Tantara misongadina tamin'ny Novambra 2010
Tantara tamin'ny Novambra, 2010
Fanampiny momba ny fanenjehana ara-politika eto Madagasikara
Fanazavana lavalava ihany no nosoratan'ny mpamaham-bolongana Alain Rajaonarivony momba ny fisamborana mifandraika amin'ny raharaha politika vao nitranga teto Madagasikara (fr). Mitantara ny fandehan'ny fisamborana [na fisavana ny trano] nahazo azy ireo ny havana akaiky an'i Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy. Eto moa misy fanangonan-tsonia manameloka izao fanenjehana azy ireo izao (fr)...
Haiti: Fihetsiketsehana hanoherana ny Firenena Mikambana vokatry ny kôlera
Telo andro taorian'ny fanambarana ny trangan'aretina kôlera voalohany tany Haiti, The Life and Times of the Mangine Many namoaka tao amin'ny bilaogy: Tena marina? kôlera? Nataoko fa efa tsy nisy intsony ny fivoaran'ny kôlera taty andrefana. Ankehitriny, ny tena ratsy dia eto izy, eto Haiti. Hatramin'izao dia 138 no maty....
Fanambarana ny zon'ny teratany : Mitoka-monina i Etazonia ankehitriny fa nanasonia i Kanadà
Nanaiky ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny zon'ireo tompon-tany i Kanada, ary mametraka an'i Etazonia ho firenena tokana manohitra ity fanambarana ity.
Ekoatera: Fanentanana “Diovy Quito” iadiana amin'ny siligaoma
Efa mba noeritreretinareo ve hoe ohatrinona no lanin'ny fiadidian'ny tanàna hanesorana ny siligaoma mipetaka amin'ny lalana rarivato? An'arivony dôlara ny vola lany hanadiovana ny arabe hiadiana amin'ny fahazaran-dratsy manary siligaona amin'ny tany. Manao fanentanana amin'ny fanalana siligaoma mipetaka amin'ny tany sady mba mampadio kokoa ny renivohitra ny fiadidiana ny tanàna sy ny sakoly maro ao an-toerana.
Madagasikara: Ny fizotry ny fanongam-panjakana tsy nahomby raha zohina arak'ireo Tweets
Ary satria efa toa zary isan-taona mihitsy no itragan'ny tetika fanonganam-panjakana any Madagasikara, ny fandefasana Twitter ataon'ireo mponina any an-toerana dia ahitana taratra ny fivoatry ny fiokoan'ny manamboninahitra maromaron'ny tafika, ny sasantsasany amin'ireo vao avy nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana nahomby tamin'ny taona 2009. Avylavitra no nandrohy Tweets ho vakana ahafahana manaraka mandritra ny andro mifanesy izay fizotr'ity fanongam-panjakana tsy nahomby ity.
Thailandy: Fatin-jazarano 2000 tao amina toeram-pivavahana Bodista
Maherin'ny 2000 ireo zazarano nalàna tsy ara-dalàna tratra tao amin'ny toeram-pivavahana Buddhist tany Thailand, ary namelona indray ny adihevitra izany momba ny hoe sao dia efa tonga ny fotoana tokony hanavaozana ny lalàn'ny firenena momba ny fanalàn-jaza. Mizara ny heviny ireo mpampiasa aterineto.
Fiji: Inona no tian'ny fanjakana atao amin'ny Rano FIJI?
Marika iray anisan'ny manankarena indrinda manerantany ny Rano Fiji, zava-pisotro lafo anaty tavoahangy. Mila ny sombontsombin'izany ve ny fitondrana miaramila Fijiana?
Amerika: Tsiaro an'aterineto mpifindra monina 72 tratran'ny famonoana faobe
Taorian'ny roa volana farany teo, dia nanangana tetikasa amin'ny alalan'ny aterineto ilay mpanao gazety fanta-daza Alma Guillermoprieto vokatry ny famonoana olona miisa roa amby fitopolo niseho tao amin'ny firenena Meksikan'i Tamaulipas tamin'ny volana Aogosotra taona 2010. Ny 72migrantes.com dia vohikala natao hanehoam-pahatsiarovana an'ireo mpifindra monina novonoina ho faty.
Tonizia: Fanombohan'ny Fanentanana Manokàfa Bilaogy
Taorian'ny fito volana nipetrapetrahan'ny fitorahana bilaogy, noho ny faneriterena nataon'ny manampahefana niafara tamin'ny nandràrana bilaogy efa ho 100 mahery, namondron-kery ireo Toniziana mpitoraka bilaogy ka nankahery ny olona mba hanomboka hizara ny eritreriny sy ny zavatra iainan'izy ireo eo anivon'ny aterineto. Vao natomboka nalefa mihitsy ny "Manokàfa bilaogy" hisarihana mpitoraka bilaogy vaovao ho ady amin'ny sivana.
Madagasikara: Fikasana hanongam-panjakana mandritra ny referandaomy
Notanterahina teto Madagasikara tamin'ny 17 novambra 2010 teo moa ny fitsapan-kevi-bahoaka nampiady hevitra ny olona izay takon'ny filazana fanonganam-panjakana tsy nisy ra mandriaka indrindra hatramin'izao nitranga teto amin'ny nosy.