Jolay, 2014

Tantara tamin'ny Jolay, 2014

Namoaka Lalàna Fanampenam-bava Ny Media Ny Fitondrana Miaramila Thailandey

GV Mpisolovava  31 Jolay 2014

Namoaka didim-panjakana vaovao mandràra ny media tsy hitati-baovao mitsikera ny governemantan'ny Fitondrana Miaramila thailandey. Navoakan'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana tamin'ny 18 Jolay, fa mihatra amin'ireo karazana media rehetra, anisan'izany ny elektronika sy ny media sosialy ny didy.

Mandalina Ny ‘Fotoam-piovàn'ny Kanto Sy Ny Fampielezan-kevitra’ ireo Mpanakanto Any Skopje

Ny Kooperacija (“Cooperation” na Fiaraha-miasa, teny Makedoniana entina hilazàna ny tranombarotra enta-madinika any amin'ireo tanàna kely), vondrom-panakanto tsy mampidi-bola fa mamelon-tena, dia nampiantrano fampirantiana nitondra ny lohateny hoe “Fotoam-piovàna: Ny Kanto ho Fanentanana Fanoherana ny Tsindrihazolena” [en, mk, misy sary] tany Skopje, vao tsy ela akory izay. Araka ny tatitra [mk]...