· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Avrily, 2013

Nahafaty Olona Enina Ny Gripam-Borona Tany Shina

  09 Avrily 2013

Nisy karazan-gripam-borona mbola tsy hita mihitsy tamin'ny olombelona hatramin'izay, tao Shina, nahazo olona 21 hatramin'izao ary nahafaty olona enina, ka niteraka tahotra tamin'ny olona maro ny mety hielezany.

28 000 Ireo Renirano Nanjavona Tamin'ny Sarintany Sinoa

  08 Avrily 2013

Araka ny angona nataon'ny governemanta momba ny rano, dia miisa 28 000 eo ho eo ireo renirano nanjavona tany Sina. Nilaza ny manam-pahaizana malaza iray momba ny tontolo iainana fa noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ny renirano sy ireo tetikasa "hydroélectrique" goavana no mahatonga izany faharitràna izany.

Korea Atsimo sy Avaratra Anatin'ny ‘Tany Miady’

  04 Avrily 2013

Manana tantara lavabe momba ny fomba fiteny tia ady sy tia mandrahona an'i Korea Atsimo sy ny mpiara-dia aminy i Korea Avaratra. Saingy nafana vay tsy misy toy izany ny fandrahonana nataon'ny any Avaratra farany, ary mihazakazaka mampatahotra ny fifanenjanana ao amin'ny renim-paritra Azia Atsinanana tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.

Mandadilady Amin'ny Vadin'ny Filoham-pirenena Ny Habaka Sosialy Ao Shina

  03 Avrily 2013

Tsy ny voaloham-pejin-gazety ao an-toerana sy ampita ihany no nahitana ny sarin'ny vadin'ny filoham-pirenena misandra-daza Peng Liyuan, fa nanintona ireo mpanaraka maro ny bilaogy madinika malaza Sina Weibo ihany koa izy. Tahaka ny nataon'ireo mpankafy (mpanaraka) ny vadiny Xi Jinping ihany koa fa nanoka-potoana amin'ny fitantarana ny fivoahan'ny vadin'ny filoham-pirenena ity tany ivelany...

Myanmar : Iza No Nihavian'ny Rotaka Tao Meikhtila ?

  01 Avrily 2013

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana.] Nandritra ny telo andro, nampisafoaka ny fitroaram-bahoaka tao Meikhtila, ao amin'ny faritra Mandalay, ao Myanmar. Nanomboka tamin'ny 20 martsa 2013 ny rotaka, taorian'ilay mpanefy namono mpivarotra volamena roa noho ny fifamaliana mikasika singam-bolamena vaky. Nirohotra ny vahoaka hiaro...