Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jona, 2013

Tantara tamin'ny Jona, 2013

30 Jona 2013

Nametra-pialàna Ilay Biby Famantarana Ny Halemem-panahy Any Singapore

Singa, ilay liona maha-te ho tia any Singapore ary avy eo biby famantarana ny fahasoavana nanomboka tamin'ny 1982, dia nametra-pialàna. Raha nitaraina noho ny "fiaraha-monina miharatsy sy mahasosotra" izy, nahatsapa ny liona fa fotoana tokony hitsaharana izao. Raha ny fantatra dia nanao taratasy fametraham-pialana tamin'ny Hetsi-Pahasoavana ao Singapore mihitsy i...

Miara-manoratra Hira i Julian Assange, Calle 13, Sy Ireo Mpampiasa Twitter

René Pérez, fantatra hoe "Residente" avy amin'ny tarika Calle 13 — tarika iray izay manohitra ny karazana ankolafy —, sy Julian Assange, mpamorona ny Wikileaks, dia nanangona ireo hevitra sy sosokevitra avy amin'ireo mpampiasa Twitter mba hanoratra hira miaraka izay hampidirina ao amin'ny rakikiran'ny Calle 13 manaraka

Fampanantenana Rariny Ara-Piarahamonina ho an'ireo Tsy Manan-tany ao India

Nankatoavina nandritra ny fivoriana niarahana tamin'i Jairam Ramesh, minisitry ny fampandrosoana ny faritra ambanivohitra tamin'ny 15 aprily 2013, ny asa maharitra notontosain'ny Ekta Parishad, ( “diniky ny Firaisan-kina” [hi]) teny amin'ny faritra ambanivohitra mahantra indrindra ao India, ka nanekena ny fifanarahana anatiny miaraka amin'ny governemanta, hanomezana anjara masoandro ho an'ireo tsy...

Hamongotra Ny Andiana Fifindra-monina Vaovao Ve Ny Breziliana?

Mitarika andiana fifindra-monina any Brezila ny krizy ara-bola maneran-tany, ady ary ireo hetraketraky ny tontolo iainana. Ny fampiroboroboana ireo politikan'ny fifindramonina mahomby, noho izany, dia mitondra fandraisan'anjara amin'ny lazan'i Brezila ho tanjaka maneran-tany vao misondrotra.

Taokanto Maoderina Indiana Hita Tamin'ireo Lahatsary Fanadihadiana Miaraka Amin'ireo mpanakanto

Ny tetikasa Regarding India (Mitodika amin'ny Inde) dia andiana lahatsary fanadihadiana an'ireo mpanakanto Indiana mikasika ireo asany, izay tarihin'i Kathryn Myers, mpanao hosodoko sy mpampianatra ny taokanto amin'ny anjerimanontolon'i Connecticut.

Mandroso Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety Rosiana ny Lakozian'ny Kremlin

Akon'ny RuNet

Novaya Gazeta, iray amin'ireo gazety mpanohitra antitra indrindra ao Rosia, dia nampiditra ny tompon'ilay trano fisakafoanana tena ankafizin'i Vladimir Putin, tanatina raharaha hafahafa mba handisoana ireo sehom-baovao maro mavesa-danja indrindra any amin'ny firenena. Araka ny nolazain'i Novaya, ny "Concord" an'i Prigozhin, orinasa mpikarakara sakafo mifandraika amin'ny Kremlin [ru] dia tafiditra...

Herisetra Be Tamin'ireo Mpifakatia Mitovy Fananahana Sy Ireo Mpanohana Any Rosia

Akon'ny RuNet

Ny fotoana laninao nanohanana ireo zon'ny LGBT, dia hitondra anao haka aina eny amin'ny toby fitsaboana.

Raha Nipoahana Baomba i Kabul, Nanangana Birao Kosa Ny Taliban Tao Doha

Nampisahotaka ny Faritra Andrefan'ny tanànan'i Kabul, Afganistana ilay fipoahana baomba ny 18 Jona teo, izay nahafatesàna olona telo farafahakeliny ary naharatràna olona mihoatran'ny roampolo. Izany dia nitranga taorian'ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena (ISAF) izay nanaovan'ny miaramila famindram-pahefàna ofisialy tamin'ireo Hery fiarovana avy any amin'ny distrika Atsinanana sy Avaratra ambiny amin'ireo Hery fiarovana...

Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty

Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro. Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihina ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News...

Vietnam: Mpitoraka Bilaogy Voasambotra, Voampanga Ho Nanaparitaka Fampielezan-kevitra “Manohitra Ny Fitondrana”

GV Mpisolovava

Mpitoraka bilaogy telo avy any amin'ny mpanohitra ao Vietnam no nosamborina tanatin'ny iray volana latsaka. Samy voampanga ho nanaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana avokoa izy telo ireo.