Tantara tamin'ny Aogositra, 2009
Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?
Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao. Na dia efa mahazatra ireo...
Afganistana: Androm-pifidianana an-tsary
Amin'izao fifidianana faharoa ho an'ny firenena izao, ireo mpitoraka blaogy an-tsary dia nizara sarin'ireo fifidianana mampiseho ny fisian'ny miaramila sy ny fahavitrihan'ny mpifidy.
Iraka: Fahafatesan'i Abdul Aziz Al Hakim lehiben'ireo Shi'ite
Sayyed Abdul Aziz Al Hakim, lehiben'ny filankevitra ambony Islamika any Iran (ny antoko politika lehibe indrindra ao amin’ny antenimieram-pirenena Irakiana), dia matin’ny homamiadan’ny havokavoka tamin’ny 26 Aogositra tany Tehran, any Iran. Mety hisy fihatraikany amin’ny lafiny politika any Iran ny fahafatesany. Nihetsika tamin’ity vaovao ity ireo mpitoraka blaogy.
Ekoatora: Ny hiaka ho amin'ny fahaleovantena roanjato taona lasa izay
Mankalaza ny faha-roanjato taonan'ny hiaka ho amin'ny fahaleovantenany amin'ny Espana sy nanampy ireo faritra hanaraka izany ohatra izany i Ekoatora.
Japana: Ny atao amin'ireo “Zavakanton'ny Media”
Ho an’ny firenena mikaroka ny hamadihana ny ‘soft power’ ananany ho toy ny masonkarena [herin'ny rindrankajy ve ity ‘soft power’ ity?], inona no anjara toeran’ny kolontsainan’ny sarimiaina japone sy ny...
Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza
Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.
Brezila: Mpianatra nosamborina nohon'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Antenimieran-doholona
Mpianatra maro no nanao fanehoan-kevitra fanoherana ny Filohan'ny Antenimieran-doholona José Sarney ary dia niaritra famoretana maro samihafa. Ren-tsika miala aina miadana miaraka amin'izany koa ny eritreritr'ireo tontolon'ny fitorahana blaogy momba ny demokrasia Breziliana.
Grèce: Mandondona an'i Athènes ny afo
Nisy doro tanety nitranga tany avaratra atsinanan'i Attica any Grèce ny zoma alina lasa teo, ary avy hatrany dia nandrava ala maro sy tanin'olona maro. Tao anatin'ny 2 andro monja...
Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolanana
Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana....
Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky
Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.