Oktobra, 2019

Tantara tamin'ny Oktobra, 2019

Lazain'ny fitsarana Taiwaney ho tsy mahatapaka tamin'ny raharaha loza an-dranomazina ry zareo, mampiakatra ny raharaha ireo niharam-boina

  31 Oktobra 2019

Tamin'ny 14 Oktobra 2019, nesorin'ny Fitsaram-paritr'i Taipei ny fitoriana napetrak'ireo mpanjono Vietnamiana 8.000 tamin'ny Formosa Plastics Group ao Taiwan (FPG) noho ny loza an-dranomasina tamin'ny taona 2016 tany Vietnam. Nilaza ny fitsarana fa tsy manana fahefana hisahana an'io raharaha io izy ireo, saingy nampiakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ny mpisolovavan'ireo mpitory tamin'ny 24 Oktobra.

Mety hipoaka ao Trinite ny volokanom-potaka: efa niomana ve ny mponina?

  30 Oktobra 2019

Ao Trinite afovoany, vao haingana ny fotaka volkano Piparo no nampiseho famantarana hetsika mitombo, ampy hampisy fivakisana eny amin'ny arabe akaiky. Nisy trano iray manokana  niharan'ny fahasimbana ara-drafitra ary nitatitra ireo mponina ao Piparo fa nandre feo mafy sy setroka maimbo solfara amin'ny rivotra.