Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Septambra, 2007

Tantara tamin'ny Septambra, 2007

29 Septambra 2007

Ogandà : Miverina amin'ireo tondra-drano be ny mpiblaogy

Tena nataon'ny mpiblaogy Ogande ho vain-dohan-draharaha nandritra iny tapa-bolana lasa iny ny mitantara ireo tondra-drano be izay nianjady tamin'ny faritry Afrika ambanin'i Sahara. Tena isan'ny voa mafy tamin'izany tondra-drano izany tokoa mantsy ny faritra Avaratra sy Atsinanan'i Oganda, ka olona 250 no namoy ny ainy ary mihoatry ny 150'000 ireo...

Myanmar: Mifampitifitra ny miaramila

Nametraka rohy milaza ny vaovao avy any Myanmar i Yangon Thu (avy tamin'i Mizimma ao Birmanie na Myanmar ihany) fa misy mifampitifitra ny samy ao amin'ny tafika. Voalaza koa fa misy andia-tafika avy ao afovoan'i Myanmar sy avy any atsimo atsinanana no mizotra ho any Rangoon renivohitra. Mihabetsaka ny tsaho...

Myanmar: Niverina tao Mandalay ny tafika

DVB.no [Birman] no nitoraka vaovao [ny 27 septambra 2007] momba ireo miaramila ao amin’ny vondrotafika  faha 33 izay mbola nahafahan’ny mpitokamonina hanohy ny fihetsiketsehana tao Mandalay, tanàna lehibe faharoa ao Birmanie. Vaovaon’ny 27 sept efa eo an-toerana ao Mandalay ny vondrotafika faha 33. Misy miaramila vitsivitsy ao amin’ny vondrotafika faha...

28 Septambra 2007

Japàna: Mpaka saringajety Japoney maty tany Myanmar

Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 27 Septambra, dia maty noho ny tifitra ny mpaka saringajety Nagai Kenji raha mbola teo am-panaovana ny asany izy ka nitatitra ireo zava-mitranga any Myanmar. Tamin'ny voalohany aloha ny tatitra dia nanambara fa mety ho « bala tsinahy » no nahakasika an'i Nagai, raha nanomboka nitifitra...

Myanmar vao hanakoako

Mampitandrina ny mpanao fihetsiketsehana hiala ny arabe ny governemanta ao Myanmar taorian’ny filaharambe tao Yangon omaly. Notarihan’ny mpitoka-monina ny fihetsiketsehana ary mitaky fahafahana sy fanafoanana ny fanondrotam-bidin’entana nolazaina tamin’ity volana ity. Manohana sy mitoraka ny eritreriny ny mpibilaogy.  Mampahatsiahy I Olom-pirenen’I Marsa fa niaina toe-javatra sahala amin’izao ihany koa ny...

Myanmar ny andron'ny 26 septambra

Namoaka sarimihetsika roa ilay mpampiasa YouTube dennisbier09 ary nanoratra : Ny sary faharoa dia mampiseho ny mpitoka-monina sy ny olom-pirenena eo ampihetsiketsehana hanoherana ny fitondrana jadon’i Birmania (Myanmar). Nalaina tao an-drenivohitra Yagon (Rangoon) ny alatsinainy 24 septambra 2007 tolakandro tao anaty orana ny sary.   Awzar Thi kosa nanangona ny sarim-pihetsiketsehana...

27 Septambra 2007

Ukraine : Fifidianana ao amin’ny Nosin’ny Menarana

Ny Ukraine List dia hanaramaso ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 30 septambra ho avy izao ao amin’ny nosin’ny Menarana izay ahitana mponina 50 ka hatramin’ny 100, araka ny fomba fanisana azy sy ny faharetany ao. Ny nosin’ny Menarana, ao amin’ny ranomasina Mainty, no ivon’ny fifanolanan’i Ukraine sy Roumanie izay samy...

26 Septambra 2007

Sina : Toeram-pitrandrahana Saribao Ankalamanjana

Ny Bilaogin'i Tempoly Tigra, dia namoaka fanadihadihana mikasika ny toeram-pitrandrahana saribao an-kalamanjana ao Shanbei. Ireo lavaka nateraky fitrandrahana dia nanova tanteraka ny endrik'ilay toerana. Ny tatitra dia amin'ny teny sinoa, saingy mirakitra sary maro samihafa mety hahaliana anao. Oiwan Lam 

Rotaka tany Kampala

Ny blaogy Random Acts of Penmanship[En] dia nametraka tamin'ny aterineto sary maro momba ny rotaka tany Kampala. “Teo am-pisakafoana aho tamin'ny maraina no nahare antson'ny namana iray mampahafantatra ny rotaka ao an-tanàna. Nateliko haingana ny sakafoko ary nirohotra tany an-tanàna aho nanao fanangonam-baovao an-tsary”. Ndesanjo Macha

Mibilaogy amin'ny teny vaovao (Patwa)

Hatramin’ny nanombohan’ny global online conversation no efa niadian-kevitra izay mety ho vokatsoa sy vokadratsy azo avy amin’ny fivoaran’ny haitaom-pampitam-baovao misy ankehitriny manoloana ny karazam-pitenenana rehetra misy. Amin’ny lafiny tsara, ahafahana mifandray sy mifanakalo hevitra hampiroboroboana sy hiarovana ny teny manokana ananan’ny vondrom-bahoakam-paritra ny aterineto. Ny mety haharatsy azy kosa indray...