Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jolay, 2009

Tantara tamin'ny Jolay, 2009

31 Jolay 2009

Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra

Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, arymavitrika anatin'irony vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana...

30 Jolay 2009

Malezia: “Aiza ny demokrasia?”

Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.

Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia

Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo...

Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian

Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny...

28 Jolay 2009

Congo Brazzaville: Fahadisoam-panantenana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena

Ny alahady 12 jolay lasa teo dia nifidy ny vahoaka ao amin'ny Repoblikan'i Congo , fifidianana tsy nandraisan'ny lehiben'ny mpanohitra anjara satria araka ny heviny dia sady tsy malalaka no tsy mitombina. Milatsaka ho fidiana indray hiasa mandritra ny 7 taona manaraka i Denis Sassou N’Guesso izay efa nitondra an'i...

Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana

Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina  ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia. Ny 19 Jona,  mpianatra Iranianina manodidina ny zato mianatra any Hungary no nanao fotoam-pahatsiarovana tanaty fahanginana tao amin'ny Kianjan'ny Mahery-fo tao  Budapest,...

27 Jolay 2009

Irana: Ireo mpitoraka blaogy Armeniana sy ny fianjeran'ny fiaramanidina

Raha nianjera ilay fiaramanidina mpampitohy mahazatra niala tao Tehran ho any Yerevan taorian’ny niaingany omaly, namoizana ireo olona 168 tao anatiny, dia maro ny tany Armenia sy ny Diaspora avy any no ory, indrindra indrindra noho ny fisian'ny Armeniana 40 tamin’ireo maty ireo.

24 Jolay 2009

Maoritania: Hosoka tamin’ny fifidianana?

Omaly, 11 volana taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila notarihan’ny jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, dia nofidin’ny Maoritania ho filoha ny jeneraly, izay mahatonga ireo mpifaninana tamin’i Abdel Aziz niteny fa “sarintsariny” io fifidianana io araka ny voalazan’ny BBC News. Raha mijery ao amin’ny tontolon’ny blaogy Sahelianina dia mahita fa mifandray ny...

19 Jolay 2009

Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova

Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy...

18 Jolay 2009

Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana

Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa...