Mey, 2014

Tantara tamin'ny Mey, 2014

Nandresy Tamin'ny Fifidianana Ho Filoha Ejipsiana i Sisi; Fahatelo Kosa no Misy An'i Sabahi Hany Mpifaninana Aminy

Nandresy be ny Jeneraly Abdel Fattah Al-Sisi, nanamontsana an'i Hamdeen Sabahi, hany mpifaninana aminy izay tafiditra ho laharana fahatelo. Nivoaka ny ampaham-bokatra taorian'ny telo andro nifidianana. Voatatitra fa nahazo ny 93,3 isan-jaton'ny vato i Sisi, naka ny laharana fahatelo koa i Hamdeen ary ny 3,7 isanjaton'ny vato manankery no azony.