Marsa, 2009

Tantara tamin'ny Marsa, 2009

Irak : Enin-taona no lasa

  30 Marsa 2009

Enin-taona sahady izao ny ady tany Irak, ary raha mitodika ny lasa ny mpitoraka bilaogy dia tsy misy te hieritreritra ny ho avy. Ilay mpitoraka bilaogy voalohany, Salam Pax, izay nanomboka ny tontolon'ny bilaogy tany Irak no mijery ny 6 taona lasa tamin'ny fotoana nanombohan'ny ady. Ao amin'ny sorany maromaro...

Serbie : Fahatsiarovana ny faha10 taona nandarohan'ny OTAN baomba

  29 Marsa 2009

Ny 24 martsa 1999 no nanomboka nanafika an'i Serbie sy Montenegro ny OTAN. Naharitra 78 andro ny fandarohana baomba. An'arivony vitsivitsy ny olona maty tamin'izany, ary tranobe maro, tetezana, lalamby, lalana ary orinasa maro koa no potika. Ary fanampin'izany, olona maro no mbola miaina ny vokatra ara-pisainana sy ara-batana noho...

Fiombonambe Eropeana-Ukraine: Resaka fifanatonana.

  14 Marsa 2009

Nambara ampahibemaso tao amin'ny EU-Ukraine Summit tany Paris tamin'ny 9 septambra ny fikasan'ny Fiombonambe Eropeana  hanamafy  ny Fifanekem-piaraha-miasa miaraka amin'ny Ukraine tamin'ny 2009. Fomba samihafa no nentin'ny haino aman-jery sy ny mpitoraka blaogy maro nandray izany. “Manolotra antoka ho an'i Ukraine ny Fiombonambe Eropeana,” hoy ny lohatenin'ny BBC. “Tsy mampanantena...

Haiti:Na Fetibe [carnaval], na tsy misy

  13 Marsa 2009

Ny fifandimbiasan'ny loza voajanahary tany Haiti tamin'ny 2008 toy ny orambe narahin-drivotra mahery Ike, Hannah sy Gustav ary ny firodanana mahatsiravin'ny sekoly fanabeazana fototra tamin'ny Novambra, tany Pétionville, dia nahatonga ny fankalazana ny fetibe [ny karnavaly] ho mitombina sy tena  ilaina tao Haiti tamin'ity taona ity.. Hatramin'ny 4 Janoary,  ny...

Pakistana: Nanjakan'ny tahotra ny lalao Cricket!

  12 Marsa 2009

Andian-jiolahy roambin’ny folo no nanafika ireo ekipa mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amina hazo) androany maraina mialoha ny lalao niaraka tamin’ny ekipa Pakistana tao Lahore. Nahafaty olona fito ireto tsy mataho-tody lian-drà, anisan’izany ireo polisy 5 maty voatifitra ary teo koa ireo mpilalao Sri Lankey 6 naratra. Mitana fitaovam-piadiana hari-fomba ireto mpampihorohoro,...

Ejipta : mandrisika an'i Arabie Saoudite hampitsahatra ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy i Dalia Ziada

  12 Marsa 2009

Amin'izao andro fahatsiarovana ny andro nahaterahan'ny Mpaminany Mohamed izao dia manentana ny olona rehetra i Dalia Ziada hanery an'i Arabie Saoudite hampitsahatra ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy Silamo manerana ny tany! Nanomboka tamin'ny firesahana ity andro fankalazana ity tany Ejipta i Dalia: Androany, Ejipta-ary Ejipta irery- no nankalaza ny andro...

Ejipsiana manohitra rikoriko: fampielezan-kevitra anterineto anoherana ny tabilaoben’ny Maadi

  11 Marsa 2009

Nifoha tamin'ny torimasony ny mponina Maadi teo anatrehan'ireo tabilaobe elekronika izay napetraka teo amin'ny fidirana mankao amin'ny faritra misy azy ireo. nandray ny fanapahan-kevitra ny mpamaham-bolongana iray manohatra ny kirakira vaovao anterineto, ary mitarika ny mpanohana rehetra hametraka ny lalana vaovao entina hamehezana ny fampiasana ny tabilaoben-dokambarotra sy hiarovana ny tontolon'ny faritra, araka ny tatitra nentin'i Nermeen Edrees.