Avrily, 2011

Tantara tamin'ny Avrily, 2011

Gabon : Fiverenan'ny Fandraharahana Eo amin'ny Sehatry ny Solika sy ny Fampiasam-bola Indray

  30 Avrily 2011

Ny Alatsinainy 8 Aprily, niverina niasa ireo mpiasan'nysehatry ny solika ao amin'ny (ONEP)ont repris le travail. Ny ONEP dia nanao fitokonana mba hisian'ny fepetra vaovao momba ny asan'ireo mpila ravinahitra eo amin'io sehatra io, izay «ampangain-dry zareo ho maka ny toerana tokony ho an'ireo Gabone ». Iadian-kevitra ankehitriny ny momba ny hitsinjaràna ny vola azo avy amin'ny solika ho an'ny faritra:

Ejipta: Graffiti – Mba ho Revolisiona Maroloko sy Ho Fahatsiarovana Tsy Maty Vonoina

Hatrany amin'ny andro voalohan'ny rovolisiona ejiptiana, naka ny fomba fanaon'ny razambeny ireo mpanao hetsi-panoherana amin'ny fomba fandraketana ireo androm-pandresena sy firavoravoana, fandraketana ireo andron'ny revolisiona eny amin'ireo rindrin'ny Kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Caire, ivon'ireo fihetsiketsehana. Tonga ny anjarany, maniry toa anana ny graffiti eraky ny rindrina ao Caire.

Iraka: Mbola Velona ve i Saddam?

Naparitak'i Saddam Hussein eran'ny valan-tserasera, tamin'ny alalan'ny fitaovana fandraisam-peo izay milaza fa mbola velona ny mpanao didy jadona Irakiana fa ilay olona mitovy be aminy Mikhail no any tokana notapahan-doha tamin'ny 30 Desembra 2006. Marobe ireo mpiserasera nihevitra ny horonantsary ho lainga ary mampanantena ireo mpijery izany fa efa maty sy nalevina i...

Koety: Sit-in ho Fanovana ny Anarana “Làlana Fanaovan-gazety” Amin'ny Anaran'i Al-Saleh

Mikasa ny hanao sit-in androany alina (27aprily) ireo mpanao gazety Koety mba hitaky ny fanovana ny anarana ” Làlana Fanaovan-gazety” amin'ny anaran'i Mohammed Mousaed Al-Saleh, iray amin'ireo Koesiana mpanentana politika fanta-daza, sy nanoratra ho an'ny gazety Al-Qabas mandavataona, sy nitsikera ny karazana fijery politika sy sosialy hita eo amin'ny fiainana andavan'andro....

Gresy: Fandrobana Nataon'ireo Mpankafy Baolina Fandàka Naneho Tsy Hafaliana Tao Thessaloniki

  29 Avrily 2011

Tanatinà herisetra tsy nampoizina tamin'ny lalao baolina fandàka, nifandramatra tao afovoan-tanànan'i Thessaloniki, Gresy ny mpankafy ireo tarika roa , Iraklis sy PAOK, tamin'ny 26 Aprily 2011. Nanafika tranombarotra ry zareo, trano sy fiara mijanona eny amoron-dàlana, ary dia norarafan'ny polisy mpandrava korontana entona mandatsa-dranomaso ny faritra afovoan-tànana.