Septambra, 2018

Tantara tamin'ny Septambra, 2018

Ejipta: Taratasy Iray Vaovao An'ny Blaogera Voafonja, Blaogera Roa Nafahana, Nanjary Nalaza Be Ireo Fiarahana Manao Blaogy

  28 Septambra 2018

Tao anatin'ny fanangonana an'ireo blaogy Ejiptiana tamin'ity herinandro ity: mandefa taratasy iray hafa avy ao am-ponja i Karim Amer, blaogera voafonja, maneho ny maha irery azy sy ny fihetsehampony mikasika ny tsy rariny, navotsotra avokoa ireo blaogera voasambotra tamin'ity herinandro ity, sarimihetsika tao amin'ny foiben'ny antoko Al-Ghad, ary ny lazan'ny zava-misy amin'ny fiarahana manao blaogy ao Ejipta.

Madagasikara: Ary rehefa eo am-pelatanan'ny tafika ny fitondrana ?

  28 Septambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanaitra an'i Madagasikara ny vaovao momba ny fikomiana tao amin'ny toby miaramila iray teto Antananarivo  ny 10 Martsa 2009. Niparitaka tany amin'ny toby miaramila hafa ny fikomiana nanomboka tamin'izay ary nametra-pialana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Vice-Amiral Mamy Ranaivoniarivo....

Zeorzia: Hiaraka hatory amin'i Shorena ve ianao?

  28 Septambra 2018

Nanantena ny hanao revolisiona ara-pananahana ny fandaharana kanefa tsy nahomby satria efa nandositra ny toe-tsaina hoe "tsy mila firaisana ara-nofo eto URSS" i Zeorzia. Efa lohahevitra tsy fady intsony izany ary angamba efa nisy ny revolisiona ara-pananahana, saingy tamin'ny fomba malefadefaka.

Fankalazana ny Ashura manerantany

  28 Septambra 2018

Muharram, volana voalohany amin'ny alimanaka Islamika, no fotoam-pisaonana ho an'ireo Silamo Shiita. Mandritra izany volana izany, mankalaza ny fahafatesan'i Husain, zafikelin'ny Mpaminany Mohammed sy ny Imam shiita fahatelo, ao amin'ny Ady tao Karbala izy ireo. Tonga amin'ny fara-tampon'ny Ashura, andro fahafolo amin'ny volana ny lanonana fisaonana.