Tantara misongadina tamin'ny Jona 2008
Tantara tamin'ny Jona, 2008
Faritra Balkanika : Michael J. Totten mpizahatany
Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra ao amin'ny blaoginy ny valin-taratasy atolony an'i Totten.
Lithoanìa : Mampiasa fitaovana harifomba Segway ny Polisy
navalny izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ahitana Polisy mampiasa fitaovana harifomba ifamoivoizana Segway any Palanga, izay tanana amoron-dranomasina Baltika, any Lithoanìa (RUS).
Angôla : Tatitra an-tsary
JotaCê Carranca no manapariaka ao amin'ny Pensar e Falar Angola [Misaintsaina sy miresaka mikasika an'i Angôla] tatitra an-tsary izay ahitana fiara vita amin'ny hazo [karazana varamba] tany Bocoio sy sekoly any Libangue any Angôla : A escola não tem nada além do que se vê: pedras a servir de cadeira...
Ozbekistana: Ady amin’ny fanivanana ny aterineto
Amin’izao fotoana, i Ozbekistana dia mitoetra ho iray amin’ireo firenena mpamoritra aty amin’ny faritra ary mifehy mafy ny fampahalalàm-baovao mitodika amin’ny daholobe. Na dia misy aza ireo fampanantenana poak’aty [anaran-tsy very] ho fiantohana ny fahalalahàm-pitenenana, dia tsy afa-bela amin’ny fanenjehan’ny governemanta hatrany ny fampahalalàm-baovao. Ny toko faha 5 ao amin’ny...
Koety : Notafiana ny “Hard Candy”-n'i Madonna
Moey no mitatitra fa notafian'ny sampan-draharahan'ny Ministry ny Fampahalalam-baovao an-keriny ny sarin'i Madonna amin'ny raki-kira vaovao “Hard Candy” any Koety : Madonna’s album is being raped by Kuwaiti MOI [Ministry of Information], they basically forced leggings on her and took all the pictures off her CD booklet, it is a...
Shina : Tondra-drano any amin'ny tananan'i Guangzhou
Tianya forum no manapariaka sary vitsivitsy ahitana ny tondra-drano niseho vao tsy ela tany amin'ny tananan'i Guangzhou.
Kenya : Raha tsy Kenyana …
Ao amin'ny Memorable Jokes [hatsikana tsy mety lefy] no amakiana ny lisitra zavatra 31 tsy fahita raha tsy amin'ny Kenyana ihany : 1. Are engaged for 5 years or more, 2. Never bother to divorce, they just separate, 3. Are late to church, work, and everything else, EXCEPT when the...
Vanessa Worou, mpihira vavy Tôgôley vao misondrotra
Kangi Alem no mitatitra mikasika an'i Vanessa Worou, mpihira vavy Tôgôley vao misondrotra : Un petit air de Kidjo, par endroit, mais dans l’ensemble une assurance dans le chant et une orchestration simple, efficace “tsindraindray ohatry ny mampahatsiahy an'i [Angelique] Kidjo izany, kanefa rehefa aravona dia, fahatokisana amin'ny fomba fihirana...
Rosìa : “Revôlision'ny kitra”
Tena alin-dìa [bibidìa] sady tsy natoriana mihitsy tany Rosìa, taorian'ny fandresen'ny ekipa nasionaly ny Hôlandey 3-1 sy ny fahazahoany hiatrika ny lalao manasa-dàlana. Nahatratra 50'000 ireo olona nidina teny an-dalamben'i Môskoa, nankalaza ity fandresena izay tsy nantenaina intsony – ary fanehoam-piravoravoana toy izany no saiky hita niredareda eran'ireo tanana Rosìana...
Hôngria : Ireo Blaogin-tsary
Ary satria efa herinandro sisa tsy ihavian'ny Global Voices Citizen Media Summit izay hotanterahina any Bodàpestà, rehefa avy nampahalala anareo bebe kokoa momba ireo blaogy mivoy mikasika ireo sakafo Hôngroa vitsivitsy izahay dia mitodi-doha kosa amin'ny blaogin-tsary Hôngroa indray. Maro izy ireny ary samy tena lafatra avokoa ka izay santionany...