2009: Taona ratsy ho an'ny bilaogera sy ny mpanao gazety mahaleotena

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy tsara ho an'ireo mpanao gazety sy bilaogera mahaleotena ny taona 2009. Araka ny filazan'ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety (CPJ) hoe:

” At least 60 freelance journalists are behind bars worldwide, nearly double the number from just three years ago. CPJ research shows the number of jailed freelancers has grown along with two trends: The Internet has enabled individual journalists to publish on their own, and some news organizations, watchful of costs, rely increasingly on freelancers rather than staffers for international coverage. Freelance journalists are especially vulnerable to imprisonment because they often do not have the legal and monetary support that news organizations can provide to staffers.”

“Farafahakeliny mpanao gazety mahaleotena miisa 60 no nogadraina maneran-tany, efa ho avo roa heny noho ny tamin'ny telo taona lasa izany. Mampiseho ny fikarohana nataon'ny CPJ fa nitombo ny isan'ireo miasa tena an-tserasera nogadraina noho ny fironana anankiroa: nahafahan'ny mpanao gazety tsirairay mamoaka malalaka vaovao manokana ny aterineto, ary aleon'ny fikambanam-baovao sasany izay mametra ny fandaniany miantehitra bebe kokoa amin'ireo miasa tena an-tserasera toy izay amin'ny mpiasan'ny fitateram-baovao iraisam-pirenena. Tena mora miditra am-ponja ireo mpanao gazety mahaleotena satria matetika izy ireo no tsy manana fanohanana ara-dalàna sy ara-bola izay omen'ny orinasam-baovao amin'ny mpiasany. “

Anisan'ireo mpanao gazety notanana noho ny asany ilay mpanatontosa horonantsary Tibetana Dhondup Wangchen. Miasa tena an-tserasera izy ary nandrisika ny manampahefana Shinoa hisambotra azy ny horonantsary fanadihadiana nataony izay maharitra 25 minitra mitondra ny lohateny hoe “Avelao ny Tahotra” ary avy eo voampanga tamin'ny fanakorontanana izy. Araka ny New York Times 

“Out of 40 hours of footage and 108 interviews came “Leaving Fear Behind,” a 25-minute documentary that is an unadorned indictment of the Chinese government. Although given the choice to conceal their identities, most of his subjects spoke uncloaked and freely expressed their disdain for the Han Chinese migrants who are flooding the region and their love for the Dalai Lama, who has lived in exile since 1959.”

“Lahatsary maharitra 40 ora sy fanadihadiana miisa 108 no nahavitana ny ” Avelao ny Tahotra”, horonantsary fanadihadiana maharitra 25 minitra izay miampanga mivantana ny governemanta Shinoa. Na dia nasaina nisafidy tamin'ny fanafenana ny mari-panondroana azy ireo aza ireo olona dia niteny tsy niafina ny ankamaroany, ary naneho malalaka ny tsy firaharahiany ireo mpifindra monina Han Shinoa izay mameno ny faritra sy ny fitiavany ny Dalai Lama, izay niaina tany an-tsesitany nanomboka tamin'ny taona 1959. “

Nandritra izany fotoana izany, niatrika ny fanamelohana ho faty ilay bilaogera Vietnamiana Nguyen Tien Trung. Nitatitra ny fisamborana an'i Trung  izahay teo aloha tamin'ny volana Jolay 2008. Araka ny Reporters Without Borders hoe

“Nguyen Tien Trung, now facing a possible death penalty under article 89 of the criminal code after the charges against him were changed to “trying to overthrow the people’s government.” Arrested more than five months ago, he is due to be tried at the end of the month.

“We call for Nguyen Tien Trung’s immediate and unconditional release as the charges against him are entirely fabricated,” Reporters Without Borders said. “Trung is a pacifist who has never endangered the Vietnamese state. He just exercised his right to free expression, a right he learned to use in France.”

 

“Miatrika ny mety ho fanamelohana ho faty araka ny andininy faha-89 amin'ny fehezan-dalàna famaizana i Nguyen Tien Trung ankehitriny taorian'ny nanovana ny fiampangana azy tamin'ny  “fikasana hanongana ny governemantan'ny vahoaka.”  Tokony hotsaraina izy amin'ny faran'ity volana ity raha nosamborina efa ho dimy volana lasa izay.

“Mitaky ny famotsorana an'i Nguyen Tien Trung tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra izahay satria namboamboarina manontolo ny fiampangana azy,” hoy ny Reporters Sans Frontières. “Tia filaminana i Trung ary tsy mbola nanozongozona ny fanjakana Vietnamiana mihitsy. Nampiasa ny zony haneho hevitra malalaka fotsiny izy, ilay zo nianarany nampiasa tany Frantsa.”

Antenaintsika fa ho tsara kokoa noho ity taona ity ny 2010, ho fahalalahana bebe kokoa ho an'ireo mpanao gazety sy ireo bilaogera maneran-tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.