Tantara tamin'ny Aogositra, 2022
Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: India
Efa mivoaka ho tatitra izao ny fikarohan'ny Advox momba ny jadona nomerika ao India. Vakio ny ampahany, ary trohy ny Pdf manontolo.
Nahazo fanovan'endrika graffiti marevaka ny lamasinin'ny Oniversiten'i Chittagong malaza
Iray amin'ireo oniversite vitsivitsy eto amin'izao tontolo izao manana fiaran-dalamby manokana izay vao nolokoana graffiti marevaka ny Anjerimanontolon'i Chittagong.
Mampiroborobo ny fiteninay “Maya” aty amin'ny aterineto izahay mba tsy ho hadino izy ireny
Mizara ny tetikasany fikatrohana nomerika, ny vondrom-piarahamoniny ary ny teniny Tselta,l i Celfa Iraida Sántiz Sántiz, mpikatroka nomerika nahazo famatsiambola ho an'ny fiteny Maya.
Tantara an-tsary “ambanin'ny tany” mampiseho ny zeitgeist ao Skopje, renivohitr'i Makedonia Avaratra
Tamin'ny Oktobra 2021 no natonta ilay boky hatsikana "Alika Mpirenireny sy Voalavo" ("Džukela i Pacof" amin'ny fiteny Makedôniàna). Nomen'ny mpanoratra azy alàlana ny Global Voices hamoaka ampahany nadika ho amin'ny fiteny anglisy.
Mitetika hanao ho mahazatra ny fanazarantena ara-miaramila manodidina an'i Taiwan ve i Shina?
Mety mitetika hanao izay ho toy ny ara-dalàna sy hahazatra amin'ny sarinady ao andilan-dranomasin'i Taiwan i Shina. Fa inona moa no dikan'izany amin'ny hoavin'i Taiwan sy ny fifandraisana ao amin'ny faritra?
Bitsihan'ny governemantan'i Bangladesh ny fantsona TV tsy hampiasa ny voambolana ‘Indizeny’ rehefa miresaka fiaviana ara-poko
Tamin'ny 19 Jolay 2022, namoaka toromarika ho an'ny fantsona fahitalavitra 35 ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fampielezam-peo niangavy azy ireo tsy hampiasa ny voambolana hoe "Adivasi" (vazimba teratany).
Herintaona mahery izay no nanangonan'ny manam-pahefana misahana ny media sy ny fifandraisana ao Tiorkia ny angon-drakitry ny mpisera
Nofaritan'ny antoko mpanohitra lehibe ho tantara ratsy indrindra amin'ny fihainon-dresaka teo amin'ny tantaran'ny Repoblika ny angon-drakitry ny mpisera tsy miankina nangonin'ny Manampahefana momba ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana ao Tiorkia (BTK) .
Nobaikoan'ny Tompon'andraiki-panjakan'ny Nosy Salomon ny SIBC hampiato ny “fampisaraham-bazana”
"Mety ho lasa mafibe ny tsy mamela toerana amin'ny kolikoly ataon’ny minisitra sy ny tompon’andraikim-panjakana ho hitan’ny besinimaro."
Taratasim-baovao RV: Misokatra ny fangatahana vatsy hanaovana fandaharan'asa fandraketana ny teny tandindonin-doza 2023
Vatsy ara-bola, tari-dàlana, tambajotra fifaneraserana ary ny maro hafa!
Niditra tamin'ny fanampenam-bava ny media tsy miankina ny antoko eo amin'ny fitondràna ao Zeôrzia
Nolazain'ny antoko "Georgian Dream" fa ilay doka dia manoso-dratsy ny antoko, manohintohina ny hoaviny manoloana ny fifidianana