Tantara misongadina tamin'ny Jona 2011
Tantara tamin'ny Jona, 2011
Libia: Sarin'ny fotoana mampanembona sy manankarena ary manantantara
Mpilatsaka an-tsitrapo terantany Anglisy-Libaney izay mpanoratra fantatra amin'ny solon'anarana hoe Amal Al-Leebi nandefa sary tao amin'ny kaonty twitter @libyansrevolt, sary tranainy nanembonany an'i Libia nalainy nandritra ny fitsidihana farany nataony tany, hanehoany ny fahatsiarovany an'ity firenena ity.
Tailandy: Fampielezan-kevitra amin'ny ‘Fidio ny Tsia’
Hilahatra any amin'ny biraom-pifidianana ireo Tailande amin'ny herinandro ambony ary na dia mitarika aza ny mpanohitra amin'ny toerana sasany, mbola tsy azo antoka tanteraka aloha hoe iza amin'ireo vondrona no hahazo ny fandresena. Niavaka tamin'ny fomba fanao hatramin'izay, fa nahitana fahafahana misafidy ny tsia ny vato ho an'ny mpifidy, ary hetsika amina fampielezan-kevitra no nokarakarain' Ny Vahoaka Miray hina ho amin'ny Demokrasia (People’s Alliance for Democracy - PAD) na ny Miakanjo Mavo (Yellow Shirts) handrisihana ny mponina mba hifidy ny 'Tsia'.
Ejipta: Mipoaka Ny Hatezerana ao Tahrir
Nirefotra indray ny kidraka tao amin'ny kianja Tahrir, ivon'ny hetsi-panovàna Ejiptiana, ny alina teo (28 Jona) ary niitatra hatramin'ny anio (29 Jona). Kaonty maro samihafa no miely any anaty aterineto mikasika ny zavatra tena nitranga marina sy ny fomba nitsimbadihan'ny hetsika, ireny rehetra ireny izay nifanandrinan'ny fianakavian'ireo maritiora maty nandritra ny hetsi-panoherana - sy ny antson'izy ireo hisian'ny rariny, ny mpanao hetsi-panoherana, ny jiolahim-boto sy mpanakorontana niaraka tamin'ny polisy. Ny tatitra dia milaza fisianà baomba mandatsa-dranomaso nalefa tany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ary ny mpanao fihetsiketsehana (na jiolahim-boto) namaly tamin'ny alalan'ny tora-bato sy cocktails Molotov - tsy dia voatery loatra ho toy izay ny fandehany.
Siria: Revolisionan'ny Black Comedy
Black comedy dia iray amin'ireo fomba iresahana ny tranga mampihetsi-po. Izay niseho vao haingana tao Siria, nisian'ny rà nandriaka no sady nahaketraka ny maro, dia nitondra ihany koa tamin'ny firongatry ny bilaogy, ny pejy facebook ary ny lahatsoratra izay niezaka nanaraby ny zava-nisy, ary nampahafantatra sy nanasongadina ireo fanambarana ofisialy somary adaladala-izay indraindray toa mivaona tanteraka.
Sina: Mpampiasa aterineto iray nahazo sazy fanabeazana mandritry ny herintaona noho ny fanesoany ny mpitondra
Araka ny tatitry ny media any an-toerana [zh], nisy mponina iray avy ao amin'ny tanànan'i Chongqing, Fang Hung, nahazo sazy fanabeazana ny Aprily 2011 noho ny famoahana bilaogy kiritika manesoeso an'i Bo Xilai lehiben'ny antoko politikan'ny tanàna, zanak'ilay razokibe Bo Yibo mpitaky fanovàna ao amin'ny Antoko Kaominista Sinoa
Tranganà Bilaogera Maleziana hoe Nanàla Baràka – Miteraka Ahiahy
Manoloana ny fitsarana an'ilay Maleziana mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera, Charles Hector noho ny resaka fanalàm-baràka, amin'ny 28-29 Jona 2011, niantso ny Fitsarana Maleziana ny ARTICLE 19 mba handinika ilay tranga mifanaraka amin'ny fepetra iraisam-pirenenan'ny fahalalahana maneho hevitra anaty aterineto. Raha ny lanja mavesatry zo halalaka maneho hevitra, sy ny fankatoavan'ny andalana faha 10 ao amin'ny Lalampanorenana Maleziana azy io, ARTICLE 19 dia mangataka ny Fitsarana mba hanome antoka fa hoe ny lalàna Maleziana mifehy ny fanalàm-baràka dia hodinihana, araka izay azo atao, ao anatin'ny fanajàna tanteraka ny zon'i Hector halalaka hiteny.
Horonantsary: Fankalazana ny Fisarahan-taona
Arendrina, dihy, voninkazo ary afondasy no fitaovana sasantsasany ampiasaina amin'ny fankalazana manerana izao tontolo izao ny Fisarahan-taona Lohataona sy Ririnina. Andeha hitety izao tontolo izao hijery ireo karazam-pankalazana niseho: Fisarahan-taona ao Stonehenge, Afondasin'ny Fetin'ny Masindahy Joany ao Espaina, Inti Raymi ao Pero, we tripantu ao Chile ary Andron'ny Kupala ao...
Mampahafantatra ny Bilaogera Malaza Indrindra any Brunei
Raha nankalaza ny faha 8 taona [namahanam-bolongana?] ny ilay bilaogera ao Brunei RanoAdidas ny volana lasa teo, voatantara tsara tamin'ny fampahalalam-baovao lehibe izany hetsika izany. Marika tsy noho ny lazany amin'ny maha bilaogera azy ihany izany fa noho ny fahombiazany tamin'ny fampandrosoana ny valantserasera tao Brunei ihany koa. Manaiky ny...
Ségou Villages Connection: Tonga Ao Ambanivohitr'i Mali
Boukary Konaté, tetikasa ” Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou” tohanan'ny Rising Voices, no nanararaotra nampahafantra izany nandritra ny Lanonana iraisam-pirenena momba ny Hairafitrano izay natao tao Pérouse, ao Italie ny voalohan'ny herinandro volana jona. Ny lohahevitra”Mali : raha mitondra amin'ny fandrosoana ny vonjimaika“, notohanan'ny Fikambanana Eland (Soisa) izany, izay notanterahina tamin'ny 2 jiona 2011....
Ejypta: Taom-polo Nahazotoana Niserasera Niandian-kevitra Tao amin'ny Tweet Nadwa
Nanjary lasa fotoana isan-kerinandro ny zavatra efa natao, nihaona fanindroany indray ireo Ejipsiana mpitsiokantserasera amin'ny alalan'ny Twitter mitarika adihevitra fantatra amin'ny anarana hoe Tweet Nadwa (famoriam-bahoaka). Taorian'ny fahombiazan'ny fiodinana voalohany izay nifantoka indrindra momba ny resaka islamista, ny amin'ny fomba fahitana azy ireo ao anatin'ny fiaraha-monina Ejysiana sy ny vinavinan'izy ireo...