Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Avrily, 2019

Tantara tamin'ny Avrily, 2019

30 Avrily 2019

Mandefa taratasy any amin'ny ICC (CPI) momba ny famonoana ireo mpitarika ara-tsosialy ireo Kolombiana mpikatroka

Mpitarika ara-tsosialy sy mpikatroka ara-piarahamonina mihoatra ny 163 no novonoina nandritra izay telo taona lasa izay tany Kolombia.

Rosia: Hetsi-panoherana An-kerim-po sy ny Lalàna

Tamin'ny 17 Novambra 2006, nankatò volavolan-dalàna iray manafoana ny tahàm-pandraisana anjara farany ambany indrindra (20%) ho an'ireo fifidianana rehetra any Rosia ny Duma Rosiana. Androany, nanao sonia izany ho lalàna ny filoha Vladimir Putin.

Azia Atsimo: Tsy fananana Asa, Fikambanan-drelijiozy, Valala, Mpangataka Mpanefoefo Ary Fandriana Fanampiny An'ireo Blaogera

Azia Atsimo, faritra iray amin'ireo mahantra indrindra erantany. Tsy fananana asa no iray amin'ireo olana goavana ho an'ireo firenena rehetra ao amin'ny faritra. Manoratra ampahany iray mikasika ny asa ao Azia Atsimo ny South Asia Biz. Dinihany ireo vavahadin-tserasera momba ny asaan-tambajotra any Nepal, India, Bangladesh, Pakistana, ary Sri Lanka.

Nandà Ny Fidiran'I Chelsea Manning i Aostralia Raha Nanome Fahazoandàlana Kosa I Nouvelle Zélande

"Milamina tsara ireo mpihantsy sy ny mpanavakavaka toa an'i Lauren Southern sy Milo, saingy ny mahery fo tahaka an'i Chelsea Manning no heverina ho toy ny loza mitatao.".

Libanona: Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana

Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana, samy resahana ato anatin'ny lahatsoratra daholo ny amin'ireo lohahevitra ireo. Arahan'ny fenhoankevitra miharo fanantenana sy ahiahy

Fanirian'i Netzahualcóyotl López, mpitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 29 Avrily ka hatramin'ny 5 May ny hisian'ny fitenin-janatany amin'ny aterineto

Rising Voices

Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Netzahualcóyotl López, mitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 29 Avrily ka hatramin'ny 5 May 2019 izay hiresaka ny asany amin'ny fiteny Mixtec.

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?

Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.

Syria: Fitanjahana sy ny fahasimban'ny fitondrantena

Fitanjahana firy amin'ny fahitalavitra no azo raisina ho toy ny zavakanto, ary firy amin'izany no mandray anjara amin'ny famotehana ny fitondrantena? Miezaka mamaly ity fanontaniana ity ilay bilaogera Syriana Emad [Ar]:

Shina: Mampiahiahy ny mpisera an-tserasera ny fikasan'ny governemanta hanitatra ny fanaraha-maso amin'ny Aterineto 

GV Mpisolovava

Nampiahiahy ny mpisera Shinoa amin'ny fanombohan'ny onjam-panentanana vaovao hanenjehana ny mpanohitra an-tserasera ny andian-dahatsoratra maromaro navoakan'ny zoro fampahalalam-baovaom-panjakana izay manamarina ny fisoratana ny tena anarana an-tserasera sy ny famoretana ny heloka an-tserasera.