Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Janoary, 2012

Tantara tamin'ny Janoary, 2012

31 Janoary 2012

Karaiba: Misaotra anao ry Dr. King

Anio faha 16 Janoary 2012 izay andron'i Martin Luther King Jr no ankalazan'i Etazonia ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny lehiben'ny vondrona mpitandro ny zon'olombelona. Nandray anjara tamin'izany ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba any an-tanindrazana sy any am-pielezana...

Hongria: “Orbán No Nofidianay Fa Tsy i Goldman Sachs”

Taorian'ny hetsika maromaro nanoherana ny politikan'ny fitondrana dia nanapa-kevitra ny hanao fihetsiketsehana ihany koa ny Hongroà mpanohana ny fitondrana tamin'ny Asabotsy lasa teo. Mitatitra ho antsika i Marietta Le.

30 Janoary 2012

Gresy: “Nosoniaviko Tsy Nasiana Famakiana Akory Ilay Memorandum Avy Amin'ny FMI”

Ireo Grika mpiondana aterineto dia nanakiana sy nanaraby ny fanambaran'ny Minisitra Chrysochoidis hoe tsy namaky velively ilay memorandum avy amin'ny FMI izay nosoniavin'ny governemanta Grika izy, na dia nifidy sy nandany azy io aza izy. Mitatitra i Veroniki Krikoni.

Arabia Saodita : Fianakaviana Iray Monina Aminà Toeram-pandevenana

Voavonjy tamin'ny fahantrana sy tsy fananana toeram-ponenana ny fianakaviana Saodiana iray noho ny lahatsary iray maharitra telo minitra novokarin'i Bader AlHomoud, tanora Saodiana iray mpamokatra sarimihetsika. Haifa Al Rasheed no miteny amintsika momba io lahatsary mampihetsi-po io.

Singapore: Kolikoly Manafintohina

Nandritra ny taombavaovao Sinoa, nipoaka ny vaovao fa ny lehiben'ny Tafi-piarovana Sivily (SCDF) sy ny Foibe misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina (CNB) dia  nanaovan'ny Birao Miady amin'ny Kolikoly (CPIB) fanadihadiana. Niteraka resabe momba ny kolikoly tao amina firenena  voasokajy hatrany ho anisan'ny firenena iray manerantany manana taha ambany indrindra amin'ny resaka kolikoly izany....

Shina: Tsy Mahataitra Ny Fanapahan-kevitry Ny Twitter Hanivan-tena

Nanambra ny Twitter tamin'ity herinandro ity fa, ho fitsinjovana ny tombotsoan'ny daholobe, nanapa-kevita ny hanomboka hanivana ireo fampahalalana voarara any amin'ireo fivarotana samihafa izay ananan'ny orinasa mpampiasa azy izy. Any Shina anefa, izay efa voasakana efa mihoatra ny roa taona ny Twitter, mbola maro ireo mpampiasa no mbola mitsidika io...

Okraina: Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko

" Sariaka, manantalenta, ary manana ny maha-izy azy izy. Olona sahy sedra, feno fahalalàna sy fitadidiana," hoy ny nosoratan'i Olya Suprun momba ny renibeny izay eo ho eo amin'ny 75 taona eo, ary zaraina ao amin'ny bolongana antsoina hoe "Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko" izay bolongana nahazo loka. Mitatitra ho antsika...

29 Janoary 2012

Afrika : Valisoa sy Hadisoam-panantenana Amin'ny CAN2012

Any Afrika ary hatrany an-toeran-kafa mihitsy, angonin'ny baolina kitra hanodidina ny ekipam-pirenena iray ny olona. Ao anatin'ny fientanentana manodidina ny CAN2012, misy teboka roa mahasarika ny sain'ireo bilaogera. Ny voalohany, dia ny tsy fisian'ireo firenena vaventy mahazatra amin'ny resaka baolina kitra afrikana..

Afrika : CAN 2012, Fihodinana Voalohany Feno Zava-tsy Nampoizina

Nitahiry zava-tsy nampoizina maro ho an'ireo firenena sangany toa an'i Sénégal sy Maraoka ny fihodinana voalohan'ny CAN 2012, efa nihintsana sahady. Ireo mpiondana aterineto aty Afrika dia naneho hevitra momba ireny vokatra ireny izay nahaliana ny rehetra nanerana ny kaontinanta.

Gresy: Fomban-drazana Sy Fomba Amam-panao Amin'ny “Andron'ny Hazavana”

Ny "Epiphany" na "Theophany" dia ny fotoana ankalazan'ny Kristiana Tatsinana ny nanaovam-batisa an'i Jesosy tao amin'ny Ony Jordana, noraisina ho ny fotoana nisehoan'ny maha-Zanak'Andriamanitra azy teto amin'izao tontolo izao. Ao Gresy, ny 6 Janoary no andro nolovaina tamin'ny razany, ary fantatra amin'ny hoe Phota ("hazavana"). Ndeha hiaraka aminay hanao fitsidihana...