Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mey, 2013

Tantara tamin'ny Mey, 2013

30 Mey 2013

Vary Feno Cadmium Hita Ao Shina

Vary voapoizin'ny metaly mavesatra cadmium, antsoina amin'ny anaram-bositra hoe “vary cadmium” indray no fanafintohinana farany any Shina, miteraka fikoropahana sy fahatezerana eo amin'ny mpanjifa ao amin'ny firenena. Ny sampan-draharaha misahana ny sakafo sy ny fanafody Guangzhou [zh] no nanambara tamin'ny 16 Mey fa ny valo amin'ny santionam-bary 18 notsirihana tamin'ny...

29 Mey 2013

Nolavin'ny Fitondrana Iraniana ny Filatsahan-kofidin'ireo Kandida Roa Tsara Indrindra.

Nanaitra ny maro indray ny fanirian'ny fitondrana islamika hifehy tanteraka ny fiainana ara-politika rehefa nanambara ny nisafidianan'ity farany ireo kandidà valo monja afaka mifaninana hofidiana ho filoham-pirenena tao anatin'ireo 600 nisoratra anarana tamim-panantenana.

Tranonkala Sosialy Shinoa Miaro Ny Filoha Lefitra Amerikana Amin'ireo Fanehoan-kevitra Mikasika An'i Shina

Niatrika tsikera mamaivay avy amin'ny mpianatra iraisam-pirenena Shinoa ny Filoha Lefitry ny Firenena Amerikana Joe Biden taorian'ny niantsoany an'i Shina ho firenena tsy afaka "mieritreritra zavatra hafa" na "mifoka rivotra malalaka" nandritra ny kabariny fanokafana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania.. Saingy namaly bontana ireo Shinoa mpisehatra amin'ny Aterineto, nitsikera ireo mpianatra...

28 Mey 2013

Brezila : Nesorin'ny Toby Famokarana Herinaratra Saingy Niverina Eny Amoron-Drano ny Mponina

Nafindra toerana any amin'ny tanàna naorina manokana hipetrahany ireo mponina tamoron'ny rano noho ny tsafodrano nateraky ny fanorenana ilay toby famokarana herinaratra Jirau any Amazona Breziliana. Niverina nanamorona ny rano ihany anefa izy ireo satria tsy mety aminy ilay fomba fiaina vaovao. Nahatonga fisalasalana ho an'ireo mponina amoron'ny rano ity...

Nandritra Ny Roa Herinandro, Nidongy Tsy Namoaka Vaovao Mikasika Ny Filoha Ireo Media Tao Liberia

Nofaranan'ireo mpanao gazety tsy miankina Liberiana efa ho roa herinandro izay ny fandàvana ny hamoaka vaovao mikasika ny Filoha Ellen Johnson Sirleaf, fampanginana napetrak'izy ireo ho an'ilay mpitarika noho ny tsy nahavitàny nanameloka ny fanehoan-kevitry ny talen'ny fiarovana azy nanondro ny mpanao gazety ho "mpampihorohoro".

26 Mey 2013

Ireo Olo-Miavaka Tsy Nampoizina Sy Ireo Vehivavy Mihazakazaka Ho Filohan'i Iran

Iraniana an-jatony be fanantenana, ao anatin'izany ny vehivavy telopolo, no nisoratra ho kandidà mba hisolo ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad amin'ny fifidianana ho avy ny 14 Jiona 2013 na dia tsy manam-bintana ny ho voafidy aza ry zareo

24 Mey 2013

Nikaragoaiana Miaro Ny Lalàna Manohitra Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

Ny volana Aprily , natomboka tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanentanana iray mitondra ny lohateny hoe "Manohana ny Lalàna 779 aho" mba hangatahana ny hanajàna ny "Lalàna Manontolo Hanoherana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy" manoloana ireo fanavaozana marobe naroson'ireo mpitarika fivavahana sy mpikambana ao amin'ny Ambaratonga ambony eo amin'ny Fitsarana...

23 Mey 2013

Però: Fitokonana Tao Iquitos Hanoherana Ny Kolikoly

Fitokonana iray nandritra ny 24 ora tao amin'ny tananan'i Iquitos, ao amin'ny faritra Amazona Peroviana no nikendrena hisarihana ny saina amin'ny fihetsika mampiahiahin'ny Governemantam-paritr'i Loreto ary ny fomba fikirakiran'ny Fahefàna Mpanao Lalàna an'ireny tranga ireny

Miampanga Mpanao Gazety ao amin'ny Twitter ny Filohan'i Panama

Matetika loatra ny Filoha Ricardo Martinelli (@rmartinelli) [es] no mahatezitra ny mpiserasera Panameana noho ny fisiahana mampiady hevitra sy mampiady tsotra izao, ary tonga hatramin'ny fanompana aza. Ny ohatra akaiky indrindra dia ny sioka nalefa mivantana tamin'ny mpanao gazety Santiago Cumbrera avy ao amin'ny La Prensa, gazety iray efa nifandona tamin'ny...

Olon-tsotra Mpanao Gazety Maty Teny Am-pandrakofana Fifandonana Tao Syria

Omar Qatifaan, 14 taona ary mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, dia maty ny 21 May 2013 raha nanangom-baovao momba ny fifandonana teo amin'ny tafika Siriana sy ireo mpihoko avy amin'ny Tafika Malalaka "Free Army" tany amin'ny faritra atsimon'i Daraa al-Ballad any Syria, akaikin'ny sisintany iraisany amin'i Jordania.