Tantara misongadina tamin'ny Janoary 2010
Tantara tamin'ny Janoary, 2010
Avatar: Momba sa manohitra ny zon'ireo Indizena?
Miresaka momba ny lohahevitra ao anatin'ilay sarimihetsika Avatar niaka-daza maneran-tany, novokarin'i James Cameron ny mpitoraka blaogy maro. Manavakavaka ve izy ity amin'ny fomba famaritany ny foko indizena iray avy any ivelan'ny tany?
Etiopia: miaro ny kaompaniam-pitaterana Etiopiana taorian'ny fianjeran'ny fiaramanidina ny mpitoraka bilaogy
Niolomay niaro ny kaompaniam-pitaterana an'habakabaka an'ny fanjakana Etiopiana ny mpitoraka biloagy taorian'ny nianjeran'ny fiaramanidina iray tany akaikin'i Beiruth, fiaramanidina nitondra olona 90 ka maty avokoa izy rehetra. Owen Abroad nilaza fa “tena nalahelo” tamin'ny vaovao navoaka mikasika ny fitaterana an'habakabaka etiopiana Ethiopian Airlines izy, hoy izy: Tena miavaka ny fiarovana...
Haiti: Olo-malaza Haitiana nambara fa maty
Mbola sarotra dia sarotra ny fifandraisana anatiny sy ivelan'i Haiti ary maro amin'ny olona no mbola tsy afaka nahazo vaovao - raha misy - momba ireo tapaka sy namana, tonga ireo vaovao, mahaliana ihany, avy amin'ireo mpitoraka blaogy ivelan'i Haiti, momba ireo olo-malaza tsy hita na efa voalaza fa maty.
Congo (RDC): Ny vokatry ny tsy firaharahiana
Mahafinaritra ny Congoblog. Mendrika daholo ny lahatsoratra tsirairay, indreto ny tena nanaitra hatramin'ny fiatombohan'ny volana janoary teo: avy any Kisangani, Boyomais mitaraina ny amin'ny zavatra mampalahelo iainana any amin'ny toeram-pitsaboana ao amin'ny fireneny, tafiditra amin'izany ny teny baiko fantatry ny rehetra hoe: “tsy misy vola, tsy misy fitsaboana”. Nataon'i Luba...
Torkia: Taona fahatelo namonoana an'i Hrant Dink
Telo taona androany, dia nisy nitifitra tamin'ny basy teo ivelan'ny birao fanaovan-gazety fiasany tany Istanbul, Torkia, ilay mpanao gazety Tiorka-Armeniana Hrant Dink . Tsy noraharahiana izy, nankahalain'ny Tiorka sy ny Armeniana noho ireo hafatra feno fandeferana sy fampihavanana nataony ho an'ny roa tonta fony fahavelony, Dink dia feon'ny mpampihavana ary olon'ny fohavanana ka izay...
Haiti: Ny olana nateraky ny fanampiana iraisam-pirenena
Dimy andro aty aorian'ny horohoron-tany namotika ny renivohitry Haiti, Port-au-Prince sy ireo tanàna hafa toa an'i Leogane sy Jacmel, dia mbola sarotra ho an'ny mpamonjy voina sy ireo mpitsabo ny mamonjy ireo mponina sisa tsy maty. Na izany aza anefa, tsy avy amin'ny tsy finiavana hanampy eo amin'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena...
Diplaomaty Toniziana maty noho ny horohorontany tany Haiti
Hedi Annabi, 66 taona, diplaomaty Toniziana sy solontena manokan'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ho any Haiti (Minustah) dia ahiana ho isan'ireo maty tamin'ny horohorontany mahery nitranga tany Haiti. Malahelo noho ny famoizana azy ireo mpitoraka blaogy Toniziana.
Mpanoratra misongadina: Hisham
Amin’ny maha dokoterra monia sy miasa any Frantsa azy, i “Hisham” (Hisham Khribchi) dia iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny vohikala Talk Morocco, izay miezaka ny ho seha-pifanakalozana handrisihana ny fifampiresahana avo lenta, misokatra ary mendri-kaja momba ny olana mahakasika an’I Maraoka sy ny Diaspora
Karaiba: Jeritodika isam-paritra 2009
Amin'izao fankalazan'ny Global Voices ny faha-dimy taonany izao, dia izao no fotoana hanararaotina hanazavàna ny antony anaovantsika izay ataontsika sy izay fiovana vitan'ny asantsika. Araka ny namintinan'ny mpiara-miasa amiko Jillian York azy hoe, “Mampiely tantara isika. Mampiely teny.” Miezaka ny ho amin'izany tokoa izahay noho ireo olona marobe miketrika amin'ny...
Bolivia: Oliravina taloha, mirotsaka ho fidiana governoran'i Beni
Ho an'ny maro, ny fanambarana nataon'ny filoha Evo Morales nanendry ilay mpanjakavavin'ny hatsarana taloha, Jessica Jordan, 25 taona, hilatsaka hofidiana governora ao amin'ny departemantan'i Beni amin'ny anaran'ny antoko MAS (Antoko sosialista), dia ohatry ny sangisangy tara ny datin'ny 1 aprily (fetin'ny lainga). Na izany aza, vantany vao re ny fanambarana ofisialy natao nandritra ny...