· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2019

‘Nahazo fivoriana roa ‘two sessions’ izahay: Lahatsary rap amin'ny teny Anglisy midera ny fivorian'ny antoko komonista

  11 Marsa 2019

Namoaka horonantsary rap amin'ny teny Anglisy ny sampam--baovaom-panjakana Shinoa, Xinhua tamin'ny 4 marsa, horonantsary mampiroborobo ny "two sessions" isan-taona ao amin'ny firenena - ny Kongresy Nasionalim-bahoaka (National People's Congress -NPC) sy ny Komity Nasionaly momba ny Fihaonambe Fakan-kevitra Ara-Politikan'ny Vahoaka Shinoa (National Committee of the Chinese People's Political Consultative Conference- CPPCC).

Miampy ny fanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK)

GV Mpisolovava  11 Marsa 2019

Misy ny raharaha ara-pitsarana vaovao mety hanampy trotraka ireo fiampangana fanalam-baraka sy fitoriana fanalam-baraka hanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK). Nitatitra ireo mpanao gazety vao haingana fa nametraka fitoriana azy tany amin'ny polisy ny Departemantan'ny Fampandrosoana ny Islamika (Jakim) sy ny sampana Miozolomana hafa.

Malezia: Bilaogera iray hafa nahazo tsikera

GV Mpisolovava  09 Marsa 2019

Nandrisika ny manampahefana mba hanadihady ny fiampangàna ny fanararaotana ara-nofo natao tamin'ireo vehivavy Penan, ao amin'ny faritr'i Baram ao Sarawak ny bilaogin-dahatsoratra iray.

Shina: Spam politika ao amin'ny Twitter

GV Mpisolovava  08 Marsa 2019

Fomba iray mahomby amin'ny fizaràna vaovao ivelan'ny tambajotra sosialin'ny mpiserasera ny rafitra "tag" (fanamarihana) ao amin'ny Twitter. Na izany aza, mora hiharan'ny hafatra spam ny rafitra. Any amin'ny firenena tandrefana, tarihin'ny tombontsoa ara-barotra ny ankamaroan'ireo mpanao spam, raha fitaovana ara-politika hanakorontanana ny fivezivezem-baovao kosa izany any Shina.

Malezia: Fitazonana tsy misy fitsarana ho an'ilay bilaogera RPK

GV Mpisolovava  08 Marsa 2019

Lalàna natao hiantohana ny filaminana anatiny ao Malezia, ny fampidirana am-ponja vonjimaika, ny fisorohana ny fanakorontanana, ny fanafoanana ny herisetra voalamina atao amin'ny olona sy ny fananana any amin'ny faritra voatondro ao Malezia, ary amin'ny zava-mitranga mifandraika amin'izany.