Tantara tamin'ny Septambra, 2016
Manao Famoriam-bahoaka Hiaro Ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Manokana ny ‘Revolisiona Maroloko’ Makedoniana
Nanambara fihetsiketsehana vaovao nokasaina atao eo anoloan'ny tranoben'ny parlemanta ao Skopje tamin'ny Alatsinainy 28 Septambra ireo mpitarika ao amin'ny "Revolisiona Maroloko", ho fanohanana ny Biraon'ny Mpampanoa lalàna Manokana (SPO).
Vaovao Tsy Tsara Ho An'ny Mahantra Ao Hong Kong Ny ‘Trano Sahaza Ny Moka’
"Mino aho fa tsy olana ara-pahantrana ihany izao, fa olana ara-tsosialy goavana ihany koa.."
Lahatsary Avy Amin'ny Drôna, Mampibaribary Ny Fandoroana Tsy Ara-Dalana Ny Tany Fambolena Voanio Fakàna Menaka Any Indonezia
Lahatsary drôna iray naka sary ny fidadasiky ny fanadiovana ny tany ao andrefan'i Indonezia, izay niteraka zavon-tsetroka nidina tao amin'ny faritra sy ireo firenena manodidina.
Na Dia Nandoro Tena Aza Ny Lehilahy Iray Tao Crimea Mba Hiarovana Ny Trano Fivarotana Kafe An'ny Vadiny, Narodan'ny Fanjakana Ihany Ilay Izy
Tamin'ny herinandro lasa, Alexander Strekalin, 75 taona, efa misotro ronono, no nanondraka solika 'acétone' tao an-damosiny, notselarany afo avy eo, ary nidaraboka teo amorontsirak'i Primorsky izy avy eo. Andro vitsy taorian'izay, maty noho ireo ratra nahazo azy izy.
Zazavavikely Iray 10 Taona Mandresy Lahatra ireo Hery Tandrefana Momba Ny Fandriampahalemana Ao Yemen
Ankizy avokoa ny ampaha-efatr'ireo sivily maty tamin'ny ady tao Yemen.
Manome Antony Tsara Ho An'ireo Japoney Mba Hanoratra Amin'ny Media Sosialy Ny Fiandohan'ny Fararano
Ilay fotoana isantaona rehefa mameno ny Twitter ao Japàna ireo sarinà voninkazo, sakafo, ary saka.
Iron Maiden Sy Ny Hira Vakodrazana Tiorka? Izany No Nanainga Ny Fanahin'ity Kretàna Mpanao Mozika Ity
Ny nosy Krety dia sampanan-dàlana ho an'ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana. Eny no ahitan'ilay mpanao Mozika Stelios Petrakis ny aingam-panahiny.
Fampirantiana Sary ‘Tsy Mahalala Menatra’ Ao Moskoa Nifarana Nialoha Ny Fotoana Noho Ny Fanerena Avy Amin'ny Mpikatroka Mpandala Ny Mahazatra
Nanery ny Foiben'ny Fakantsary Lumiere Mirahalahy avy ao Moskoa mba hanakatona ny fampiratiana ny sarin'i Jock Sturges ireo mpikatroka mpandala ny mahazatra, nilaza fa nandika ny lalàna miady amin'ny sary mamoafadin'ny ankizy ao Rosia ny asany.
Kitendry Namboarina Manokana Ahafahan'ny Mpiteny Yorùbá Sy Igbo Manoratra Amin'ny Fiteniny
"Amin'ity kitendry ity isika mamaha ny olana ara-teknika amin'ny fampiasana ny Yorùbá sy ny Igbo an-tserasera. "
Manoatra Lavitra Noho Ny Lemaka Maitso Any an-Tendrombohitra Ireo ‘Jailoos’ Ao Kyrgyzystan
Tonga soa eto amin'ny toerana iray mahagaga izay andanian'ny vahoaka marobe ao amin'ny firenena iray ao Azia Afovoany ny fahavaratr'izy ireo.