Ahoana no iadian'ny Rosiana ny potinisma: Tahirin-kevitra iray

Ilya Yashin, mpanao politika mpanohitra, nandritra ny iray tamin'ireo fihetsiketsehana. Pikantsary avy amin'ny “Ahoana no nanoheran'ny Rosiana ny firongatry ny Potinisma? [Dashing 2000],” ao amin'ny fantson'i Vladimir Milov. Fampiasana ara-drariny.

Matetika no lazaina fa tsy niady tamin'ny Potinisma ny Rosiana nandritra ireo taona nananganana an'ity fitondrana tsirefesimandidy ity. Azo lazaina fa tsy ho azo tanterahina mihitsy ny hanohitra an'i Potinina avy ao anatin'ny firenena, satria heloka bevava ny endrika fanoherana rehetra — talohan'ny nanombohan'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina, fa vao mainka mihatra izany taorian'ny Febroary 2022.

Mandritra izany fotoana izany anefa, tsy marina ny filazana fa tsy nanohitra ny fisandratan'ny Potinisma i Rosia — nanohitra, imbetsaka sy tamin'ny fomba maro, na dia tsy nahomby aza.

Namoaka fanadihadiana iray mirakitra ny hetsi-panoherana lehibe rehetra sy ny hetsika hafa nataon'ny mpanohitra Rosiana nandritra ny roapolo taona tamin'ny taompolo 2000s i Vladimir Milov, mpanao politika mpanohitra, izay mitantana tamim-pahombiazana ny fantsona YouTube mpanohitra manana mpanjohy manodidina ny antsasa-tapitrisa eo ho eo, .

Tahaka izao ny fampidirana ny filma ao amin'ny fantsony: 

Неверно говорить, что Россия не сопротивлялась становлению путинизма — сопротивлялась, и еще как. Конечно, в целом наше общество спохватилось позже, чем было нужно — массовые протесты произошли, но уже тогда, когда оппозиция была выдавлена из официальной политики, а Путин выстроил массу силовых линий обороны против народа. Однако сопротивление было — и в сегодняшнем нашем выпуске из цикла «Лихие 2000» Владимир Милов расскажет вам историю борьбы российского народа с путинской диктатурой, историю, которая не прекращалась никогда, и которую важно помнить сегодня, на фоне постоянно звучащих обвинений в адрес россиян о «рабском гене» и «нежелании» бороться за свободу.

Tsy marina ny filazana fa tsy nanohitra ny fisandratan'ny Potinisma i Rosia — nanohitra izy. Amin'ny ankapobeny, taty aorian'ny nilaina azy ny fiarahamoninay vao nahatsapa  — nitranga ny hetsi-panoherana faobe, saingy efa voaisotra tamin'ny politika ofisialy ny mpanohitra, ary efa nahatsangana zotram-piarovana matanjaka be dia be hiadiana amin'ny vahoaka i Potinina. Na izany aza, nisy ny fanoherana — ary amin'ny fizaràna anio amin'ny andiany “Daring 2000″, holazain'i Vladimir Milov aminao ny tantaran'ny tolona nataon'ny vahoaka Rosiana hanoherana ny fitondrana jadon'i Potinina, tantara tsy mety nitsahatra, ary zava-dehibe ny mampahatsiahy anio, manoloana ny fiampangana re hatrany momba ny “foto-tarazo slavy” Rosiana sy ny “tsy fahavononana” hiady ho amin'ny fahafahana.

Efa nahazo jeripejy mihoatra ny 121.000 ankehitriny ny fanadihadiana, izay amin'ny teny Rosiana nefa manolotra dikanteny anglisy novokarin'ny YouTube ihany koa, .

Ny politisiana mpanohitra Boris Nemtsov nandritra ny iray tamin'ireo hetsi-panoherana talohan'ny namonoana azy tamin'ny taona 2015. Pikantsary avy amin'ny “Ahoana no nanoheran'ny Rosiana ny fisandratan'ny Potinisma? [Dashing 2000],” tao amin'ny fantson‘i Vladimir Milov. Fampiasana ara-drariny.

Nandritra ireo minitra vitsy voalohany tamin'ilay lahatsary no ahitantsika olona an'arivony — anisan'izany ireo politisiana mpanohitra Boris Nemtsov sy Iliya Yashin, izay mihiaka amin'ny mikrô hoe: “Tsy maintsy ialantsika ny fitondrana miaramilan'i Potinina” — mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana manohitra an'i Potinina rehefa mihetsika manavatsava ny lalamben'i Moskoa izy ireo mihiaka hoe, “Rosia tsy misy Potinina.” Nisy namono i Nemtsov tamin'ny taona 2015, ary migadra 12 taona i Yashin amin'izao fotoana izao.

Eo amin'ny 1:13 ao anatin'ilay filma, niteny i Alexey Navalny, “Satria izay matahotra ihany no azo ampanginina, te-hanontany anareo aho hoe: Matahotra ve ianareo?” Mihoraka ny vahoaka hoe “Tsia!” nigadra sivy taona an-tranomaizina i Navalny, ary tsy ho ela dia andrasana higadra 20 taona.

Tsy ho azo atao amin'izao fotoana izao ny hetsika tahaka izao, noho ny fitomboan'ny famoretana amin'ny toe-draharaha misy ao Okraina.

Ao amin'ny filma, nasehon'i Milov ireo fihetsiketsehana nanomboka tamin'ny taompolo 90, nateraky ny fantsona fahitalavitra tsy miankina iray noterena ho eo ambany fifehezan'ny fanjakana ary mitohy mandraka androany. Tsipalotra eny ho eny ny fanoherana rehefa misy olona mijoro samirery, na dia famonjana aza matetika ny sazy amin'ny fihetsiketseham-panoherana. Araka ny OVD info, olona 19.747 no notanana nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny ady hatramin'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra an'i Okraina tamin'ny Febroary 2022.

Noresahan'i Milov ihany koa ireo tranga ara-tantara, raha nihoatra ny tandindona fotsiny ny fifidianana tao Rosia, ary nandray anjara tamin'ireny fifidianana ireny ireo maro tamin'ireo mpitarika ny mpanohitra, sy tamin'ny fihetsiketsehana ihany koa, ka nahazo vokatra mahatalanjona. Mitantara ny tantaran'ireo politisiana mpanohitra ihany koa izy — toa an'i Nikita Belykh, izay tao amin'ny mpanohitra taloha saingy lasa governoran'ny Faritr'i Kirov ary naiditra am-ponja anefa taty aoriana — izay voalaza fa nanao tsolotra ka nofaizin'ny governemanta.

Ankehitriny, ny ankamaroan'ny mpandray anjara amin'ity horonantsary fanadihadiana ity dia novonoina na nogadraina. Milov tenany aza sesitany politika hatramin'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra Rosiana an'i Okraina tamin'ny Febroary 2022.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.