Nasain'ny Vondrona Eoropeana hiresahana zon'olombelona ny solontenan'ny jadona miaramila Myanmar

The European Union and the Association of Southeast Asian Nations held a Policy Dialogue on Human Rights on October 3 in Brussels. Photo from the website of the ASEAN Intergovernmental Commission on Human Rights

Ny Vondrona Eoropeana sy ny Fikambanan'ny Firenena Aziatika Atsimoatsinanana nanatontosa Fifampiresahana Politika momba ny Zon'Olombelona tamin'ny 3 oktobra tao Brussels. Photo avy amin'ny tranonkalan'ny Vaomiera iraisan-governemanta ASEAN momba ny Zon'Olombelona

Vondrona fiarahamonim-pirenena maromaro no nanafoana ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'ny dinika momba ny zon'olombelona teo amin'ny Vondrona Eoropeana (EU) sy ny Fikambanan'ny Firenena Aziatika Atsimo Atsinanana (ASEAN) natao ny 3 Oktobra tao Bruxelles taorian'ny nanasana ireo solontenan'ny governemanta miaramila ao Myanmar ho amin'ny hetsika.

Ny Dinika Politikan'ny EU-ASEAN momba ny Zon'olombelona dia hetsika iray avo lenta fanao isaky ny roa taona izay natomboka tamin'ny taona 2015 mba hiresahana ny “olana iraisana momba ny zon'olombelona, hamantarana ireo fanamby lehibe, ary hilazana rafitra stratejika ho an'ny fiaraha-miasa EU-ASEAN.” Anisan'ny nisongadina tamin'ny dinika tamin'ity taona ity ny fandraisan'i Timor-Leste anjara ho mpitazana.

Tao anatin'ny fanambaràna iraisana nivoaka tamin'ny 2 Oktobra, vondrona mpiaro ny zon'olombelona maromaro no namaritra ilay fanasana ho “mahamenatra” sy “tsy azo veroka” raha nanamarika izy ireo fa efa nitsipaka ny hankatoa ny fitondrana miaramila izay naka fahefana tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny Febroary 2021 ny Vondrona Eoropeana.

“Tsipahinay amin'ny teny mahery indrindra izaitratra ny ezaka rehetra mety hoheverina hampanara-dalàna ny jadona miaramila,” hoy ireo vondrona nanampy.

Naneho ny hatalanjonany tamin'ny fanasana natao tamin'ny solontenan'ny junta ny Governemantan'ny Firaisam-Pirenena (NUG) ao Myanmar, izay misolo tena ny governemanta sivily voaongana.

The Myanmar junta is brutalizing its own people, murdering civil society activists, health workers, teachers and schoolchildren alike, and committing war crimes and crimes against humanity. We are dismayed to see the participation of the junta representatives in the EU-Asean CSOs Forum, in place of the legitimate democratically-elected representatives of Myanmar.

Mampahory ny vahoakany manokana ny fitondrana miaramilan'i Myanmar, mamono ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonim-pirenena, mpiasan'ny fahasalamana, mpampianatra ary ankizy mpianatra, ary manao heloka bevava an'ady sy heloka bevava amin'ny zanak'olombelona. Kivy izahay mahita ny fandraisan'ny solontenan'ny fitondrana jadona ao amin'ny Dini-Kevitra Vondrona Eoropeana-Vondrom-Piarahamonina Asean, ho solon'ireo solontena voafidy ara-demokratika ao Myanmar.

Anisan'ireo vondrona Myanmar nanakiana ny Vondrona Eoropeana sy ASEAN ny Fikambanan'ny Zon'Olombelona Chin.

Ny famelana ny solontenan'ny junta hanatrika ny fifanakalozan-kevitra momba ny zon'olombelona EU-ASEAN dia toy ny famelana ny mpanao heloka bevava voampanga ho mpikambana mpitsara amin'ny fitsarana heloka bevava nataony. Tsy maintsy mitsahatra amin'ny fiafenana ao ambadiky ny voaly ‘ara-teknika’ ireo vondrona isam-paritra mba hampiditra ny fitondrana mpamono olona amin'ny vola mivoaka an'ny vahoakan'i Myanmar

Gaga i Heidi Hautala, filoha lefitry ny Parlemanta Eoropeana, rehefa nahafantatra ny fanasana ho an’ireo mpanohana ny fitondrana miaramila.

