Tantara tamin'ny Oktobra, 2021
Takela-by manesoeso mamely ny fijoro marefon'ny governemanta Aostraliana amin'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny COP26 any Glasgow
"Ihomehezan'izy ireo isika ao amin'ny Times Square, araka ny tokony ho izy: vazivazy lehibe indrindra eto an-tany ny valintenintsika momba ny fiovaovan'ny toetrandro.
Filma raràn'i Hong Kong noho ny filaminam-pirenena ary voasazy izay mandefa izany tsy nahazoana alalana
Mety ho afa-miditra amin'ny toerana iray tsy manana taratasy fandidiana avy amin'ny fitsarana ihany koa ny inspektera iray nomen'ny sampan-draharahan'ny fanaovana sivana alalana raha miezaka ry zareo hampiato ny fijerena filma iray na ny famoahana raha toa "ka tsy azo tanterahana ara-pratika" ny fahazoana didy an-taratasy.
Milaza ny FTMF fa iharan'ny herisetran'ny miaramila sy ny milisy ireo mponin'i Sinai Avaratra ao Ejypta
Voarakitry ny Orina Mpanasoa Sinaï miaro ny zon'olombelona fa nanao tifitra variraraka, fanafihana an'habakabaka mikendry trano sivily, fanesorana olona amin'ny taniny, fisamborana an-tondromolotra, ary famonoana olona ivelan'ny fitsarana ny tafika.
Ny naposaky ny Pandora Papers manerana ny firenena miteny paortiogey
Mpanao politika maro no voarohirohy tany Angola, Mozambika ary Portiogaly. Talohan'izay, tsy mbola voapaingotra tamin'ny afera maizina any ivelany ny anaran'izy ireo.
Mpianatra Malayziana mifampizara lesona mampiasa fitaovana ankihy hampiroboroboana fiteny indizeny
Manana hirika ny mpianatra hanavatsava, hieritreritra ary hamakafaka ny fomba fiasa sy ny anjara asan'ny fiteny vazimba ao amin'ny fiarahamonina sy ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba.
Voahazona amin'ny resaka fifindra-monina ao Jamaika ilay olona voalohany ahiahiana ho namono ny filoham-pirenena Haisiana
Mbola ho fantatra ny antsipirihany, saingy voasambotra tao Jamaika ny ahiahiana, teratany Kolombiana Mario Palacios Palacios ary nogadraina amin'ny fiampangana ara-pifindra-monina.
Fivarotana idiram-piara McDonald's iray ao Japan nahazo fitsidihana avy amin'ny soavaly nohasinina
Ranty malaza iray ao amin'ny Twitter japoney no manome topimaso ny fifandraisana hatry ny ela eo amin'ny soavaly sy ny toeram-pivavahana Shinto ao Japana.
Niala tamin'ny fifanarahana niarahana tamin'ny mpanohitra sy ny Vondrona Eoropeana ny antoko Georgian Dream
Nisintaka tamin'ny fifanarahana teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny antoko eo amin'ny fitondrana Georgian Dream.
Tsikaritr'i Etiopia fa ambany kalitao ny tetikasa sy ny vokatra Shinoa
Mifanohitra amin'ny fankasitrahana ofisialy, matetika manakiana ny kalitaon'ireo tetikasa ireo sy ny vokatra sinoa amidy any Etiopia ny vahoaka Etiopiana.
An'arivony mivory ao Tbilisi mitaky ny hanafahana ilay filoha teo aloha nogadraina
Ao an-drenivohitra Tbilisi, Georgia, mponina an'arivony no mivory eo amin'ny kianja afovoany tamin'ny 14 Oktobra, ho fanohanana ny filoha teo aloha Mikheil Saakashvili, izay tao anatin'ny faha-14 andro nanaovany fitokonana tsy hanendry hanina ao am-ponja.