Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jona, 2012

Tantara tamin'ny Jona, 2012

30 Jona 2012

Jordania: Zo Fototry Ny Vehivavy Ho Amin'ny Fahamendrehana Sy Ny Fifamatorana Sosialy

Maherin'ny olona 200 no namorona rojon'olombelona iray tany amin'ireo araben'i Amman ny harivan'ny Alatsinainy 25 Jona, mitazona sora-baventy maneho ny fijoroana manohitra ireo heloka bevava atao amin'ny anaran'ny voninahitra, fanaovana antsojay, fanavakavahana fihaviana manoloana ireo zanaky ny vehivavy Jordaniana, ary ireo mpanolana nomena fahafahana hanambady ny nampiharany ny habibiany mba...

29 Jona 2012

Shina: Noteren'ireo Mpiasam-panjakana Mpanao Kolikoly Hanala Zaza Nefa Efa Tara Loatra

Nieli-patrana manerana ny fampahalalam-baovao sosialy sy ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika ka niteraka fenehoan-kevitra an-katezerana ny sarinà vehivavy iray tao amin’ny faritanin’i Ankang Shaanxi, ao Shina noterena hanala zaza tamin’ny fotoana efa tara. Mpitranga matetika ny karazan-javatra toy izao saingy tsy vitan’ny lalàna sinoa ny manafay ireny fihetsika ireny. Izany...

28 Jona 2012

OpenWatch: Fampiasàna Ny Finday Hahafahan'ny Vahoaka Manara-maso

Rising Voices

Ny OpenWatch dia tetikasan'ny mediam-bahoaka fampandraisana anjara izay mampiasa ny teknolojia fitondra mandehandeha mba hampalalaka ny fanaraha-mason'ny vahoaka ny fanaovana kolikoly sy ny famoretana. Mizara roa ny OpenWatch, rindrambaiko anaty finday ho an'ny Android sy ny iOS izay mitahiry feo sy lahatsary an-katakonana, ary rindrambaiko manana loharano misokatra hanangonana ireo...

Ejipta: Fampahafantarana Ny MorsiMetatra

Teknolojia mampangarahara asa

Taorian'ny 32 taona nitondran'i Hosni Mubarak, manana filoham-pirenena vaovao sy rindrambaiko vaovao ny Ejiptiana mba hanaraha-maso ny fizotry ny asan'ilay filoham-pirenena vaovao Mohamed Morsi ary ny fivoaran'ny fanatanterahana ireo toky 64 goavana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra notanterahany.

Ejipta: Mohamed Morsi No Filoha Vaovaon'i Ejipta

Mohamed Morsi no voatendry ho filoha vaovaon'i Ejipta. Tsindrian-daona ireo mpiondana aterineto miandry izay ho fanambaran'ilay filohan'i Ejipta manaraka.

26 Jona 2012

Myanmar: Mankalaza ny Tsingerintaona Nahaterahan'i Aung Ireo Mpampiasa Aterineto

Nandefa fiarahabana an'ilay mpitarika ny mpanohitra, Aung Suu Kyi izay any Eoropa noho ny fivoahany ny firenena voalohany indrindra taorian'ny roampolo taona izao, ireo mpampiasa aterineto ao Myanmar. Manontany tena ireo mpampiasa aterineto ny amin'ny antony tsy nandrakofan'ireo tambajotran'ny mediam-panjakana ny fanambarana nanolorana an'i Suu Kyi ny Loka Nobel an'ny...

Orogoay: Tolo-dalànan'ny Governemanta Hanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fanjifàna Marijuana

Niteraka fanehoan-kevitra mifamahofaho ny filazana hoe manosika ny hanaovana izay hampalalaka ny famarotana ambany fanaraha-mason'ny marijuana ny governemanta Orogoaiana. Ilay tolo-dalàna dia atolotra ho toy ny fepetra hisorohana ny fanjifàna sy fanelezana ny fetanà cocaine ("pasta base" amin'ny teny Espaniola), zava-mahadomelina tena fantatra eny anivon'ny tanora Orogoaiana.. Nalaky tamin'ny fanehoan-kevitra...

25 Jona 2012

Shina: Voasakana Nandritra Ny Fotoana Tsy Maharitra Ny co.jp, Ilay Sehatra Sangany Amin'ny Firaketana Anarana

GV Mpisolovava

Nosakanan'ny Great Firewall Sinoa mihoatra ny 30 ora ilay sehatra sangany amin'ny firaketana anarana, co.jp

Iran: Hiran'ny Fahafahana

Ny United4Iran, fikambanana iray tsy mitady tombontsoa manao fampielezan-kevitra momba ny zon'olombelona any Iran, dia manao dingana miaraka amina rakikira ao anaty aterineto voatokana hamelona indray ny fanantenana hisian'ny fahalalahana miteny ho an'ireo Iraniana.

Faha-5 taonan'ny RV: Media Vaovao Ho An'ireo Mafana Fo Momba Ny Fahasalamana

Rising Voices

Nanome fanohanana bitika ho anà tetikasa mediam-bahoaka miisa enina mifantoka amin'ny fahasalamana ny Rising Voices sy ny Tetikasan'ny Mediam-pahasalamana ao amin'ny Open Society Institute tamin'ny taona 2008. Iray amin'ireo tetikasa tohanana ireo ny tetikasan'ny fikambanana AZUR Development miaro ny zon'ireo voan'ny SIDA any Brazzaville, Kongô izay nanofana ireo mpiasan'ny fifandraisana...