Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Septambra, 2008

Tantara tamin'ny Septambra, 2008

Ejipta: Jiolahin-tserasera manao Jihad (na sovoka anaovana jihad)

  27 Septambra 2008

Mihanaka avy eny an-tokontany hiditra amin'ny tontolo viritoaly ve ny Jihad ? Soratan'ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Marwa Rakha eto (sy eto) ny fahatongavan'ny adihevitra mandeha eo amin'ny vondrona lahika sy Isilamika ao Ejipta amin'izao fotoana izao. Manoratra ary izy: It is no big secret that the number of Egyptians who believe...

Pakistana: “Fa maninona Rakoto no tsy raharahan'ny Google izahay?”

  26 Septambra 2008

Ampiasain'ny Karana ho sehatra itarainana ny bolongana rehefa niresaka manodidina ny fitongilanan'ny haitaon'ilay goavana Google ry zareo. Ny miteraka adihevitra eto dia ny Google Doodles (soritsoritra google) ho an'i Pakistan. Google Doodles moa no anaran'ireny kisarisary asehon'i Google tsindraindray rehefa amin'ny fotoan-dehibe ireny. Mankalaza sy manome voninahitra ny ankamaroan'ireny fety...

Madagasikara : Ny Blaogiko sy Izaho

  24 Septambra 2008

Vao nanokatra blaogy vaovao ny namana Andry Rakotoniaina Andriatahiana izay monina any Madagasikara. Ambarany ho “mpanara-maso ny tontolon'ny Aterineto” ny tenany [the cyber observer]: My name is Andry Rakotoniaina Andriatahiana and I am Malagasy. I am a lawyer, more specifically I work as a legal counsel for an International business...

Oganda : Apela iray faly

  24 Septambra 2008

Glenna Gordon, ao amin'ny blaoginy Scarlett Lion manapariaka sarin’ “apela iray faly” (toran'ny hehy eo am-pivoizana ny milina fanjairana) nalainy tany Gulu, any Oganda.

Madagasikara : Eny an-dalambe eny

  24 Septambra 2008

Tantarain'ny namana Ariniaina ao amin'ny Dago Tiako ny andavan'andron'ny fiainana manamorona ny arabe any Antananarivo, any Madagasikara : Suddenly, you notice lots of people making a circle. You think there must be an accident. You come nearer to se what’s going on. In the middle of the circle, there is...

Tohin

Ekoatera: Ny fiarovana ny valalabemandry

  23 Septambra 2008

Ny fahasarotam-piaianana any Ekoatera no iray amin'ny lazaina ho anton'ny fiakaran'ny halatra sy ny vono olona ao amin'ny firenena. Ny ankamaroan'izany fandikan-dalàna izany moa diaataon'ireo tsy an'asa izay tsy maintsy mitady ny fomba hahazoany hanina mba sitrany ahay velona aloha ka ny fomba ataony dia ny mangalatra na ny mamono olona. Sarotra ho an'ny olo-tsotra ihany ny hiaina anaty tsy fandriampahalemana ka mamoaka ny eritreriny ihany koa ny mpamaham-bolongana.

Shina: Misedra olana ny “Vita avy any Shina”

  23 Septambra 2008

Tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny hatezerana vokatr’ilay vovo-dronono voapoizina. Ankoatry Sanlu (三鹿), ny fandraharahàna ankapobeny misahana ny fanaraha-maso ny kalitao, ny Fitsirihana ary ny Fisorohana eto amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Shina koa (國家質檢總局) dia nampahafantra tamin’ny 16 septambra fa ampahadimin’ny mpamokatra vovo-dronono natao ho an’ny zazakely eto amin’ny firenena no voarohirohy amin’ilay...

Singapaora: Voarara ny ronono shinoa

  21 Septambra 2008

Nahitana melamina , ilay fangaro namparary sy nahafaty zaza tany Shina, ihany koa ilay marika ronono holandey any Singapaora. Voarara any Singapaora moa ankehitriny ny ronono avy any Shina. Nosoratan'ny mpamaham-bolongana iray : “Ho porofon'ny fifandraisan'izao tontolo izao sy ny fiafaran'ny sakafo amin'izao fotoana izao, dia efa niitatra tafavoaka an'i Shina...