Jona, 2018

Tantara tamin'ny Jona, 2018

India : Hadisoana, Media Ary Mumbai

  30 Jona 2018

Na izany aza, mahamarika singa maha-velom-panantenana ihany izy : 7.6% ny harinkarena faobe. Nidina 8.84% ny sondrobidim-piainana, izay, hoy izy manampy, "farafaharatsiny mba zavatra kely afaka ireharehàna"

Maraoka: Tsy ny orana irery ihany no fototry ny olana rehetra

  30 Jona 2018

Tany Maraoka, nanosika ireo bilaogera haneho ny tsy fahafaliany tamin'ny aterineto ny tondra-drano noho ny tsy fahampian'ny foto-drafitrasan'ny kaominina. Nihodina ny tanàndehibe izy ireo, naka sary sy horonantsary ary nizara ireo tranga niseho izay tsy dia fahita loatra ao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Ireto ny tatitra nataon'izy ireo.

Kioba: Tsingerintaona Faha-55 Taonan'ny 26 Jolay 1953

  29 Jona 2018

Tao Kiobà tamin'ny taona 1953, teo amperin'ady hanohitra ny jadona nataon'i Fulgencio Batista izay nahazo tohana tamin'ny fiarovan'ireo Amerikana, nitarika vondrona iray nisy an'ireo tanora revolisionera i Fidel Castro nandritra ny fanafihana ny Toby Moncada tao Santiago. Ankehitriny io hetsika io dia fantatra amin'ny maha-fiandohan'ny Revolisiona Kiobàna azy. Tamin'ny faran'ny herinandro, ny 26 jolay 2008, nankalaza ny tsingerintaona faha-55-an'io fanafihana io i Kiobà, fety notarihan'i Raul, rahalahy sady mpandimby an'i Fidel, amin'ny maha-filoha Kiobàna azy.

La Barbade : Inona No Nanjo an'i Akobi Tacuma Maloney?

  28 Jona 2018

Vokatry ny fahafatesana nampiahiahy nanjo ny Rastafariana iray mahira-tsaina , nanokatra blaogy AfriKa CRY BLOOD ny Conseil lchirouganaim ho an'ny Fandrosoan'ny Rastafari (ICAR) mba "hampahafantarana, hiarovana ny fahatsiarovna ary hiarovana ny Ras Tacuma.