Tantara tamin'ny Mey, 2022
Ny sainin'ireo Shinoa any ivelany momba ny honohono ho fialàn'i Xi Linping
Niely nanerana ireo tambajotra sôsialy nandritra ny tapabolana lasa teo ny honohono momba ny fametraham-pialàn'ny filoha shinoa Xi Jinping, ary niteraka tombantombana maro teny anivon'ireo Shinoa mpanohitra mipetraka any ivelany.
Mila manilika ny adiadiny ny Rosiana mpanohitra ka mivondrona manohitra ny ady
Isaky ny misy ny hirika ho an'ny vondron'ny mpanohitra ao Rosia hivondrona hampisy fiovana ao amin'ny firenena, dia miafarana amin'ny fisarahana ireny ezaka ireny hoy Ivan Zhilin mpanoratra gazety tao amin'ny Novaya Gazeta taloha.
Mitady mpikaroka isaky ny firenena ho an'ny tetikasa Advox ny Global Voices
Mitady mpikaroka ao amin'ny firenena ny Advox, fanentanana ataon'ny Global Voices ho an'ny zo ankihy, handray anjara amin'ny tetikasa momba ny fiarahamonina sy ny fitondrana tsirefesimandidy [samy] mampiasa tambajotra.
Fantaro i Bali Nangavulan, lehilahy indizeny an-tanandehibe mitady lalana hiverenana amin'ny Bunun niaviany
Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'i Rising Voices i Bali Nangavulan no niresaka ny fomba nananganany vondrom-piarahamonina anjotra amin'ny alalan'ny dialavitra manokana niverenana andoharano (niaviany).
Fomba ataon'ireo Rosiana hanoherana ny ady ao Okraina avy amina fanjakana tsy refesi-mandidy iray
Manoratra graffiti, mamela zavatra eny an-dàlana, ary nahita fomba feno famoronana ho entina maneho ny feon'ny tsy fahafaliany eo ambany horohoro tsy mitsahatra ny ho voasazy ireo olompirenena rosiàna.
Fikisahan'i Nepal hampiasa fitaovam-pitaterana mandeha amin'ny herinaratra
Tonga ao Nepal ary hanomboka hiasa ato ho ato ny telo amin'ireo fiarabe miisa 40 mandeha amin'ny vatoaratra nafaran'ny Sajha Yatayat (orinasa misahana fitateram-bahoaka) avy any Shina
Fantaro misimisy kokoa ny Academie du Gallo sy ireo ezaka ataony hanabeazana voho io tenim-paritra io
Avy ao Frantsa, mampiroborobo ny fahitàna sy ny fankatoavana ny fiteny Galo ety anaty tambajotra ny Academie du Gallo.
Maneho ny fanoherana an'i Potinina ny saina vaovao ho an'ireo Rosiana monina any ivelany manameloka ny fanafihana an'i Okraina
Mivondrona eo ambanin'ny sainam-pirenena Rosiana nohavaozina izay ahitana ny fandavana ny imperialisma sy ny herisetra ireo Rosiana monina any ivelany manohitra ny politikan'i Potinina sy ny fananihana an'i Okraina.
Tsy hanohitra ny fandisoana ny vaovao mandritra ireo fifidianana ho avy ao Kenià ny Twitter sy Facebook
Na dia mitombo haingana aza ireo mpampiasa media sosialy ao Kenià, tohizan'ny Facebook sy ny Twitter ny fanolorana fepetra tsy mahomby sy tsy fampiasana vola betsaka amin'ny ady hanoherana ny fandisoana vaovao mifandraika amin'ireo fifidianana.
Sambany namoaka ny zom-pirenena faharoa ananany ilay bilaogera Ejiptiana voafonja, Alaa Abdelfatah, raha efa saiky ritra ny faharetany
Taorian'ny 3000 andro laniny tany am-ponja hatramin'ireo fikomiana tamin'ny 2011, nanefa sazy dimy taona an-tranomaizina i Alaa tamin'ny 2019 ary nosamborina tamin'ny faramparan'io taona io taorian'ireo fihetsiketsehana manohitra ny governemanta.