Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Novambra, 2008

Tantara tamin'ny Novambra, 2008

30 Novambra 2008

Karajia (Tchat) mivantana momba ny VIH/SIDA amin'ny 3 desambra

Manomana karajia (Tchat) mivantana ho an'ny mpamaham-bolongana sy ny mpikatroka ny Rising Voices sy ny Global Voices amin'ny 3 Desambra 2008 ho avy izao (3 ota tolakandro ora ao Nairobi sy eto Madagasikara koa) ka ny lohahevitra amin'izany dia mikasika ny fomba ampiasana ny “media citoyen” na ny azon'ny olo-tsotra...

28 Novambra 2008

Isiraely: vaovao farany momba ireo takalon'aina jiosy any Mumbai

Tsy dia fantatra loatra hatramin'izao ny manjo ireo takalon'aina nandritra ny fanafihana ny Ivotoerana Jiosy Chabad ao Mumbai. Chabad moa dia iray amin'ireo antokom-pinoana jiosy Hasidika Ôrthôdôksa mipariaka indrindra. Ny vaovao tena farany indrindra re mikasika ireo takalon'aina jiosy dimy voatazona tao moa dia ny fahafatesan'izy ireo, hoy i Gilad...

Mumbai: May ny Taj Hotel

Misy ny maneho ny sary nopihany amin'ny flickr sy any amin'ny toeran-kafa ankoatra izay asehon'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Sary maro dia maro ohatra no asehon'i Arun Shanbhag amintsika ka hatramin'ny ra mandriaka, ny diantsaoka [fanaon'ny polisy amaritana ny paozin'ny olona niharandoza na tavela] ka hatramin'ny fahamaizan'ny Taj Hotel. Azonao jerena ato...

26 Novambra 2008

Senegaly: Mpanefoefo te-hamorona asa vaovao an'arivony

Indro mijoro eo anilan'ny filoha Wade ao amin'ny lapam-panjakana ilay mpandraharaha Senegaly sady Filoha Tale Jeneralin'ny vondrom-barotra Bara Mboup (CCbm), Atoa Serigne Mboup, nilaza ny tsiri-keviny omaly hampiasa vola mahatratra 34 arivo arivo arivo Cfa (US$ 666 arivo arivo) hanomezana asa vaovao mahatratra 60 000 amin'ny fanafarana posy-bisikileta ampolo arivony...

25 Novambra 2008

Nikaragoà: Nivelatra noho ny fiaraha-miasa ny tontolom-bolongana

Nihanivelatra tao ho ao ny tontolom-bolongana Nikaragoana ary isaorana noho izany ny mpamaham-bolongna samihafa sy ireo mpampiasa ny Twitter. Indro ny resadresaka fohifohy niarahana tamin'i Alvaro Berroteran ilay nisantatra tetikasa iray antsoina hoe Nicaragua y Su Blog izay nanandratra ny bolongana Nikaragoana. Niara-niasa tamin'ny hafa kosa aloha izy tamin'ny fananganana...

22 Novambra 2008

Shina: Raharaha maizina vaovao mikasika ny Baidu

Notaterin'ny CCTV ary fa nanaiky nandray vola avy tamina orinasa mpanao fanafody tsy ara-dalàna mba hametrahana ny rohy mikasika azy ho voalohan-daharana rehefa manao fikarohana amin'ny aterineto ny Baidu, izay heverina ho Google Shinoa. Nolazaina tao anatin'izany fitateram-baovao izany fa mahalala izany toe-javatra izany ny mpiasa misahana ny dokambarotra ao...

21 Novambra 2008

Bolivia: resaka fitsaram-bahoaka

Niteraka savorovoro nanerana an'i Bolivia manontolo ny firoboroboan'ny famonoana olona na fikasana hamono olona voampanga ho nandika lalàna tsy mandalo fitsarana. Nitranga tany amin'ny faritry Altiplano tao Achacachi tamin'ny 17 novambra 2008 lasa teo ny tranga farany izay nalaza tamin'ny haino aman-jery [es]. Olona 11 lahy sy vavy no nampangain'ny...

20 Novambra 2008

Madagasikara: Varojanaka ho vadin'olona, trangam-pahantrana lalina

Adikan-dRakotomalala Lova ho antsika ny lazain'ny tontolom-bolongana malagasy milaza hoe hatraiza moa ny zavatra vitan'ny olona rehefa ianjadian'ny fahantrana izy.

06 Novambra 2008

Madagasikara : Rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy

Ny namana Dotmg no nanolotra ny vaovao fa efa mihodina tanteraka ankehitriny ary amin'ny fomba maimaim-poana ilay rindrankajy mpitsara tsipelina Malagasy izay novoizina ary nampahalalainy nandritra ny Barcamp farany tany Antananarivo : Ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy dia tsy inona fa pejy iray amin’ny internet ahafahana mametraka lahatsoratra amin’ny teny...

Madagasikara : Obama mamelonaina indray ny nofinofy Amerikana

Na dia ngeza sy midadasika aza ny elanelan-tany manasaraka amin'i Amerika, dia mandakana hatrany Madagasikara ny tazon'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Mizara izay fahitany izay antony mahatonga azy ireo hanaraka fatratra ity fifidianana ity ny mpiblaogy sasantsasany, ary milaza koa izay ho toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imason'ny tsirairay. Ny namana...