Tantara misongadina tamin'ny Aogositra 2021
Tantara tamin'ny Aogositra, 2021
Miaro ny tenin-drazan'izy ireo amin'ny fampiasana sarimiaina ireo mpamorona sarimiaina Afrikanina
Fomba iray mahomby hampianarana ireo tanora Afrikanina momba ireo fahaiza-manao sy fiteny izay matetika tsy ampianarina any an-tsekoly ny sarimiaina, satria maro ireo governemanta Afrikanina mampiasa ny fiteny ofisialy hafa no sady tsy manome lanja ny tenin-drazana.
Manome tsiny an'i Azerbaijan noho ny fanitsakitsahana ny fampitsaharana ady i Rosia
Niampanga an'i Azerbaijan ho nanitsakitsaka ny fampitsaharana ady tany Nagorno-Karabakh ny Minisiteran'ny Fiarovana Rosiana satria nitombo hatrany ny fifandonana teo amin'i Armenia sy Azerbaijan.
Lalao Olaimpika: COVID-19 vao mainka nanalalina ny hantsana eo amin'i Amerika Latina sy ireo firenena manankarena
Hatry ny ela ny Lalao Olaimpika no efa sehatra iray fifanandrinam-pirenena. Noporofoin'ireo Lalao ao Tokyo ny fiantraikan'ny valanaretina sy ny krizy ara-toekarena tamin'i Amerika Latina
Tsikerain'ny mpitondra fivavahana amin'ny fomba fitafiny ny ekipa volleyball vehivavy ao amin'ny Olaimpikan'i Tokyo
Nandresy an'i Shina tamin'ny set 3–0 ny ekipan'i Torkia vehivavy amin'ny volleyball, malaza ho "Soltànan'ny Harato," nandritra ny lalao olaimpika tao Tokyo tamin'ny 25 jolay.
Vehivavy nanamontsana ny zavabita tsara indrindra erantany tamin'ny fifaninanana fitsotsorana maka aina ela indrindra tao Montenegro
Taorian'ny 117 ora nitsorany - miato kely rehefa hisaika - zavabaovao iray no tsapan'ilay mpandresy rehefa niala teo: sarotra ny mitsotsotra.
Ampamoahan'ny fitsarana rosiana trosa matevimbe ny orinasa media sosialy lehibe noho ny fanitsakitsahana ny fitsipiky ny famangitana
Takian'ny lalànan'ny famangitana lahatahiry, nolaniana tamin'ny taona 2015, ny orinasan'aterineto rehetra mikirakira lahatahirin'ny mpisera rosiana hitahiry izany lahatahiry izany amin'ny boatin-drakitra (servers) hita maso miorina ao anatin'i Rosia.
Fampahalalam-baovao tsy miankina nampidirina lisitry ny “kasinga vahiny” fanampiny ao Rosia
"Ary amin'ny lisitry ny kasinga vahiny, amin'izao fotoana izao ahitana olona maotina maro dia maro sy ranty toa izany koa ao izay manjary mahamenatra fotsiny izao ny tsy maha-ao anaty lisitra anao."
Ny ratsy ateraky ny sivana mahazatra
Sarina mpanao hetsipanoherana am-pilaminana, tsy mifanaraka amin'ilay fitantaràna izay manohy mandoko ireo mpanao hetsipanoherana ho olona mahery setra, tsy misaina, entin'ny fo.
Ny nahatonga ny toeram-pilomanosana iray ho marika amantarana ny fiovan'ny toetrandro sy ny kolikoly ao Pôrtô Rikô
Lazain'ireo mpitsikera ny dobo filomanosana iray rava nandritra ny tafiotra mahery Maria tamin'ny 2017 fa ho averina haorina indray izy io, na mifanipaka amin'ny fepetra mifehy ny ara-tontolo iainana ao Pôrtô Rikô aza.
Inona no diso amin'ny fampitahana ara-politika an'i Taiwan amin'i Afghanistan?
Taorian'ny fialan'ny tafik'i Etazonia tao Afghanistan, nihazakazaka an-jotra ny Shinoa mpaneho hevitra hanoritsoritra ny fampitahana eo amin'i Taiwan sy i Kabul ao amin'ny media sosialy sy nanontany raha mpiara-dia azo ianteherana i Etazonia.