy hampiditra ny fiarovana ny zo nomerika ao anatin'ny diarin-dry zareo ireo antoko politika".
Mitsonika haingana kokoa noho ny nieritreretana azy ny ranomandry ao Himalaya
Maminavina ny fanadihadiana nivoaka vao haingana fa mety hamoy hatramin'ny 80 isanjaton'ny ranomandriny i Himalayas amin'ity taonjato ity, ary hisy fiantraikany amin'ny olona miisa roa lavitrisa mipetraka any amin'ny firenena ambanin'i Azia izany.
Ny farany havanana vaovao ao amin'ny media sosialy Tiorka sy ireo teny mamely ny mpitsoa-ponenana
Manomboka amin'ny fanambarana fanavakavaham-bolon-koditra ampahibemaso ataon'ireo mpitarika ara-politika farany havanana ka hatramin'ny filazana fa mampiely vaovao tsy marina handrisihana herisetra ny masoivohom-baovao, ataon'ny media sosialy tsy azo antoka ny fiainana ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Tiorka.
Ny nahatonga ahy nanamavo ny fitenin-dreniko nony farany tao Okraina
Tamin'ny 2022, saika ireo olona rehetra ao Okraina no nahazo toky hoe manankarena, malefaka ary manaitaitra ny fiteny okrainiàna. Nahita ny toerany tao amin'ny fireneny ihany nony farany ilay fiteny notsinontsinoavina hatry ny ela
Ary avy eo tsy nisy — ny fomba nanjavonan'ireo antoko politika ao Azerbaijan
Niady ela tao Azerbaijan ny antoko politika mpanohitra, niatrika fisamborana, fanagadrana, olana ara-bola, na fanenjehana ny mpikambana ao aminy, raha tsy hilaza afa-tsy ny sasany.