Tantara misongadina tamin'ny Oktobra 2018
Tantara tamin'ny Oktobra, 2018
Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko
Nanana areti-maso antsoina hoe akrômatopsia i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny "Eyeborg" izy hanampy azy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka hamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.
Bahrain: Afaka Miara-miaina ve ny Demôkrasia sy ny Finoana Silamo?
Afaka mipetraka anatin'ny fiarahamonina Silamo ve ny demôkrasia? Izany no fotodresaka teo amin'ireo bilaoera Bahraini androany.
Efa Hita amin'ny Teny Sinoa ny Torolàlana amin'ny Fitorahana Blaogy Miafina Anarana
Efa afaka alaina amin'ny teny sinoa ankehitriny ilay torolàlana "Anonymous Blogging" izay novokarin'i Ethan Zuckerman. Na izany aza, nomarihiny fa raha toa ka tsy ilaina ny manafina anarana dia iangaviana mba tsy hampiasa ireo paikady ao anatin'ity torolàlana ity isika.
Shina: ”Tsy Hivarotra Aho Na Dia Mamono Ahy Aza Izany”
Lasa adala amin'ny kapitalisman'ny petrabola isan-karazany i Shina—ara-bakiteny, tamin'ny trangan'ilay mpampiasa vola iray izay tsy afaka nijery ny petrabolany tanaty aterineto rehefa nidina ny lanjan'ny vola tamin'ny herinandro farany teo. Saingy matokisa ireo mpampiasa aterineto mba hahita hatsikana ihany ao anatin'izany rehetra izany.
Shina: Niala i Liu Xiang ary Malahelo Izahay
Nanohina an'i Shina ny Alatsinainy teo ny fahenoana fa naratra ny tongotr'i Liu Xiang ary tsy afaka ny hifaninana mandritra ny fotoana voafetra izy. Naverin'i He Caitou navoaka tao amin'ny Baidu ilay resaka ny fanehoankevitra iray nivoaka iray volana lasa izay, nilazan'ny olona iray fa nanofy ny zava-nitranga ny tenany.
‘Manampy’ Amin'ny Fanavotana ny Fiteny Zanatany Andeana ireo Mpanoratra ao Amerika Latina
Ankehitriny, efa hita amin'ny teny Quechua (fiteny zanatany Andeana) ny asa soratr'ireo mpanoratra ao Amerika Latina, isan'izany i Mario Vargas Llosa sy Gabriel García Márquez, tamin'ny alàlan'ny hetsiky ny governemanta tao Cusco.
Manao Printy ny Angona Akanjo 3D Voalohany Indrindra Eran-tany ny Tanora Israelianina Iray Mpamorona Lamaody
Ny tanjoko dia ny hamorona akanjo vonona hotafiana avy ato an-trano amin'ny alàlan'ny fampiasàna ireo fanaovana printy azon'ny rehetra jifaina. Azontsika atao ve ny hamorona, hizara ary hanao printy mivantana avy ao an-trano ny akanjontsika atsy ho atsy?
Mandà ny Hijery ilay Tanàna-Zaridaina ao India Hivadika Fitoeram-pako ireo Olompirenena
Aleon'ny mponina mitady fomba vaovao hamahana ny olana eo amin'ny habetsaky ny fako vokarin'ny tanàna toy izay hanebaka ny ezaka ataon'ireo manampahefana hifehezana ny olan'i Bangalore eo amin'ny fandrindrana ny fako.
Manangon-bola Hanaovana Horonantsary Fanadihadiana ilay ‘Ôrkesitra Voahodina’ ireo Mpamokatra Horonantsary
Miaina voahodidina fako ireo ankizy ao Cateura, tanàna mahantra ivelan'i Asunción, Paragoay. Aminà toerana izay mahalafo ny lokanga mihoatra nóho ny trano iray, manova ny fiainan'ireo ankizy ireo ilay mpiangaly mozika, Fabio Chavez, amin'ny fampianarana azy ireo hitendry mozika miaraka aminà zavamaneno vita avy amin'ny fako.
Venezoelà: Ilay Poeta Nankafy ireo Zavatra Tsotra teo amin'ny Fiainana
Niaina tanaty fahatsorana hatrany i Nazoa. Naneho ny hakanton'ny andavanandro sy ny fanahy mahatsikaiky misy ao anatin'ny Venezoeliana rehetra izy no sady niaro ny Zon'Olombelona nandritra ny taompolo 60 tao Venezoelà. Manome voninahitra ity poeta ity, izay nanana fitiavana miavaka ireo zavatra tsotra teo amin'ny fiainana, ireo bilaogera Venezoeliana.