Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Marsa, 2016

Tantara tamin'ny Marsa, 2016

31 Marsa 2016

Tranonkala Rosiana Iray Mampiasa Ny Tambajotra Selan-Koza-Tatitra Hanambàrana Sary, Mamoaka Sary Mahatalanjona

Akon'ny RuNet

Tranonkala Rosiana iray mifototra amin'ny algôritiman-tambajotra selan-koza-tatitra no mamela ny mpiserasera aterinety hanambatra sary sy asan-javakanto ka miteraka sary mahavalalanina.

Mpanoratra Roa Nametra-Pialana Ampahibemaso Ao Anatin'ny Finiavan'ny Antoko Komonista Shinoa Hangeja Ny Kolontsaina

"Toeram-pivorian'ny mpandala literatiora hatry ny talohabe i Suzhou. Nanana fomban-drazana tsara amin'ny fanatrarana ny idealiny izy. Saingy efa levona izany fomban-drazana izany ankehitriny."

Maneso ny Fampirafesan'i Mark Zuckerberg Amin'i Shina Ireo Mpiserasera

"Mark, 6 no fitambaran'ny isan'ny olonanao ao anatin'ny tarika mpihazakazaka. Efa nahazo ny fahazoandalana mihazakazaka teny an-dalambe ve ianao? Raha tsia, tsy ara-dalàna izany eto Shina."

Amin'Ity Paska Ity, Dimbiasin'ny Fandrefesana Famindram-po Ny Fomba Efa Tranainy Ao Espaina

Maro ny mpitsara espaniola no mihevitra fa tsy azo hamarinina ao amin'ny rafitra ara-pitsarana ankehitriny ny famotsoran-keloka, ary tokony ho avaozina tanteraka, raha toa ka tsy foana tanteraka.

Hisokatra Ao Rosia Ny Foibe Fanarahamaso ny Propagandy sy ny Fandisoam-Baovao Ato amin'ny Aterineto

Akon'ny RuNet

Efa manana sampan-draharaha miasa amin'ny fanoherana sy famaliana ireo fanafihana an-tserasera i Rosia, saingy ny foibem-baovao ao Innopolis no ho voalohany amin'izany karazany izany, dia ny fanaraha-maso sy fisorohana ny fanafihanam-baovao amin'ny aterineto.

30 Marsa 2016

Mahazo Ny Tena Fiangonana Spaghetti Manidiny Voalohany Ny Rosiana

Ny herinandro lasa teo, nahazo mpifanila vodirindrina vaovao ny iray tamin' fiangonana ortodoksa lehibe indrindra ao Nizhny Novgorod, miorina eo amin'ny kihon-dalana: Fiangonana voalohany ao Rosia ho an'ny Spaghetti Manidina.

Fiaramanidina EgyptAir Ho Any Kairo Naodina Nakany Sipra

Piratim-piaramanidina iray no voalaza fa nanodina an-keriny ny sidina Egypt Air teny an-dàlana avy any Alexandria ho anyKairo, ary nanery ilay sidina tokony hiodina ho any amin'ny seranam-piaramanidina ao Larnaca tany Sipra rehefa nilaza izy fa mitondra fehin-kibo mety mipoaka eny aminy

Polisin'i Moskoa Voarara Miresaka Asa Ao Amin'ny Media Sosialy

Akon'ny RuNet

Tsy azon'ny polisin'i Moskoa iresahana lohahevitra miompana amin'ny asa na fifanakalozana lahatahirim-pampiharan-dalàna amin'ny fomba ofisialy intsony ankehitriny ny VKontakte, Facebook, Twitter, Telegram ary ny WhatsApp.

Ao Iràna, Ny Fombandrazana Norooz Mandingana Afo Mba Ho Tsara Vintana

Takarivan'ny fitsambikinana amin'ny afo sy afomanga ao Iràna ny Chaharshanbe Suri na Alarobia Mena, izay manamarika ny fiantombohan'ny fankalazana ny taombaovao.

29 Marsa 2016

Tapitra Ny Fakàna An-keriny Ny EgyptAir ; Votsotra Daholo Ny Mpandeha

"Ela ny ela ka afaka isika hankalaza ny Arabo voalohany mpaka ankeriny nambara ho tsy mpampihorohoro, fa olona tsy milamina ara-tsaina. :) #EgyptAir," hoy ny bitsik'i Patrick Baz.