Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2014
Tsy Hita Ny Nanjavonan'ilay Fiaramanidina Maleziana Nitondra Mpandeha 239
Sidina MHO370 avy ao Kuala Lumpur ho any Beijing no tsy afa-nifandray intsony tamin'ny mpanaramaso ny fitaterana an'habakabaka, ka tsy mbola mahafantatra ny toerana mety misy ny fiaramanidina hatramin'izao ny zotra an'habakabaka sy ireo manampahefana
Fakana Sary Avy amin'ny “Drone” Mampiseho Ny Hakanton'ny Talaky Maso Kambojiana
Nampiasa "drone" na voromby kely baikoan-davitra hanapihana sary ny hakanton'ny talaky maso ambonivohitra sy ambanivohitra Kambojiana tsy manam-paharoa ny mpanatontosa horonan-tsarimihetsika Roberto Serrini
Manameloka Ny “Xinjiang Mpampihorohoro” Noho Ny Fanafihana Nahafatesana Olona Tao Kunming i Shina
Niampanga ireo miaramila avy ao amin'ny faritra tandrefana ao Xinjiang ny manampahefana tao Kunming tamin'ny vono-olona tao amin'ny tobim-piaran-dalamby tao an-tanànan'i Kunming, atsimo-andrefan'i Shina.
Tetikasa Fandikàn-teny Ifarimbonana Mampiroborobo Ny Teknolojian'olom-pirenena Ao Japana
Nirotsaka an-tsitrapo ireo mpandika teny ao Japana mba handika ilay boky Amerikana "Beyond Transparency" amin'ny teny Japoney ho fampiroboroboana ny teknolojian'Olom-pirenena ao amin'ny firenena..
Nosamborin'ny Fanjakana Shinoa i Ilham Tohti, Mpisolovava Am-Pilaminana ireo Uyghur Vitsy An'isa
Nolazain'ny Globa Times mpitondra tenin'ny antoko Kaominista Shinoa (CCP) ho mpampisara-bazana i Ilham Tohti, mpampianatry ny Oniversite. Mbola manohy milaza anefa ireo mpanohana azy fa manohitra ny fahaleovan-tenan'ireo mponina ao Uyghur izy.
Resabe Mikasika Ny Fanomezana Vàhana Ny Zanak'Ilay Shinoa Malaza Mpamokatra Sarimihetsika, Zhang Yimou
Ilay Shinoa malaza mpamokatra lahatsary, Zhang Yimou indray izao no lasa resaky ny olona noho ny fiangarana azy manokana amin'ny fananany zaza mihoatra ny voalazan'ny lalàna .