Noresahan'i Filip Noubel tamin'ny DoubleThinkLab, mpiara-miasa amin’ny GV momba ny fitsidihana tany Kyiv tamin'ny volana Septambra teo

Ny 6 Oktobra teo i Filip Noubel, Tonia Mpitantana ato amin’ny GV, niresaka tamin'ny teny Shinoa tamin'ireo mpihaino Taiwaney tamin'ny DoubleThinkLab mpiara-miombon'antoka amin'ny GV momba ny fitsidihana tany Kyiv tamin'ny volana Septambra izay nihaonan’izy ireo tamin'ny solontenan'ny fiarahamonim-pirenena, ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta, ary ny fampitam-baovao mba hiresahana momba ny fifandraisan'i Okraina-Taiwan sy ny fitoviam-pijery ao amin-dry zareo.

Miara-miasa amin'ny mpihevi-draharaha Taiwaney DoubleThinkTank amin'ny tetikasa maromaro ny Global Voices, anisan'izany ny China Index izay mampiseho an-tsarintany ny fitaoman’i Beijing any amin'ny firenena miisa 80 mahery.

Indro àry ny lahatsarin'ny fifanakalozan-kevitra eto ambany amin'ny teny Shinoa miaraka amin’ny dikantsoratra anglisy.

Manomana fitantarana manokana momba ny fifandraisan'i Taiwan-Okraina ihany koa ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.