Tantara misongadina tamin'ny Marsa 2013
Tantara tamin'ny Marsa, 2013
Nandresy Tamin'ny Lalao Fifaninanana Baseball Manerantany Ny Repoblika Dominikana
Faly sy ravoravo ny fon'ireo Dominikana noho ny ezaka vitany tsy mampino nandritra ny fifaninanana Baseball Klasika Manerantany III. Tamin'ny Talata 19 Martsa 2013, nandrombaka ny fandresena farany tamin'ny Lalao Baseball Manerantany 2013 ny ekipa Dominikana, rehefa avy nandresy ny ekipa nasionaly Poerto Rikàna [es] tamin'ny isa 3-0. Tao anatin'ny Lalao Klasika, sambany nandrombaka...
Mifidy Kandida Ho An'ny Fifidianana Filoham-pirenena Ireo Antoko Mpanohitra Any Panama
Nifidy ireo izay ho kandidà ho an'ny fifidianana filoham-pirenena 2014 ireo antoko politika roa goavana tena mpifanandrina any Panama. Miha-mafana izany ary mitaky fifaninanana avo lenta ny vahoakan'i Panama any amin'ireo vohikalan- tambajotra sosialy.
Didy Fampisamborana Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah Noho Ny Resaka Sioka Tamin'ny Twitter
Tonga nitono-tena tao amin'ny mpampanoa lalàna ilay bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah tamin'ny 26 Martsa taorian'ny didy fampisaborana navoaka ho azy ny alin'ny 25 Martsa. Mikasika ny fifandraisany amin'ny mpanjakavavy Joumana ny fanadihadiana, sy ireo sioka Abd El Fattah ary ny filazan'ity mpanjakavavy ity momba an'i Abd El Fattah...
Mandrahona Hanakatona Ny Skype sy ny WhatsApp i Arabia Saodita
Mandrahona hanakatona ireo fitaovam-piseraserana malaza, tahaka ny Skype sy ny WhatsApp (tolotra fandefasan-kafatra amin'ny finday) i Arabia Saodita, Fahavalon'ny Aterineto, koa asa raha hanaiky hanohintohina ny fiainana manokan'ireo mpanjifa sy hanara-maso azy ireo ny orinasam-pifandraisana. Brian Whitaker, mibilaogy ao amin'ny Al-bab, nilaza momba ireo manampahefana Saodiana fa: mandrahoana hanakatona ny fampiasana ireo fitaovam-pifandraisana...
Lahatsary: Mampiroborobo Ny Fitomboan'Ireo Horonantsary Fanadihadiana Ny Krizy Ao Gresy
Ny Fetibe Thessaloniki faha-15 ho an'ny Fanadihadiana - tanterahina ny 15 ka hatramin'ny 24 Martsa 2013 - dia ahitàna horonantsary dimy miresaka momba ny krizy Grika [el], tahaka ny tamin'ny herintaona lasa [el]. Raha mbola manohy miasa eo ambanin'ny trosa miavosa sy ny olan'ny fitsitsiana mafy amin'ny famoaham-bola ny Fetibe sy i Gresy iray manontolo, dia samy mihamifantoka amin'ny asan'izy ireo amin'ny fanehoana ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiaraha-monina avokoa ny mpamokatra horonantsary foronina sy fanadihadiana.
Madagasikara : Lahatsary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona
Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona aty Madagasikara: Misy reny iray nijoro vavolombelona ao anaty lahatsary : Zanako amin'zay moa mianatra izy, ataony amin'zay za tsisy...
Milina Coca Cola ‘Out of Order’ na Simba ao Aostralia
Nisy fanentanana nahasehaka ny firenena manohitra ny Coca Cola taorian'ny fandresena teny anivon'ny Fitsarana momba ny lalàna mahasahana ny fonon'entana tao amin'ny Sisintany Avaratra (Northern Territory) ao Aostralia tamin'ny 4 marsa 2013. Indro i Robin Tennant-Wood namehy izany tao amin'ny bilaogy The Conversation : After the introduction of the Northern Territory’s CDL...
Aostralia: Hetsiky Ny Mponina Enti-manohitra Ny McDonald Any Amin'ny Vohitr'izy Ireo
Nanana fifandraisana mivantana tamin'ny hetsi-panentanana anaty aterineto ny hetsika fanoheran'ireo mponina ny McDonald vaovao any amin'ny havoanan'i Melbourne any ivelan'ny tanànan'i Tecoma. Ho fanampin'ireo fanasàna atidoha, fivoriana sy fidinana an-dalam-be, nitondra zava-mahafinaritra ho an'ireo hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ny famelàna olona kely an-jatony eo amin'ny tohotohotry ny birao foiben'ny McDonald ireo mafana fo.
Lahatsary Ahitàna Mpianatra Misedra Ny Tsenan'asa Tsy Misy Indrafo Ao Japana, Mihodina Be Aty Anaty Aterineto
Lasa mihodinkodina be aty anaty aterineto ny lahatsary fanentanana fohy mampihetsi-po "Recruitment Rhapsody", izay fitaratry ny dingana henjana sy feno sakana ho amin'ny fihazakazahana mitady asa izay tsy maintsy iaretan'ireo Japoney mpianatra, ary efa in-350.000 no nisy nijery
Global Voices Any Amin'ny OECD – Fikaonan-Doha Iraisam-Pirenena Momba Ny Fampandrosoana
Nomena fahefana hitoraka bilaogy mivantana ny OECD Global Forum on Development na Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana atao any Paris ny 4 sy 5 Aprily 2013 ireo mpitoraka bilaogin'ny Global voices. Ho fanomanana ny fivoriana dia nametraka lahatsoratra momba ireo olana amin'ny fandrosoana izay hanampy amin'ny adihevitra atao amin'ny aterineto isan-kerinandro.