Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Marsa, 2017

Tantara tamin'ny Marsa, 2017

27 Marsa 2017

Nosamborin'ny Manampahefana Emira Arabo Mitambatra Ny Mpikatroka Mpiaro Ny Zon'Olombelona Iray Ary Nohalavaina Ny Fihazonana Ny Hafa

GV Mpisolovava

Tamin'ny 20 Martsa, nisambotra ilay mpiaro ny zon'olombelona Ahmed Mansoor tao an-tranony ny polisy.Nandà ny hamoaka an'i Osama al-Najjar ny manampahefana Emirà Arabo Mitambatra mandritra izany , na dia efa nahavita ny saziny tany am-ponja aza izy.

Ny Mpamono Olona Be Indrindra ao Zeorzia? Ny Arabeny

Ny 22 Martsa, tao Tbilisi, renim-pianakaviana iray niaraka tamin'ny zanany vavy nijoro teny amoron-dàlana no nofaohan'ny fiara iray. Maty teo noho eo ilay zazavavy 11 taona.

Tsy Tian'ny Afrikana Tatsimo ny Hikitihan'ny Fanjakana ny Media Sosialy

Nilaza ny Minisi-panjakana misahana ny Fiarovana ao Afrika Atsimo, David Mahlobo, fa mihevitra ny handrindra ny media sosialy ny fanjakàna mba hanoherana ireo fitantaràna diso sy fiparitahan'ny faikam-baovao ny governemantany.

26 Marsa 2017

Mandoto Rindrina Amin'ny Pejy Facebook Vaovao Natsangan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Shinoa Ireo Mponina ao Hong Kong

Raha nanokatra pejy Facebook ofisialy ny Minisiteram-bahiny Shinoa, feno fanehoan-kevitra tezitra avy hatrany izany

Miara-miasa Amin'ny Tanora Guatajiagua Mba Hamelona Indray ny Teny Potón Ao El Salvador

Rising Voices

Nikarakara ny fotoana fandraketam-peo sy fampianarana fampahafantarana ny asa fanaovan-gazety, mifototra amin'ny fifandraisana indizeny ny andian-tanora, mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Vondrom-piarahamonina Lenca ao Guatajiagua (ACOLGUA).

25 Marsa 2017

Simban'ny Sambo Britanika Mpitatitra Mpizahatany Ireo Vatohara Any Papoazia Andrefana

Mety haharitra an-jato taonany ny fanirian'ity faritra potika ity. Mila mandray andraikitra noho izany ary manampy amin'ny fanarenana ity harambato ity ny Noble Caledonia!

Nahazo ny Fankatoavana Nilaina ny Teny Swahili, Fiteny Faharoa Be Mpiteny Indrindra eto Afrika

Rising Voices

Ny Swahili no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra ato amin'ny kaontinanta Afrikana. Na izany aza mbola tsy vonona ara-barotra ny famantaran-teny mandeha ho azy amin'ity fiteny ity, ka manilika ny mpiteny azy tsy hahazo ny torohay ilainy.

Rafi-pamonjàna Mahafaty Ao Brezila Sy Ny Mpamazivazy Ao Amin'ny Aterineto Mankasitraka Izany

Miaina krizy mbola tsy nisy toy izany amin'ny rafi-pamonjàny i Brezila ankehitriny. Tao anatin'ny tapa-bolana monja tamin'ity taona ity, niteraka fahafatesana maherin'ny 130 ny fitroarana tao amin'ireo fonja manerana ny fanjakana valo.

Nanolotra Fiarovana Avy Amin'ny Fitsarana Eoropeana Ho An'ny Olona An'Arivony Ny Mpitarika Mpanohitra Rosiana

Akon'ny RuNet

Nilaza i Alexey Navalny raha nitanisa ny fahombiazan'ny vondrony teo aloha fa tokony hahazoana onitra any amin'ny 10.000 euro ho an'ny olona tsirairay notànana tsy ara-dalàna sady ampandoavina lamandy ny fivoahana amin'io Alahady io mba hanaovana fihetsiketsehana miady amin'ny kolikoly.

24 Marsa 2017

Fitsidihana Foibe Iray Fitsaboana Aretin-tsaina Ao Moskoa

Akon'ny RuNet

Vao haingana izay, nitsidika tovolahy iray tany aminà foibe fiahiana olon-dehibe ao Moskoa i Vera Shengelia, Rosiana iray mpanao gazety sady mpikatroka mafana fo ho an'ny fahasalamana ara-tsaina. Nampihorohoro azy ny zavatra hitany.