Tantara tamin'ny Septambra, 2010
Maraoka: “Ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'i Peace Corps an'i Belle”
Bilaogin-tsary mahatsikaiky iray no nitety ireo vehivavy Mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps any Maraoka, na dia tsy nilaza ny loharano niaviany aza ireo mpitoraka bilaogy namoaka ilay sary mahatsikaiky, dia nilaza ireo vehivavy roa fa mikasika azy ireo izy ity. Ilay sary mahatsikaiky fototry ny resaka ve? «Nahoana i Belle, avy amin'ilay tantara "IManja sy ilay Biby - Beauty and the Beast", raha ny marina dia Mpirotsaka an-tsitrapo iray ao amin'ny Peace Corps any Maraoka.
Arabia Saodita: Fahazoan-dalana hitoraka blaogy!
Nanambara drafitra hanarahamaso ireo mpamoaka zavatra sy ny media ao amin'ny aterineto aloha i Arabia Saodita, anatin'izany ireo blaogy sy ireo sehatra fifanakalozan-dresaka, mba ho oarakitra ofisialy ao anatin'ny lisitry ny Governemanta. Ny Ampitson'iny, niteraka fanehoan-kevitra marobe izany, izay milaza fa ireo gazety ao amin'ny aterineto ihany no voakasik'izany. Manana ny tiany hambara ireo vahoaka Saodiana ao amin'ny aterineto.
Italy: Herinandron'ny haino aman-jery sosialy any Milan sy eran'izao tontolo izao
Lanonana iraisam-pirenena nifangaroan-javatra maro, nihaonan'ny tanàna samihafa ny Herinandron'ny haino aman-jery sosialy ( 20-24Sept) izay natao hampifandray ny olona, ny votoatiny sy ny resadresaka manodidina ny fironana mipongatra ao amin'ny haino aman-jery sosialy sy fitaovana fitondra mandehandeha.
Mpamaham-bolongan'ny Global Voices manatrika ny vovonan'ny Firenena Mikambana momba ny tanjon'ny taonarivo
Four Global Voices bloggers are currently attending the United Nations Summit on the Millennium Development Goals in New York City (September 20-22). In their personal blogs and on Twitter, they are sharing their initial reactions from the Summit.
Aostralia: Adihevitra momba ny fiakanjo Silamo
Nangatahan'ny ben'ny tanàna ny mponina any ambanivohitr' i Melbourne any Aostralia mba hanao akanjo manarona ny vatany mandritra ny lanonana ao amin'ny dobo filomanosana mba tsy hanohinana ny Silamo. Niteraka adihevitra tamin'ny aterineto izany baiko izany
Inde: hilefitra ve i Kashmir? Sa mety hisy ny fampihavanana ?
Nandefa delegasiona matanjaka ahitana mpanao lalàna avy amin'ny antoko politika maro an'isa ny governemanta Indiana afovoany mba hanamaivana ny fandatsahan-drà sy ny fifanoherana any amin'ny faritr'i Jammu sy i Kashmir . Taitra ihany koa ny tontolon'ny bilaogy Indiana taty afara mikasika ity olana ity ary mizara ireo hafany mikasika ny fanantenana, ny fihavanana, ny firaisan-kina sy ny fandriam-pahalemana ireo mpitoraka bilaogy .
Mila ny fanohananao ny mpikatroka Tailandey voasambotra taorian'ny #IAL2010!
Voasambotra tao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Bangkok Suvarnabhumi i Chiranuch Premchaiporn, mpitantana ny Prachatai. Niverina avy tany amin'ny Dinidinika “Aterineto ao amin'ny Fahalalahana 2010: Ny Fampanantenana sy ny loza mety...
Kongo (RDC) : Radio Okapi, nandrombaka ny loka “Free Media Pioneer”
Ny 9 septambra 2010, ny Institut international de la presse (IPI) no nanolotra ny loka « Free Media Pioneer » [Mpitari-dalan'ny Media malalaka] tamin'ny Radio Okapi, radio an'ny Firenena Mikambana any...
Porto-Rico: Esheky maty
Naneho hevitra ao amin'ny Sin mordazas [ES] ny mpahay tantara sady mpamaham-bolongana Ivonne Acosta tamin'ny fandrarana ny filalaovana esheky any amin'ny sekolim-panjakana navoakan'ny minisiteran'ny fanabeazana any Porto-Rico, sy ny fandavan'ny...
Egipta: Mitohy ny resa-pady momba ny mpivarotena sy ny setrasetran-dehilahy
Namoaka lahatsoratra maromaro momba ny lohahevitra fady eo amin'ny fiaraha-monina Egyptiana ny mpitoraka blaogy vaovao, ho an'ny tetikasa “Manadihady ny fady” any le Caire. Mahakasika ireo mpivarotena sy ny setrasetra...