Shina: Spam politika ao amin'ny Twitter

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2011)

Fomba iray mahomby amin'ny fizaràna vaovao mihoatra ny tambajotra sosialin'ny mpiserasera iray ny rafitra “tag” (paingotra) ao amin'ny Twitter. Na izany aza, mora iharan'ny hafatra spam ny rafitra. Any amin'ny firenena tandrefana, tarihin'ny tombontsoa ara-barotra ny ankamaroan'ireo mpanao spam, raha fitaovana politika hanakorontanana ny fivezivezem-baovao kosa izany any Shina.

Tezitrao noho ny spam politika, bilaogera Shinoa Jiruan nandinika ny lamin'ireo mpanao spam politika shinoa na ilay antsoina hoe antoko 50 cent tamin'ny fandalinana ny marika #aiww izay maneho ilay mpanakanto mpikatroka malaza Ai Weiwei nosamborina tamin'ny fiandohan'ny volana Aprily 2011.

Ny tabilao etsy ambany dia mampiseho sioka 8000 nanomboka ny 26 Aprily 2011 hatramin'ny 2 Mey 2011 mifototra amin'ny fikarohana ny teny “#aiww”.

Avy amin'ny mpiserasera miisa 26 ny sioka izay avy amin'ilay mpiserasera @lidamink ny 22,51%  ary avy amin'ilay mpiserasera @eiuielk ny 22,43%. Isaky ny misy olona mitady ny teny #aiww ao amin'ny Twitter, dia na spam na fanamarihana manala baraka ny 80% amin'ireo hafatra. Amin'ireo valim-pikarohana 7 etsy ambany, avy amin'i @lidamink sy @eiuielk ireo hafatra 4:

Nanadihady ireo mpiserasera 10 voalohany amin'ny tag #aiww ihany koa ilay bilaogera ary nahita fa mpanao spam avokoa izy rehetra ary hafatra spam ny 75,06% tamin'ireo sioka natao tamin'ny  fikarohana teny hoe #aiww:*

1. @lidamink 22.51%
2. @eiuielk 22.43%
3. @ideletey 6.20%
4. @jchang_22079 5.8%
5. @xiazuhu 3.38%
6. @andingzirua 3.27% Account Suspended
7. @lalivea 发帖3.09%
8. @liunianzhijian 发帖2.87% Account Suspended
9. @nizhexin 发帖2.85% Account Suspended
10. @bichunlong 发帖2.66% Account Suspended

1. @lidamink 22,51%
2. @eiuielk 22,43%
3. @ideletey 6,20%
4. @jchang_22079 5,8%
5. @xiazuhu 3,38%
6. @andingzirua 3,27% Kaonty Naato
7. @lalivea 发帖3,09%
8. @liunianzhijian 发帖2,87% Kaonty Naato
9. @nizhexin 发帖2,85% Kaonty Naato
10. @bichunlong 发帖2,66% Kaonty Naato

Nanangona ny lisitr'izy ireo manokana momba ireo mpanao spam politika na 50 cents ny sasany tamin'ireo mpisera Twitter mba hampandrenesana ireo mpiserasera hafa. Hita tao amin'ny lisitra 6 Wumao (50 cents) ny kaonty @eiuielk :

Ankoatra ny #aiww, voaloton'ireo mpanao spam ara-politika ihany koa ireo marika ara-politika hafa toy ny #cnjasmine (mpanangom-baovaon'ny hetsi-panoherana Shinoa Jasmine) #5mao (mpanangom-baovaon'ny antoko 50 cent). Mandrisika ny mpisera Twitter i Jiruan mba hitatitra hatrany izay hafatra spam.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.