Mahavariana sy tsy azo ekena ny faneken'ny Vondrona Eoropeana ny fandraisan'ny junta mpamono olona #Myanmar anjara ao amin'ny Fihaonambe EU-Vondrom-piarahamonina ASEAN momba ny Zon'Olombelona ao Bruxelles. Mazava ho azy fa ny solontena ara-dalànan'ny vahoaka #NUG & namany ihany no tokony ho eo. Mbola tsy tara ny fanitsiana ny fanapahan-kevitra.

Nanatevin-daharana ireo vondrona fiarahamonim-pirenena ireo Parlemantera ASEAN misahana ny Zon'Olombelona amin'ny fangatahana ny Vondrona Eoropeana hanaisotra ny fanasany ny fitondrana miaramila noho ny fiantraikany ara-politika. “Milaza ny fanasana fa mandamina ny fifandraisany amin'ny junta ny Vondrona Eoropeana, fa tsy manao izany amin'ireo mpandray anjara mpomba ny demokrasia toa ny NUG,” hoy izy ireo tamin'ny fanambaràna iray.

Na dia teo aza ny antson'ireo vondrona sy mpitarika isan-karazany, dia nitohy ny fifampiresahana handraisan'ireo roa mpanohana ny junta ao Myanmar—Soe Lynn Han, ambasadaoron'i Myanmar any Belzika sy Holandy, sy Khin Myo Myat, mpanolotsaina ara-politika ao amin'ny masoivoho.

Izany no nahatonga ny Forum Asia, izay noheverina ho filoha mpiara-mitantana ny forum, handao ny fifanakalozan-kevitra.

As a human rights organisation that champions people’s fundamental freedoms, we stand by our non-engagement policy with the junta, a perpetrator of grave human rights violations. We are in solidarity with the people of Myanmar and our Myanmar member organisations. We support their call to not lend further legitimacy and credibility to the junta.

In addition, the mere presence of officials loyal to the junta in such an event could compromise the safety and security of participating human rights activists who are expected to return to Myanmar and other Southeast Asian countries.

Amin'ny maha-fikambanana mpiaro ny zon'olombelona izay manohana ny fahalalahana fototry ny olona, dia mijoro amin'ny politikan'ny tsy irotsahana miaraka amin'ny jadona miaramila izahay, izay mpanitsakitsaka mafy ny zon'olombelona. Miray hina amin'ny vahoakan'i Myanmar sy ireo fikambanana mpikambana avy ao Myanmar izahay. Manohana ny antson'izy ireo izahay mba tsy hanome ny maha-ara-dalàna sy ny fitokisana ny jadona miaramila.

Fanampin'izany, ny fisian'ireo manampahefana tsy mivadika amin'ny junta amin'ny hetsika tahaka izao dia mety hanimba ny fiarovana sy ny filaminan'ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona mandray anjara izay antenaina hiverina any Myanmar sy any amin'ireo firenena hafa any Azia Atsimo Atsinanana.

Mpandray anjara 30 farafahakeliny no nanatevin-daharana ny dinika. Niresaka ny habibiana nataon'ny jadona miaramila i Eamon Gilmore, solontena manokan'ny Vondrona Eoropeana momba ny Zon'olombelona, .

The Myanmar junta security forces have carried out mass killings, arbitrary arrests, torture, sexual violence, and other abuses that amount to crimes against humanity. Freedoms of speech and assembly are severely restricted. The junta’s ineptitude and mismanagement of the country’s economy since the coup has heightened the suffering of the population and entrenched a climate of fear and insecurity.

Nanao famonoana faobe, fisamborana tsy ara-drariny, fampijaliana, herisetra ara-nofo, ary fanararaotana hafa mitovitovy amin'ny heloka bevava amin'ny zanak'olombelona ny mpitandro ny filaminana ao Myanmar. Voarara mafy ny fahalalahana miteny sy mivory. Nampitombo ny fijalian'ny mponina ny tsy fahavitan'ny junta sy ny tsy fahaiza-mitantana ny toekaren'ny firenena hatramin'ny fanonganam-panjakana  ary nahatonga ny rivotry ny tahotra sy ny tsy fandriampahalemana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.